COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

Andrea Razafi

Andrea Razafi

Les îles Barren, un archipel composé de 9 îles et de plages siégées dans la région Melaky, ont été classées en tant qu’Aire marine protégée de statut provisoire depuis 2012. Conscient de l’importance de leur préservation, l’ONG Blue Ventures est leur cogestionnaire en collaboration avec la communauté des pêcheurs locaux. La surpêche et les exploitations minières sont parmi les menaces que subissent ces îles actuellement, selon Naly Rakotoarivony de Blue Ventures. Une fois qu’ils ont un statut officiel d’Aire protégée, les mesures de protection seront renforcées, mais cela va aussi promouvoir l’écotourisme.

Fitambarana nosy kely 9 sy toram-pasika ao amin’ny faritra Melaky no manome ny faritra arovana Nosy Barren. Nanomboka ny taona 2012 ny ONG Blue Ventures no niara-nitantana izany tamin’ireo vondron’ny mpanjono ifotony. Ny fisiana fanjonoana be loatra sy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany no isany ambana mahazo ireto Nosy ireto hoy i Rakotoarivony Naly, avy amin’ny Blue Ventures. Hahamafy kokoa ny fiarovana ny fametrahana azy ho faritra arovana ofisialy, ary hampiroborobo ny fizahan-tany miaro ny tontolo iainana ihany koa.

mardi, 13 février 2024 05:57

Les investissements dans l'environnement

Abondance des investissements dans le secteur environnemental à Madagascar : un atout ou une menace pour l’environnement ? Lors du débat, le professeur Jonah Ratsimbazafy, président du GERP Madagascar a affirmé que cela devrait servir d’atout pour à la fois améliorer la conservation de la nature et promouvoir l’économie locale. Du point de vue de Anja Radoharinirina, présidente du plateforme AIKA Alliance, l’affiliation d’un acteur environnemental à des ONG part d’un engagement et ne devrait donc pas être confondu avec le business. Pour sa part, Mboahangy, chef de projet de Green Art SOA remarque que l’abondance des projets rend les communautés locales plus dépendantes, leur encourageant à penser plus à leur intérêt personnel qu’à la conservation de l’environnement.

Firoborobon’ny sehatr’asa manodidina ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara : tombony sa ambana ho an’ny tontolo iainana ? Nilaza ny profesora Jonah Ratsimbazafy nandritra ny ady hevitra fa tokony ho tombony ary hamporisihina aza izany raha hay ny mitantana azy araka ny tokony ho izy mba ho fanatsarana ny fikajiana ny natiora, no sady tombony ho an’ny toekaren’ny firenena ihany koa. Tsy ratsy ny manao fidiram-bola amin’io sehatra io saingy tokony hampiarahana amin’ny « business » kosa ny fananganana ireny ONG ara-tontolo iainana ireny araka ny hevitr’i Radoharinirina Anja, avy amin’ny AIKA Alliance. Isany ambana amin’ny fahabetsahan’ireo tetik’asa ihany koa ny fiankinan-doha be loatran’ ireo mponina ka mahatonga azy ireo tsy hievitra afa-tsy ny tombontsoany manokana mialohan’ny fiarovana ny tontolo iainana hoy i Mboahangy, avy amin’ny tetik’asa Green Art SOA.

lundi, 12 février 2024 13:17

Le Journal des régions du 12 Février 2024

  • Un animal inconnu a mordu 11 moutons à Miandrivazo
  • Un dialogue s'est instauré entre le gouverneur et la population à Ihosy
  • Les 164 pêcheurs illégaux ont déjà fait leur retour à Antsiranana

  • Miandrivazo : ondry miisa 11 no maratra nokaikerin’ny biby tsy fantatra
  • Ihosy : nanao dinika mivantana ny vahoaka sy ny governora
  • Efa naverin’ny fanjakana Seychellois ao Antsiranana ireo mpanjono miisa 164
lundi, 12 février 2024 08:24

Le Journal du 09 Février 2024

  • Loi sur la castration chimique et chirurgicale des violeurs : l’Amnesty international réagit
  • Limitless : un concours de projet sur l’environnement
  • Prévenir le choléra : chacun devrait faire attention à l’utilisation de l’eau
  • Electricité : les ménages adoptent différents moyens pour réduire la consommation

