Les aliments crus et mal lavés sont interdits pour les femmes enceintes. Cela inclut les fritures et les saignants. Selon les explications de la sage-femme Henintsoa, ces aliments contiennent des bactéries qui mettent en danger la santé de la femme enceinte. Les aliments conseillés sont ceux qui apportent de bons nutriments et équilibrés comme les légumes, les fruits, les produits laitiers. Mais La sage-femme Ny Avo explique que ces aliments varient selon le mois de grossesse, par exemple il ne faut pas manger des plats qui contiennent trop de farine durant les trois derniers mois de grossesse.
En ce qui concerne les mouvements à risques, c’est-à-dire qui peuvent provoquer une fausse-couche, il ne faut pas faire beaucoup d’effort par exemple si vous n’être pas sportive, il ne faut pas faire trop d’exercice physique. Par contre, si vous en avez l’habitude cela n’a aucun risque. Par exemple si vous êtes habitué à monter des escaliers cela n’aura aucun effet sur la grossesse. Si vous vous sentez fatiguée, il faut tout de suite prendre une pause et s’allonger.
Ireo sakafo manta sy tsy voasasa tsara no tsy azon’ny vehivavy bevohoka ho hanina. Ao anatin’izany ihany koa ny kihendihendy sy ireo tsy masaka tsara. Araka ny fanazavan’ny rasazy Henintsoa, misy otrikaretina izay tsy tsara amin’ny fahasalaman’ny vehivavy bevohoka ireo sakafo ireo. Ny sakafo tsara ho hanin’izy ireo kosa dia izay mitondra otrikaina sy ara-pasahalamana tsara toy ny legioma sy ny voankazo ary ireo vokatra avy amin’ny ronono ohatra. Manazavny rasazy Ny Avo fa miovaova arakaraky ny volana itondrana vohoka ireo sakafo ireo. Ohatra tsy azo atao ny mihinana sakafo be lafarinina aty amin’ny telo volana faran’ny fitondrana vohoka.
Raha ireo fihetsika mahatonga fahafahan-jaza kosa no resahina, tsy afaka mampiasa herim-batana be loatra ireo vehivavy bevohoka. Ohatra hoe tsy mpanao fanatanjahan-tena ianao dia tsy tsara no mandany hery be loatra. Nefa kosa raha efa zatra miakatra tohatra foana ohatra dia tsy misy fiantraikany izany. Raha mahatsiaro reraka ny vehivavy bevohoka dia tokony maka aina mitsotsotra.
L’exercice périnéal est utile pour garder le périnée ferme. Pour qu’il n’y ait pas de fuite urinaire. Il est recommandé pour les femmes qui viennent d’accoucher, même celle qui ont eu une opération césarienne. Selon les explications de la sage-femme Henintsoa, à part les femmes enceintes, il est également recommandé pour les femmes d’un certain âge.
L’enfant malnutri sévère a vraiment besoin d’un aliment spécial pour l’aider à s’améliorer. Selon les explications de Fanja Rakotondrasoa, spécialiste en nutrition, si l’enfant est en phase de malnutrition sévère, il n’y a que cet aliment spécial qui lui convient et aucun autre aliment, même les fruits et légumes ne peuvent subvenir à son besoin en nutrition. Tous les CSBII possède cet aliment spécial, surtout ceux qui se trouvent dans les régions concerné par la malnutrition.
Ny fikolokoloina ny « périnée » dia tena ilaina ho an’ireo vehivavy avy teraka mba tsy handitsaka na hipipy kely. Na ireo vehivavy avy nodidiana aza dia tsara ny manao azy ity. Araka ny fanazavan’ny rasazy Henintsoa, ankoatra ireo vehivavy bevohoka, dia tsara manao azy ity koa ireo vehivavy efa nahazo taona.
Mila sakafo manokana ny zaza tratran’ny tsy fanjariantsakafo. Araka ny fanazavan’I Rakotondrasoa Fanja, rehefa ao anatin’izay tsy fanjarian-tsakafo izay ny zaza dia tsy mety aminy intsony ireo sakafo an-davanandro na dia ny legioma sy ny voankazo aza fa tsy maintsy mila an’io sakafo manokana io izy. Hita any amin’ny CSBII rehetra io sakafo io ary indrindra any amin’ireo CSBII any amin’ny faritra tena ahitana izay tsy fanjarian-tsakafo izay.
L’acte de viol est souvent associé à des troubles psychologiques chez son auteur, estiment les psychologues. Si on va plus loin, des psychologues, uniquement sur consultance du tribunal, peuvent attester qu’un auteur de viol est atteint de démence. Selon les explications du juriste Rakotoarizafy Noelinarisetra, ceux qui sont diagnostiqués atteint de démence n’encourent aucune peine selon l’article 64 du code pénale malgache. Cela s’explique par le fait que l’individu n’est pas responsable de ses actes. Et les évaluations faites par les psychologues ne concernent que son état durant l’acte de viol et non ni avant ni après.
Matetika vokatry ny fikorontanana ara-tsaina no mahatonga ny olona iray hanolana hoy ireo mpahay toetr’olona. Raha halalinina kokoa izay, dia afaka miteny fa tsy salama saina ny olona iray nanao fanolanana rehefa avy nandalo fizahana avy amin’ny mpahay toetr’olona nirahan’ny tribonaly. Araka ny fanazavan’ny mpahay lalana, Rakotoarizafy Noelinarisetra tsy mihatra amin’ireo olona marary saina ny lalana famaizana araka ny andininy faha-64 ao amin’ny lalana famaizana malagasy. Satria tsy tompon’ny tenany izy ary tsy tonga saina amin’izay ataony. Ny fizahana ataon’ireo mpahay toetr’olona dia mijery ny toe-tenany nandritran’izy nanao ilay fanolanana fa tsy aloha na aoriana.
Le premier CPN ou Control Prénatal doit être effectué durant le premier trimestre de grossesse, c’est-à-dire avant le troisième mois. Selon les explications de la sage-femme Henintsoa, c’est durant ce premier CPN que le gynécologue ou la sage-femme vérifie la position du bébé dans l’utérus ou que ce n’est pas une grossesse extra-utérine. On vérifie également que le bébé va bien et que ce ne soit pas un œuf-clair. Pour le premier CPN, il faut boire beaucoup d’eau pour l’échographie et apporter un carnet de consultation. C’est à ce moment également que la femme enceinte est envoyé à faire les analyses nécessaires pour la grossesse : toxoplasmose, VIH, etc.
L’implant est une méthode contraceptive qui consiste à inserer une sorte de petite tige mince dans le bras. Selon les explications de la sage-femme Ny Avo, l’implant se remplace tous les 3 ans. Quand le couple veut avoir un bébé, nul besoin d’attendre. C’est l’avantage de cette méthode par rapport aux autres. Même quand les 3 ans ne sont pas encore écoulés.
Atao ao anatin’ny telo volana voalohany amin’ny fitondrana vohoka ny fisafoana voalohana. Araka ny fanazavan’ny rasazy Heninstoa, mandritra io fotoana io no ahitana hoe ao amin’ny tranon-jaza tsara ve ny zaza, izany hoe tsy ety ivelany izy no mihalehibe. Mandritra izany ihany koa no hahafantarana hoe tsy poakaty ny atody fa misy zaza salama tsara. Alohan’ny andanana misafo dia mila misotro rano betsaka satria hanao fitiliana ary mitondra karne ihany koa. Ny fisafoana voalohany no maniraka ny vehivavy hanao ireo fitiliana isan-karazany toy ny VIH sy ireo aretina rehetra marosamihafa toy ny toxoplasmose.
Karazana fandrindram-piterahana iray ny “implant” na ny “telo taona an-tsandry”. Karazana hazokely lavalava manify izay izy ity hatsofoka ao amin’ny sandry. Araka ny fanazavan’ny rasazy Ny Avo, tonga dia afaka miteraka ny mpivady eo no hoe vao esorina ity fitaovana iray ity fa tsy mila miandry ela intsony. Eny, na dia tsy feno aza ilay telo taona dia azo atao tsara izany, izay hoy izy no mampiavaka azy amin’ireo karazana fandrindram-piterahana hafa.
Reportage
Pas besoin d’aller bien loin pour trouver des cas de malnutrition. Dans le district d’Atsimondrano, à une vingtaine de kilomètres de la capitale, un enfant sur deux est concerné par cette situation. Dans ce reportage, notre journaliste a rencontré Sidonie. Elle est veuve et lavandière à plein temps. Elle prend en charge 5 enfants âgés entre 2 ans et 5 ans. Elle raconte que ses enfants mangent de façon très irrégulière, parfois un seul repas par jour. Depuis que les hotelin-jazakely existe dans son quartier, elle a pu se procurer des repas nutritifs pour ses enfants.
Interview
La lutte contre la malnutrition devient de plus en plus difficile en raison de la pauvreté multidimensionnelle à Madagascar. Beaucoup de ménages sont contraints de vendre meme les ustensiles de cuisine pour avoir un peu d’argent. Certaines personnes n’ont plus de vêtements sur elles ou n’ont vraiment plus rien. Interview avec Berengère Guais, du Medecin Sans Frontières.
Fanadihadiana
Tsy mila mandeha lavitra an’Antananarivo intsony dia efa mahita trangana tsy fahampian-tsakafo. Any amin’ny distrikan’Atsimondrano, roapolo kilometatra miala ny renivohitra, dia zaza iray amin’ny roa no voalaza fa tsy ampy sakafo. Mitaiza zaza dimy i Sidonie, mpanano tena sady mpanasa lamba. 2 taona hatramin’ny 5 taona ireo zaza ireo. Mitantara izy fa miovaova be ihany ny sakafo hohanin’izy ireo, indraindray sakafo iray ihany anatin’ny indray andro. Misy kosa anefa ny hotelin-jazakely ao amin’ny tanana misy azy, mba hanomezany sakafo ara-pahasalamana ho an’ireo zanany.
Resadresaka
Mihasarotra ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara vokatry ny fahantrana lalina iainan’ny mponina. Betsaka ny tokantrano efa tsy manana na fitaovan-dakozia handrahoana sakafo ary, fa aleo namidy hahazoana vola kely. Resadresaka tamin’i Berengère Guais, avy amin’ny Medecin Sans Frontières
Reportage
Chaque année, environ 10 000 personnes sont menacées par les risques d’éboulement et de glissement de terrain dans la capitale. Ce sont dans la majorité des habitants des quartiers de la haute ville: Ambohipotsy, Andafiavaratra, Manjakamiadana, Ampamarinana. Razafimamonjy Leonie, chef fokontany Ampamarinana, raconte qu’au moins une cinquantaine de ménages sont déplacés à chaque saison cyclonique. Ils sont transférés vers un abri temporaire pour une durée qui peut varier d’une semaine à un mois. C’est le BNGRC ou Bureau national de gestion des risques et des catastrophes qui délimite les zones rouges à chaque saison. Il prend aussi les mesures préventives avec les autorités locales.
Interview
Les actions anticipatoires regroupent toutes les activités réalisées à partir du moment où un risque de catastrophe se présente jusqu’au moment où il survient effectivement. Seheno Andrianiana, coordinateur national de Start Network Madagascar explique.
Infos pratique
Comment réagir quand une personne se trouve bloquée sous un effondrement ?
Fanadihadiana
Isantaona, olona 10 000 eo no ahiana ho tratry ny loza vokatry ny fihotsahan’ny tany eto andrenivohitra. Mponina any amin’ny faritra avo eto Antananarivo izy ireo : Ambohipotsy, Andafiavaratra, Manjakamiadana, Ampamarinana. Manazava i Razafimamonjy Leonie, sefo fokontany Ampamarinana fa tokantrano 50 eo farafahankeliny no tsy maintsy afindra toerana rehefa vanim-potoanan’ny orana. Omena toerana hipetrahana vonjimaika izy ireo, izay mety hijanonany hatramin’ny iray volana. Ny BNGRC no mamaritra ireo faritra mena. Izy koa no manao ny fandaminana rehetra isorohana ny loza miaraka amin’ny tompon’andraikitra eny antoerana.
Resadresaka
Manazava ny atao hoe « actions anticipatoires » rehefa amin’ny fotoanan’ny rivodoza i Seheno Andrianiana, mpandrindra nasionaly ny Start Network Madagascar
Torohevitra ampiharina
Ahoana ny atao raha sendra misy olona tototry ny vato na tany ka tsy afa-mihetsika ?
Reportage
Les pompiers interviennent dans plusieurs situations différentes : incendie, inondation, éboulement, effondrement, activités de secours, noyade, accidents divers. La détection des dangers potentiels dans les villes et les endroits publics font également partie de leur travail. Dans ce reportage, on a suivi une intervention d’abatage d’arbres jugés dangereux pour la sécurité publique, dans la haute-ville d’Antananarivo. Ces arbres interfèrent avec les câbles électriques de la Jirama et gênent la circulation des voitures. Rakotomalala Haja, adjudant-chef, mène la mission.
Interview
La surabondance de l’eau, ou au contraire, sa rareté peut être à l’origine de catastrophe naturelle. Entre inondation et sécheresse, la gestion de l’eau est un élément crucial dans une réponse à une urgence. Quels sont les enjeux de l’eau dans un pays comme Madagascar ? Interview avec Andriamamonjy Mahavonjiniaina, chef de service humanitaire au Ministère de l’eau, de l’assainissement et de l’hygiène.
Infos pratique
Comment prévenir la noyade des enfants ?
Fanadihadiana
Toe-javatra isankarazany no mety hiantsoana mpamonjy voina : trano may na ala may, tondra-drano, fihotsahan’ny tany na trano, vonjy aina, loza andrano na andranomasina sns. Asan’izy ireo ihany koa ny misoroka mialoha ny loza mety hitrana any amin’ireny toerana falehan’ny daholobe ireny na eny andalana. Ohatra hoe fanapahana hazo mety hitera-doza ho an’ny mpandeha an-tongotra sy mpampiasa lalana. Rakotomalala Haja, adjudant-chef, no nitarika ny ekipa teto.
Resadresaka
Ny fitobahan’ny rano be loatra na ny tsy fisiany mihitsy dia samy mitarika ambana sy loza ho an’ny olombelona sy ny tontolo iainana. Singa iray lehibe ny fitantanana ny rano araka izany, indrindra amin’ireo toerana tena ahitana tondra-drano na haitany. Resadresaka tamin’i Andriamamonjy Mahavonjiniaina, tompon’andraikitra ao amin’ny ministeran’ny rano, ny fahadiovana sy ny fidiovana.
Torohevitra ampiharina
Inona ny fitandremana atao mba tsy ho lasan’ny rano ny ankizy ?
Reportage
La saison cyclonique 2023-2024 dans la région Océan Indien s’étend du 15 novembre 2023 jusqu’au fin avril 2024. C’est également la période où la Croix-Rouge Malagasy est le plus alerte pour venir en aide aux personnes sinistrés. Pour ce faire, elle mobilise ses milliers de volontaires repartis dans toute l’ile. Ils ont pour mission de récolter les besoins des communautés locales et les transmettre au BGNRC explique Antsa Mirado, responsable communication au sein de l’association. Razanadravao Nantenaina Mamitiana, volontaire pour la CRM depuis 9 ans, a été formée aux gestes de premiers secours. Elle souligne que les volontaires ont également une mission de soutenir moralement les sinistrés, être présents et être à l’écoute. A part la gestion des catastrophes, la CRM intervient aussi dans le domaine de la santé et des premiers secours.
Interview
Les travaux anticipatoires sont une partie importante dans une mission humanitaire. C’est à dire toutes les activités réalisées avant meme l’arrivée d’une catastrophe, afin de limiter les impacts de celui-ci. Par exemple, la formation des volontaires, la préparation des stocks de vivres ou encore la sensibilisation sur terrain. Interview avec Rasoloarivelo Andrianantenaina, coordinateur des activités CRM.
Infos pratique
Quels sont les premiers gestes à faire en cas d’inondation ?
Fanadihadiana
Nanomboka ny 15 novambra hatramin’ny faran’ny volana aprily ny vanim-potoan’ny rivodoza aty amin’ny Ranomasimbe Indiana. Io ihany koa ny vanim-potoana tena hihetsehan’ny Croix Rouge Malagasy, hampihena ny fanaintainan’ny mpiara-belona sy ireo tra-doza. Manana mpilatsaka antsitrapo amin’arivony izy manerana ny Nosy. Asan’izy ireo ny mijery izay ilain’ny mpiara-belona sy mitatitra izany any anivon’ny BNGRC. Manangona isa ihany koa izy ireo, araka ny fazavan’i Antsa Mirado, tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny CRM.9 taona izao i Razanadravao Nantenaina Mamitiana no mpilatsaka antsitrapo tao amin’ny CRM. Ankoatry ny fanampiana ara-tsakafo na fanafody, dia tena ilaina hoy izy ny manohana ara-tsaina ireo traboina sy mihaino azy ireo.
Resadresaka
Ny fitantanana ny loza dia tsy manomboka eo amin’ny fotoana itrangan’ny loza iray, fa mialohan’izay, alohan’ny hahatongavany. Izay no antsoina hoe « actions anticipatoires » mba hampihenana ny fiatraikan’ny loza. Resadresaka natao niaraka tamin’i Rasoloarivelo Andrianantenaina, mpandridra ny hetsika ao amin’ny CRM.
Torohevitra ampiharina
Inona ny fihetsika voalohany tokony atao raha sendra tratran’ny tondra-drano ?
Le projet Implémentation de la Primaquine à dose faible en Afrique ou IMPRIMA est mis en place à Madagascar, plus précisément dans la région Vatovavy. Ce projet consiste à effectuer des recherches expérimentales pour un nouveau médicament contre le paludisme. Selon le professeur Ratsimbasoa Claude Arsène, coordonnateur du CNARP et enseignant chercheur à l’université de Fianarantsoa, les recherches se feront sur 2 ans dans cette région.
Ny tetikasa IMPRIMA na Implémentation de la Primaquine à dose faible en Afrique dia tanterahina eto Madagasikara any amin’ny faritra Vatovavy. Fikarohana mahakasika fanafody vaovao miady amin’ny tazomahery izy ity. Araka ny fanzavan’i Profesora Ratsimbasoa Claude Arsène, mpandrindra ny CNARP sady mpampianatra mpikaroka ao amin’ny oniversiten’ny Fianarantsoa, 2 toana no hanaovana ity fikarohana ity.
La Commission de l’Océan Indien organise un concours photo dans le cadre de la célébration de ses 40 ans. « Pour que chaque voix compte : pour un rôle accru des femmes et des jeunes dans les sociétés », tel est le thème du concours afin de sensibiliser le public sur le rôle important que jouent les femmes dans la vie sociale, publique voire politique. Selon les explications de Alice N’Diaye, directrice auprès du secrétariat de la Commission de l’Océan Indien, les photos peuvent nous montrer à quel point les femmes et les jeunes participent à la vie active dans la société. Le concours est ouvert aux plus de 18 ans, qu’ils soient photographe amateur ou confirmé, résidents ou citoyens des Comores, de La Réunion, de Madagascar, de Maurice, des Seychelles. Les photos lauréates feront l’objet d’une exposition itinérante auprès des États membres de la COI avec d’autres récompenses.
Manatanteraka fifaninana saripika ny « Commission de l’Océan Indien » ao anatin’ny fankalazana ny faha-40 taonany. « Pour que chaque voix compte : pour un rôle accru des femmes et des jeunes dans les sociétés » na ny fanomezan-danja ny toeran’ny vehivavy sy ny tanora ao amin’ny fiaraha-monina mba hanairana indrindra izay toeran’ny vehivavy sy tanora izay indrindra eo amin’ny sehatra sosialy sy politika. Araka ny fanazavan’ny tale ao anivon’ny sekreteran’ny « Commission de l’Océan Indien », afaka mampiseho fa mandray anjara lehibe ao anaty fiaraha monina ny vehivavy sy ny tanora. Misokatra ho an’ireo 18 taona noho miakatra ny fifaninana na efa matihanina na mbola zazavao amin’ny fangalana sary. Mipetraka na olom-pirenena amin’ireto firenena manaraka ireto : Kaomoro, La Réunion, Madagasikara, Maorisy, Seychelles. Haranty any amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny COI ireo sary nahafapo ary mahazo loka mary samihafa ihany koa.
Une grippe peut être traitée avec des antalgiques comme le paracétamol, tandis que le covid nécessite d’un test et d’une consultation chez un spécialiste. Ces deux maladies causées par un virus peuvent pourtant se ressembler au départ, avec des maux de tête et de la fièvre. Toutefois les symptômes du covid sont beaucoup plus intenses et incontrôlables selon Onja et Ando qui en parlent dans cette émission. Il est pourtant difficile de définir la forte grippe qui se propage actuellement. On ne saurait s’il s’agit d’une nouvelle maladie ou du covid selon le Docteur Reine Liliane.
Azo tsaboina amin’ny fanafody mahazatra toa ny paracétamol ny gripa, fa ny covid kosa dia tsy maintsy mandalo fitiliana aloha ilay marary, arahana fitsaboana mitokana. Samy avy amina otrik’aretina avokoa izy roa ireo, ary mitovy ny fisehony any amboalohany, ohatra ny aretina andoha sy ny tazo. Fa mampiavaka ny covid ny hamafin’ny fiatran’ilay aretina amin’ny vatana iray manontolo hoy i Onja sy Ando ato anatin’ity fanadihadiana ity. Sarotra anefa ny mamaritra ilay gripa mahery misy amin’izao fotoana. Tsy fantatra na aretina vaovao izy io na covid ihany hoy ny Dokotera Reine Liliane.
A la veille de la fête de l’indépendance, les divers lampions malgaches, notamment en papier plissé, ont connu leur moment de gloire. Mais depuis près de dix ans maintenant, ils ont été remplacés par les jouets lumineux chinois. C’est un pur déclin de modernité de notre côté affirme Evariste et Tahiry, tous deux journaliste. Pour l’historien Julien, c’est la tradition elle-même qui n’est plus considérée de la même façon qu’avant. Alors où mène cette concurrence ? On en parle dans Ndao hilaoeky.
Nanana ny lazany ny fitondrana ny harendrina malagasy, ilay vita amin’ny taratasy, rehefa andro iray mialohan’ny fetin’ny fahaleovantena. Efa ho folo taona anefa izao dia voasongon’ny kilalao misy jiro vita sinoa izy ireny. Miemotra ara-pivoarana isika noho izany, hoy i Evariste sy Tahiry, samy mpanao gazety. Ho an'i Julien mpahay tantara indray, dia ny fomban-drazana nanomezana lanja ny harendrina mihitsy no niova taty aorina. Dia mitondra aiza anefa ilay fifaninana ara-barotra ? Resahantsika ato anaty Ndao hilaoeky ny momba izay.