Sokajiana ho anisan’ny sakafo feno ny atody ary mitondra vokatsoa maro be, tahaka ny hena. Isan’izany ny atody akoho sy ny caille na papelika. Samy manana ny fomba fihinana atody ny olona tsirairay. Hanome fanampim-pahalalana ho antsika momba ny atody i Britney Havannah, teknisiana momba ny fikarohana eo anivon’ny ofisy nasionalin’ny Fanjariantsakafo na ONN.
Les œufs, considérés comme aliments complets, sont une source de vitamine A, essentielle pour une bonne vue. A part les œufs de poules, les œufs de cailles contiennent de nutriments, protéines et sont des antioxyandants. Britney Havannah, nutritionniste de l’office nationale de la nutrition, ONN nous partage les bienfaits et l’apport de l’œuf sur notre organisme.
Peu de ménages malgaches font appel à un architecte pour la construction de leur habitat à Madagascar. Pendant les quatre jours du salon de l’habitat, Les ordre des architectes de Madagascar donnent des conseils aux visiteurs. Fara Hanitra Rahoeliharivahy, Présidente de l'ordre des architectes malagasy souligne l’importance de l’assistance d’un architecte dans la construction de l’habitat.
Manana anjara asa lehibe ireo mpanao taotrano na architecte. Nihaona tamin’ireo mpitsidika tany amin’ny Salon de l’habitat izy ireo ary nanokana fotoana hanorona hevitra ireo izay mila izany. Manazava ny maha zava dehibe ny fanatonana mpanao tao trano i Fara Hanitra Rahoeliharivahy, Présidente de l'ordre des architectes malagasy.
L’observatoire Safidy a tenu une conférence de presse à son siège à Ambatonakanga hier. Le rapport concerne l’observation la préparation de l’élection présidentielle et les recommandations de la société civile. Razanamehefa Stella, membre du bureau national de l’observatoire Safidy nous en dit plus dans Hono ho’aho.
Namoaka tatitra mahakasika ny fanaraha maso ny fizotry ny fanomanana fifidianana ny Safidy omaly. Anatin’ny Hono ho aho no hizara amintsika ny fitsirihana nataon’izy ireo ity sampana mpanara maso ny fifidianana i Razanamahefa Stella, mpikambana eo anivon’ny Safidy mpanara maso ny fifidianana :
Les missions d’observation électorale sont essentielles pour garantir un processus électoral démocratique. Il s’agit de vérifier si les normes ont été respectées à la fois en termes de législation et de bonnes pratiques. Seta Dera Rafidison de l’association Liberty 32 explique que les observateurs électoraux doivent faire preuve de professionnalisme et d’impartialité. Ainsi, ils ont un code de conduite précis à respecter.
Isan’ny miantoka ny zotram-pifidianana demokratika ny iraka fanarahamaso ny fifidianana. Ao anatin’izany no itarafana raha voahaja ny fenitra takiana na ny lalàna velona izany na ireo fomba fanao tsara tahafina. Mila matihanina ary tsy mitanila ireo mpanaramaso ny fifidianana hoy Rafidison Seta Dera avy ao amin’ny fikambanana Liberty 32. Misy ireo fitsipi-pitondran-tena mila arahin’izy ireo noho izany.
Depuis maintenant 20 ans, l’association ACCESMAD met en œuvre le programme EDUCMAD qui vise à améliorer et à soutenir l’enseignement des matières scientifiques à Madagascar à travers la mise en place d’une Médiathèque électronique ouvert à tous. Carine RODITIS, responsable accompagnement et gouvernance nous explique les détails de ce programme.
Nandritra ny 20 taona izay no nanatanteraka ny fandaharanasa EDUCMAD ny fikambanana ACCESMAD. Fandaharanasa izay mikendry ny hanatsara sy hanampy ny fampianarana ireo taranja siantifika eto Madagasikara amin’ny alalan’ny Médiatheque éléctronique izay misokatra hoan’ny rehetra. Manazava ny antsipirihan’i fandaranasa io Carine RODITIS, responsable accompagnement et gouvernance.
Des hobbies et des passions peuvent très bien être transformés en startups. Sophie Rajevo et Fandresena Razakamahefa peuvent en témoigner. Leurs cursus universitaires n’ont rien à voir avec les entreprises qu’elles ont fondé à savoir Mochi Passion et Classy by Fafah. Si Sophie Rajevo commercialise des petits gâteaux japonais appelés « mochi » qu’elle produit localement, Fandresena Razakamahefa vend des produits en crochet qu’elle confectionne elle-même.
Ny fialamboly sy ireo zavatra mahaliana antsika manokana dia azo avadika ho orinasa soa aman-tsara. Afaka mijoro vavolombelona ny amin’izany Sophie Rajevo sy Fandresena Razakamahefa. Tsy misy idirany amin’ny lalam-piofanana narahany mantsy ny orisana natsangan’izy ireo dia ny Mochi Passion sy ny Classy by Fafah. Raha mivarotra mofomamy mampiavaka an’i Japana antsoina hoe « mochi » izay vokariny eto an-toerana ihany Sophie Rajevo, Fandresena Razakamahefa kosa dia mivarotra vokatra vita amin’ny « crochet » izay izy ihany no manamboatra azy.
Les clercs d’huissier de justice sont souvent des porteurs de mauvaise nouvelle. La plupart du temps, c’est pour appeler des gens à comparaître devant le tribunal ou les sommer à payer un loyer en retard ou des dettes. Tahinjanahary Samoela nous explique les rouages de ce métier dans la première partie de l’émission. Dans la deuxième partie, Maître Ralinirina Bebisoa – Huissier de Justice – nous explique la procédure qu’ils doivent suivre pour exécuter une décision de la justice relative à l’expulsion d’une personne ou d’un groupe d’un lieu donné.
Mpitondra vaovao ratsy matetika ny asan’ny mpanampy ny vadintany na « Clerc de huissier de Justice ». Amin’ny ankapobeny dia miantso olona hiatrika fitsarana izy ireo na mibaiko olona handoa hofan-trano efa tara na trosa. Manazava ny mombamomba io asa io Tahinjanahary Samoela ao anatin’ny tapany voalohan’ny fandaharana. Ao amin’ny tapany faharoa kosa dia manazava ny antanatohatra arahin’ny Vadintany rehefa manatanteraka didy fandroahana olona na vondron’olona eo amin’ny toerana iray, Maître Ralinirina Bebisoa.
Même si la poursuite d’études supérieures n’est pas une condition sine qua non de la réussite financière, cela aide toujours les jeunes à affronter le monde du travail. Ceux qui n’ont pas pu poursuivre leurs études peuvent toujours suivre des formations professionnelles pour acquérir les connaissances et expériences nécessaire pour réussir. Lanto Ratsida - sociologue au sein de l’Observatoire de la jeunesse, Lucky Rajaobelison - Conseiller d’orientation scolaire et professionnel, et Sylviane Ranaivontiavina – sociologue et entrepreneure, discutent des caractères que les jeunes devraient avoir pour réussir financièrement et professionnellement.
Na dia tsy fepetra mamaritra ny fahombiazana ara-bola aza ny fanohizana fianarana ambony, dia isan’ny manampy ny tanora hiatrika ny tontolo ny asa foana izany. Ireo izay tsy afaka nanohy kosa dia afaka manaraka karazana fampiofanana hafa, ahazoany ny traikefa sy ny fahaiza-manao ilainy ahombiazany. Miresadresaka momba ireo toetoetra mila hananan’ny tanora raha te hahomby ara-bola sy eo amin’ny tontolo ny asa Lanto Ratsida - mpandinika fiarahamonina avy eo amin’ny Observatoire de la jeunesse, sy Rajaobelison Lucky – Conseiller d’orientation scolaire et professionnel, ary Ranaivontiavina Sylviane – Mpandinika fiarahamonina sady mpandraharaha.
Pendant la période de révision annuelle de la liste électorale (RALE) ou en cas de refonte de la liste électorale comme ce fut le cas à Madagascar en 2023, un comité spécial est mis en place au sein des fokontany pour assurer le recensement des électeurs. Ce dernier est appelé Comité Local de Recensement des Electeurs ou CLRE. Seta Dera Rafidison de l’Association Liberty 32 nous explique les modalités de fonctionnement de ce comité.
Mandritra ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy toy ny natao teto Madagasikara ny taona 2023 teo, dia misy komity manokana atsangana isaky ny fokontany hiandraikitra ny fanisana ny mpifidy. Hazavain-dRafidison Seta Dera, avy ao amin’ny fikambanana Liberty 32 amintsika ny mombamomba io rafitra io.
Run& Bike, un évènement initié par l’association Tao pour stopper le viol sur mineur entame sa quatrième edition à Ambohibe Antananarivo.
Il s’agit de plusieurs courses à pied et à vélo ouverts à tous à partir de 6ans. Chaque participant porte des maillots et des tee-shirt où il est ecrit « Stop au viol » et prend ainsi part a la sensibilisation publique de l’assocition Tao. Ecoutons les explications de Andry Nandrasaana Yvette de l’Association Tao dans l’emlission Question A.
Hetsika iray ataon’ny fikambanana Tao izay hanentanana ho amin’ny fampitsaharana ny fanolanana amin’ireo zaza tsy ampy taona ny Run&Bike andiany fahaefatra izay atao eny Ambohibe Antananarivo.
Dian-tongotra sy fifaninanana bisikleta no atao anatin’izany. Misokatra ho an’ny olona rehetra manomboka enina taona izy io. Hitondra ambonin’akanjo hahitana soratra “Stop au viol” na hoe hatsaharo ny fanolanana ny mpandray anjara tsirairay avy ka hiditra anatin’ilay fanentanana ho an’ny daholobe izay ataon’ny fikambanana Tao. Henointsika ny fanazavan’i Andry Nandrasaana Yvette de avy ao amin’ny fikambanana Tao ato anatin’ny fandaharana Hono oah.
L’industrialisation figure parmi les 4 grandes axes à prioriser dans la politique générale de l’Etat de cette année. Madagascar possède des matières premières innombrables et de bonne qualité. Les problèmes de l’énergie, le mauvais état des routes et le manque de compétentes techniques sont les princiuax blocages à l’industrialisation rapporte Tiana Rasamimanana, président du syndicat des industries de Madagascar.
Donner beaucoup plus de formations techniques qui répondent aux besoins des sociétés industrielles est parmi la solution qu’a proposée Randriamboavonjy Angelson, sociologue et spécialiste en développement durable.
Isan’ireo tanjona ao anatin’ny politikam-panjakana amin’ity taona ity ny fampiroboroboana ny indostria. Manana akora fototra betsaka sy tsara kalitao isika. Olana sy sakana lehibe tsy ahafahana mametraka betsaka ny olan’ny angovo, ny haratsian’ny lalana ahafahana mampiakatra ny akora fototra ary ny tsy fahavitsian’ny mpiasa manana fahaiza-manao, hoy i Rasamimanana Tiana, filohan’ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara.
Vahaolana ahatongavana amin’izany ny fanomezana fiofanana mifanaraka amin’ny filan’ny indostria ho an’ireo tanora, hoy i Randriamboavonjy Angelson, mpanay fiaraha-monina sy manam-pahaizana momba ny fampandrosoana maharitra.
Les étudiants en philosophie choisissent leur mention spécifique après la troisième année, d’après Herimampita Rarivomanantsoa, Chef du département de la philosophie auprès de l’Université d’Antananarivo. Ils peuvent se lancer dans l’enseignement après la licence. Ou continuer la recherche, travailler en tant qu’expert dans des projets sociaux ou en tant que conseiller d’un politicien.
Misy safidy maromaro azo atao ny fianarana filozofia manomboka eo amin’ny taona fahatelo, araka ny fanazavan’i Herimampita Rarivomanantsoa, filohan’ny Departemanta Filozofia eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Asa misokatra ho azy ireo ny fampianarana aorian’ny licence. Azo atao koa anefa ny manohy ny fikarohana. Asa azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny ho panolontsaina mpanao politika, mpanolontsaina amina tetikasa sy ny sisa.
Les clients qui confient leurs postes radios à réparer deviennent de plus en plus nombreux selon un technicien d’un atelier d’appareil électronique à Ambohijatovo. L’invasion des JBL et auto radio sur le marché en est la principale raison. Ils sont plus pratiques et moins chers par rapport aux mini chaine de marque. Un employé de l’atelier répare 4 à 5 radios par semaines.
Une radio commerciale est financièrement indépendante. Les spots publicitaires et les émissions payantes en sont les principales sources de revenus. La création d’une antenne radio coute environ 250 000 d’ariary. Une fois mis en place, le cout de la Jirama, le loyer ainsi que les salaires des personnels sont les principales dépenses mensuelles.
Mihamitombo hatrany ireo mpanjifa tonga manamboatra radio eo amin’ny orinasa iray eo Ambohijatovo raha oharina amin’ny tany amin’ny 10 taona lasa. Ireo radio carte sy auto radio izay be mpampiasa ankehitriny sady mora vidy kokoa oharina amin’ny radio « mini chaine » taloha no anton’izany. Manamboatra radio 4 hatramin’ny 5 isan-kerinandro eo ny mpanamboatra iray ary ny piesy mampaneno azy indrindra matetika no mila soloina.
Orinasa mampidi-bola sy mamelon-tena ny onjam-peo iray, raha tsy miankina amina fikambanana manokana. Ny dokam-barotra, ny vidina fandaharana no fampidiram-bola ho ana radio iray. Ankoatra ny fananganana azy izay manodidina ny 250 0000ar dia fandaniana avoakan’ny orinasana radio isam-bolana kosa ny Jirama, ny hofantrano, ny karaman’ny mpiasa sy ny sisa.