  • Làlana momba ny fanapahana fitaovam-pananahan’ireo mpanolana : naneho hevitra ny Amnesty international
  • Limitless : fifaninanana tetikasa momba ny tontolo iainana
  • Fisorohana ny Choléra : mila mitandrina amin’ny rano ampiasaina ny tsirairay
  • Manao izay azo atao ny tokantrano mba hanenana ny vola lany amin’ny herinaratra

lundi, 12 février 2024 07:23

Le Journal des régions du 10 Février 2024

  • Un navire de croisière est arrivé à Antsiranana
  • 164 pêcheurs clandestins sont interceptés des côtes seychelloises
  • Une vedette commerciale a échoué dans le canal de Pangalane à Vinany Ampaona, commune Ambohitsara Est

  • Sambo lehibe mpitondra mpizahantany iray indray no tonga tao Antsiranana omaly
  • Mpanjono tsy ara-dalàna 164 no trahatehaky ny mpiandry sisintany seychellois
  • Lakana mpitondra entana rendrika tao amin’ny lakandranon’ny Pangalane tao Vinany Ampaona kominina Ambohitsara Est
lundi, 12 février 2024 06:42

Le Journal des régions du 09 Février 2024

  • Le pont Mangoro a été officiellement inauguré
  • Dans la Région Androy, on a mis en place deux « Sahan'ny ankizy » par commune
  • Cette année, 11 croisières ont été passées à DIANA dans le domaine du tourisme

  • Vita ka notokanana androany 9 febroary ny tetezan’i Mangoro
  • Kominina miisa roa isak’ireo distrika ao anatin'ny Faritra Androy no nametrahana ny "SAHAN'NY ANKIZY"
  • Fizahan-tany DIANA : sambo miisa 11 no tonga tany tamin’ity 2024
lundi, 12 février 2024 06:18

Le Journal des régions du 08 Février 2024

  • La sélection des dossiers pour la gestion des machines de transformation de manioc en farine sera pour bientôt
  • Le camion-citerne qui approvisionne de l’eau est arrivé dans le centre Akany Marosoa, Marofoty, Ambovombe Androy
  • Face à l’insécurité, les miniers de Maevatanana appellent à l’aide
  • Presque 200 jeunes à Toamasina se sont inscrits au concours de la plaidoirie

  • Tsy ho ela ny fifantenana izay hitantana ny milina mpanodina mangahazo ho lasa lafarinina
  • Tonga ao amin’ny Akany Marosoa, Marofoty, Ambovombe Androy ny camion-citerne nitondra rano madio
  • Miantso ny hiarovana azy ireo, ireo mpitrandraka volamena ao Maevatanana manoloana ny tsy fahadriam-pahalemana
  • Manodidina ny 200 ireo tanora mpianatra ao Toamasina mandray anjara amin'ny fifaninanana ady sisika

L’école Hotely La Lisière célèbre son 10 eme anniversaire depuis hier et cela va durer une semaine. C’est un établissement qui forme les jeunes de 17 à 23 ans à être professionnels dans l’hôtellerie et la restauration. Steddy Rakotomizao, responsable de la communication de l’établissement, va nous partager les avantages et les opportunités pour les jeunes dans ce projet dans notre émission d’aujourd’hui.

Mankalaza ny faha 10 taonany ny sekoly Hotely La Lisière eto Fianaratsoa nanomboka omaly ka aharitra herinandro. Toerana manofana tanora 17 ka hatramin’ny 23 taona, mba ho matihanina eo amin’ny sehatra hôtellerie sy asa lakozia. Hanazava ny tombotsoa azon’ny tanora amin’ity tetik’asa ity i Steddy Rakotomizao, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny sekoly, ato anatin’ny fandaharana.

vendredi, 09 février 2024 06:50

La conception de la richesse pour les malgaches

Une locution malgache définit l’enfant comme une richesse, une richesse immatérielle bien sûr. Selon la médiateur culturel Tiane Ramonjison, l’enfant est richesse parce qu’il assure la continuité de la vie. A part cela, Cerveau Kotoson, enseignant à l’université d’Antsiranana nous parle des bœufs et des terres. Ceux-là étant des richesses matérielles. Quant à Luc Narda, Anthropologue et assistant de l’« ampanjaka » du Boeny, il insiste sur le fait que l’âme est également une richesse pour les malgaches. Sans l’âme, l’être humain ne serait pas un Homme.

Misy fomba fitenenana malagasy izay miteny fa hoe « harena ny zanaka ». Harena tsy ara-materialy noho izany. Azavain’ny mpisera ara-kolontsaina Ramonjison Tiane amintsika fa noho io zanaka io antoky ny fitohizan’aina no maha harena azy. Ny omby sy ny tany ihany koa dia harena araka ny fanazavan’i Cerveau Kotoson, mpampianatra any amin’ny oniversiten’Antsiranana. Raha ny fanazavan’i Luc Narda, mpahay olona sady mpanampy ny ampanjakan’i Boeny, ao anatin’izany harena izany ihany koa ny fanahy. Satria amin’ny Malagasy, ny fanahy no maha olona.

Le “moraingy” est le nom d’une percussion. Cette percussion a été faite pour donner le rythme aux deux adversaires, comme la capoeira. C’est pour cette raison que le nom de la percussion a été donné à l’art martial. Selon les explications de Ricardo Beance Hery, pratiquant de cet art, il existe un régime et un style de vie particuliers pour ceux et celles qui font du moraingy. Parfait Rakotonindrina, un autre pratiquant, démontre deux catégories de moraingy à Madagascar. Le moraingy avec seulement le coup de poing, pratiqué dans l’Ouest et celui avec à la fois le coup de poing et le coup de pied, pratiqué dans le Nord-Ouest et le Sud.

Fanantanjahan-tena haiady nentim-paharazana ny moraingy. Anarana amponga izany moraingy izany, ary nomena io anarana io ilay haiady satria amin’ny alalan’io amponga io no nentina nanomezana gadona ilay haiady toa ohatran’ny dihy, ka izay no nanomezana azy ny anarana hoe “moraingy” ihany koa. Arakany fanazavan’i Ricardo Beance Hery, mpanao izay haiady moraingy izay, misy fanazaram-batana sy fomba fisakafoana manokana rehefa manao moraingy. I Parfait Rakotonindrina, mpiangaly fanatanjahan-tena haiady kosa manazava ireo karazana moraingy misy eto Madagasikara. Misy karazany roa ny moraingy eto amintsika : moraingy mamely totohondry, moraingy mamely totohondry sy daka. Any andrefana ilay mpamely totohondry fotsiny. Avaratra andrefana sy ny any atsimo no mpanao ilay misy daka.

jeudi, 08 février 2024 13:37

Le Journal du 08 Février 2024

  • Des partis dans le collectif des 11 candidats participeront aux élections législatives et communales
  • Violence envers les enfants en ligne : des cybercafés de la capitale prennent des mesures
  • Service passeport : la prise de rendez-vous en ligne est momentanément suspendue
  • Les massacres recommencent à l’est de la RDC

  • Handray anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny tanana ny antoko sasany ao amin’ny vondron’ny kandida
  • Herisetra atao amin’ny zaza amin’ny tranokala : efa mandray andraikitra ny sasany amin’ireo « cybercafé » eto Andrenivohitra
  • Sampandraharaha misahana ny fikarakarana pasipaoro : mihato kely ny fakana fotoana an-jotra
  • Miverina indray ny herisetra ao atsinanan’ny RDC

jeudi, 08 février 2024 13:33

Le Journal du 07 Février 2024

  • Les députés ont presque épuisé le crédit d’investissent destiné à l’appui au développement
  • Enseignement technique et formation professionnelle : le ministère avance sa demande de partenariat
  • 07 Février 2009 : la démocratie est encore mise en question
  • Le stade Barea sera fermé pour cause d’entretien

  • Saika efa lany avokoa ny sorabola natokana ho fanohanana ny fampandrosoana ho an’ny solombavambahoaka.
  • Fampianarana teknika sy fampiofanan arak’asa : niroso tamin’ny fangatahana fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny ministera
  • Raharaha 07 feboary : samy manana ny fahitany ny demokrasia ireo mpitari-tolona ankehitriny
  • Mbola mikatona ny kianjan’i Barea noho ny asa fanamboarana

Le bateau Logos Hope accostera le port de Toamasina à partir ce vendredi jusqu’au 12 décembre. Pour cette année, c’est la première fois qu’un roman en malgache Diary Nofy y sera vendu et disponible pour la lecture également. Nous allons en parler dans notre émission Question A d’aujourd’hui et c’est Mioraniaina Johane, Story Time Manager qui est notre invité.

Handalo ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina manomboka amin’ny zoma izao ilay sambo fivarotana sy famakiana boky Logos Hope. Hijanona ao hatramin’ny 12 desambra. Miavaka kely ny fandalovany amin’ity indray mitoraka ity satria sambany ahitana boky amin’ny teny malagasy ao, ilay amboaran-tantara Diary Nofy, izay ho fantarintsika ato amin’ny fandaharana Hono Ho Aho androany. Ka i Mioraniaina Johane, Story Time Manager no vahinintsika amin’izany.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter