COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

Andrea Razafi

Andrea Razafi

Rien de nouveau chez les fumeurs, ils savent que leurs ongles jaunes proviennent de la nicotine. Mais ils ne sont pas les seuls, un diabétique connait également ce changement. La jaunisse et le vernis à ongles ne sont pas à exclure non plus. Quoi qu’il en soit, sachez qu’avoir des ongles qui changent de couleur signifie que vous n’êtes pas en bonne santé. Mais seul un médecin peut vous le confirmer. En attendant, veillez à les garder toujours propres, et utilisez du bicarbonate de soude pour les nettoyer.

Tsy zava-baovao amin’ny mpifoka sigara ny fiovan’ny lokon’ny hohony ho lasa mavomavo. Fa tsy izy ireo ihany anefa, fa voakasik’izany koa ireo voan’ny diabeta. Ny jaunisse na tazovony sy ny fanosorana vernis koa dia mahatonga ny fiovan’ny lokon’ny hoho. Fantaro fa matoa miova ny lokon’ny hohonao dia tsy salama izay ianao. Ny mpitsabo ihany anefa no afaka manamarina ny mahazo anao. Fa ny azonao atao ao antrano aloha, dia ny manadio azy foana, ary mampiasà karbonetra amin’izany.

Quand on parle de morsure d’animaux, ce sont les chiens qui viennent en tête en premier. Mais même si nous n’en possédions pas, n’oublions pas que leurs attaques peuvent surgir à tout moment et n’importe où. Comme le cas de Ando attaquée par un chien errant, qui en témoigne dans ce reportage.

Et pour ceux qui sont fans de ces animaux, on vous rappelle quand même de les faire vacciner contre la rage une fois par an. Toutefois en cas de blessure, toujours se rendre à l’Institut Pasteur, et aussi pour vérifier si la personne mordue est atteinte du virus de la rage, de même pour le chien. A l’appui, l’explication du Docteur Ramanantsoa Tahina.

Rehefa miresaka kaikitra biby isika, dia ny kaikitry ny alika no tonga ao antsaina voalohany. Fa na tsy manana alika aza isika, dia tokony ho mahana foana rehefa mahita azy ireny mirenireny eny rehetra eny. Toy ny nahazo an’i Ando izay tsy nanampo fa voakaikitry ny alika nirenireny. Mitantara izy ato anatin’ity fanadihadiana ity.

Fa ho an’ireo tia itony biby itony indray, dia ampahatsiahivina ihany ianareo ny tokony hanaovana vaksiny miady amin’ny haromontana azy ireny in-dray isan-taona. Raha voakaikitra ary ny olona iray, dia manantona avy hatrany eny amin’ny Institut Pasteur, ary hamarinina eny ihany koa raha voan’ny haromontana ilay alika sy ilay olona. Manampy fanazavana ny Dokotera Ramanantsoa Tahina.

De la manipulation, au sadisme envers ses victimes, un pervers narcissique peut pourtant paraître innocent au premier abord. L’origine de ces actes purement réfléchis, provient souvent d’une maltraitance durant son enfance. Ce responsable inconscient s’en sert ensuite pour se venger sur son entourage. Son égoïsme démesuré provoque alors un sentiment de renfermement sur sa victime. La seule solution c’est de le fuir. Cependant, le pervers narcissique a besoin d’un soin psychique, selon le psychologue Holitiana Rajaonarivony.

Manomboka amin’ny fanodikodinana ny sain’ny hafa, hatramin’ny fanambaniana sy fanaovana tsinotsinona, ireo no hamantarana ny pervers narcissique, izay mazana tsy ety amin’ny endrika ivelany. Avy amin’ny herisetra nahazo azy fony fahakely no mahatonga azy hanao izany. Hainy fa mankarary ny hafa izany fihetsika ataony izany, fa tsy manana saina hanajanona izany izy fa vao maika ary mitondra fahafinaretana ho azy izany. Lasa miforotra anaty noho izany ilay olona hampiharany azy. Ny hany vahaolana dia ny miataka aminy. Mila fitsaboana ara-tsaina ny pervers narcissique hoy ny psychologue Holitiana Rajaonarivony.

mercredi, 28 février 2024 07:46

Les substituts de la viande

La viande, qu’elle soit blanche ou rouge est source de protéines, des nutriments essentiels pour garantir notre équilibre alimentaire. On peut remplacer la viande par quoi ? Il y a d’autres substituts comme le soja, les légumineuses et d’autres.

La viande, qu’elle soit blanche ou rouge est source de protéines, des nutriments essentiels pour garantir notre équilibre alimentaire. On peut remplacer la viande par quoi ? Il y a d’autres substituts comme le soja, les légumineuses et d’autres.

mercredi, 28 février 2024 07:15

Le Journal du 27 Février 2024

  • L’ordre des médecins dénonce des cas de castration hors-la loi
  • Projet de loi sur l’accès à l’information à caractère public, quels enjeux pour la population
  • Un salon économique rassemblera une centaine d’acteurs à Toamasina cette année

  • Manaitra momba ireo mpamositra tsy ara-dalàna ny olafitry ny mpitsabo
  • Lalana mifehy amin’ny fidirana amin’ny torohay eny anivon’ireo sampandraharaham-panjakana, ireo lokanady ho an’ny daholobe
  • Mpisehatra anjatony no handray anjara amin’ny fampirantiana ara-toekarena any Toamasina

mardi, 27 février 2024 13:03

Le Journal des régions du 27 Février 2024

  • Soavinandriana Itasy reçoit 450 000 jeunes cafetiers
  • Ambalavao : l’association Ampela Mivoatsa ont reçu des semences et des matériels agricoles
  • Toamasina : une formation sur les métiers du web a été dispensée à 200 jeunes

  • Zanaka kafe miisa 450 000 no nomena ho volena ao Soavinandriana Itasy
  • Ambalavao : nomena masomboly sy fitaovana hambolena ny Fikambanana Ampela mivoatsa
  • Tanora miisa 200 tao Toamasina no nomena fiofanana momban’ny « Métiers du web »
mardi, 27 février 2024 11:39

Le Journal des régions du 23 Février 2024

  • Toliara : les médicaments pour traiter la conjonctivite bactérienne sont actuellement disponibles dans tous les CSB II
  • Région Vakinankaratra : les travailleurs indépendants vont bientôt avoir accès à la protection sociale
  • La saison de pêche de crevettes 2024 commencera ce 1er mars 2024

  • Areti-maso : efa misy fanafody avokoa ny CSB II rehetra ao an-tampon-tananan’ny Toliara
  • Vakinankaratra : hisitraka fiahiana ara-tsosialy ny mpiasa-tena
  • Jono Makamba : hisokatra ny 01 martsa izao
mardi, 27 février 2024 11:33

Le Journal des régions du 22 Février 2024

  • La Journée mondiale des droits de la femme est célébrée cette année à Toamasina
  • Toliara : les médicaments utilisés pour traiter la conjonctivite bactérienne sont insuffisants
  • Il y aura une journée portes ouvertes dans tous les hôpitaux de districts du pays

  • I Toamasina no handray ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy amin’ity taona ity
  • Tsy ampy ny fanafody itsaboana ny areti-maso ao Toliara
  • Hisy tolotra ara-pahasalamana eny amin’ny Hopitalin’ny distrika manerana ny Nosy
mardi, 27 février 2024 11:23

Le Journal du 26 Février 2024

  • Lutte anti-polio à Madagascar : atteindre au moins 80% de couverture vaccinale pour interrompre la transmission du virus
  • Coopération Union Européenne – Madagascar : une enveloppe de 325 millions d’euros pour la programmation 2021-2024
  • Ambohimanga Rova : une « vitrine floristique endémique » bien remplie dans 5 ans

  • Ady amin'ny lefakozatra : manakana ny fifindran’ny aretina ny fandrakofana hatramin’ny 80% ny fanaovam-baksiny ny mponina
  • Fiaraha-miasa eo amin’ny vondrona Eoropeana sy Madagasikara : mitentina 325 tapitrisa euro ny teti-bola hoan’ny fandaharanasa 2021-2024
  • Ambohimanga Rova : ho feno karazan-kazo ny « vitrine floristique endémique » afaka dimy taona

mardi, 27 février 2024 10:28

Le Journal du 23 Février 2024

  • Evaluation de la pauvreté à Madagascar : 75.2% des malgaches vivent avec moins de 4000 Ar par jour en 2022
  • Une première édition de la foire internationale de l’artisanat prévu au mois de juin
  • La prévention des violences et harcèlement envers les femmes journaliste continue avec le Projet MANDA

  • Fanombanana ny fahantrana eto Madagasikara : miaina amin’ny latsaky ny 4000 Ar isan’andro ny 75.2% ny malagasy tamin’ny taona 2022
  • Hisy ny foara iraisam-pirenena ho an’ny asa-tanana ny volana jona izao
  • Mihena ny mpanjifa kafe sy mofo vokatry ny fiakaram-bidy

Une des étapes qui nous tient à cœur est d’avoir une maison où vivre, sans ne le louer ni la partager avec d’autres. Il y aura un profond sentiment de joie lorsque la maison sera terminée. Il existe de nombreuses méthodes et pratiques que l’on entend partout lorsqu’il s’agit d’inaugurer la maison.

Mais comment ? Miolampandry, orateur et traditionaliste, nous l'explique.

Isan’ny dingana iray manan-danja amintsika ny fananana trano honenana an’ny tena manokana tsy manofa na hitambarana amin’ny hafa. Hahatsapana hafaliana lalina rehefa hoe iny fa vita ilay trano. Marobe ny fomba sy fanao izay henontsika eny rehetra eny rehefa hoe hitokana an’ilay trano avy eo. Ahoana anefa no fomba? I Miolampandry, mpikabary no sady mpandala ny fomban-drazana no hanazava amintsika an’izany.

Construit dans l'obscurité de la lune, faite entièrement de pierre, vérifié si le moment où l’on construit la tombe n’entre pas en conflit avec la chance du propriétaire, il existe de nombreux rituels que les gens disent devoir faire lorsqu'ils construisent une tombe. Il y a aussi le fait de déposer un bananier en premier dans la tombe, sinon il y aura beaucoup de mort dans la famille.

Les familles malgaches ont leur propre vision et mise en œuvre des méthodes et traditions qui ont été laissées autour de la construction des tombes. Mais comment cela se passe-t-il réellement et historiquement ? Ranjatohery Harilala, professeur d'histoire et académicien nous expliquera.

Aorina maizim-bolana, atao amin’ny vato iray maontolo, jerena sao mifanipaka amin’ny vintan’ny tompony, maro ireo fombafomba izay lazain’ny olona ho fanao rehefa hanorina fasana. Eo ihany koa ilay hoe asiana vatan’akondro aloha eo amin’ny fandriana raha tsy izay misintona ny fasana ka lasa misy fahafatesana lavareny eo amin’ny fiaiannkaviana.

Samy manana ny fandraisany sy ny fanatanterahany ny fomba sy ireo izay lovan-tsofina tavela manodidina ny fanamboarana fasana ireo fianankaviana malagasy. Fa ahoana kosa ary no tena izy ara-tantara ?  Ranjatohery Harilala, mpampianatra tantara no sady akademisiana no hanazava amintsika ny mahakasika azy io.

Quand on dit « Rasta » ce qui vient à l’esprit des malgaches sont ceux qui portent des tresses ou des dreadlocks. Mais qu’est-ce que cela veut dire réellement « rasta » ou « Rastafari ? Le rastafari est un mouvement religieux et politique né en Jamaïque dans les années 1930 et adopté par de nombreux groupes à travers le monde. Il combine le christianisme protestant, le mysticisme et une conscience politique panafricaine. Kheman, un artiste adepte de cette culture nous en dit plus dans l’émission Sandrify.

Raha vao miteny hoe “rasta” dia matetika olona mirandrana na ilay manao dreadlocks ireny no ao an-tsaintsika. Fa inona marina anefa ilay atao hoe Rasta na Rastafari. Raha fintinina kely dia hetsika ara-pinoana sy ara-politika ny rastafari izay teraka tany Jamaika tamin’ny taona 1930 ary misy antokon’olona manaraka manerana an’izao tontolo izao. Atambany ao avokoa ny maha kristaina protestanta ny finoana manome vahana ny fihetseham-po sy tsindrimandry ary ny fahatsapan-tsaina ara-politika iraisan’i Afrika. I Kheman, mpanakanto no mandala an’io kolontsaina io ihany koa no hanazava misimisy kokoa amintsika ny mahakasika azy io ato amin’ny fandaharana Sandrify.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter