Le sorgho est une céréale comme le maïs, le riz, le blé et l'orge. C’est une plante herbacée, très répandue à l’état sauvage sous les climats tropicaux et subtropicaux. Elle résiste aux changements climatiques. Dans la partie Sud-Est du pays, des paysans en cultivent et nous partagent les processus de culture et leur consommation.
Voamadinika mitovitovy haavo amin’ny katsaka ny apemba. Maniry any amin’ny tany maina na dia eo aza ny fiovan’ny toetr’andro. Ny mponina amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy dia efa mamboly azy ity. Mizara ny fomba fambolena sy ny fihinanany ampemba ity tantsaha iray avy any Amboasary ity.
Les fruits contribuent au bon fonctionnement de notre organisme. Nous sommes actuellement en pleine saison de récolte de divers fruits comme le melon, pastèque mangue, ananas, litchi... Voici quelques recommandations pour faciliter la digestion de ces fruits et leur manipulation.
Vanim-potoana ahitana voankazo betsaka sy maro karazana amin’izao. Isan’izany ny manga, litchi, mananasy, votango, paiso sy ny maro hafa koa. Mitondra voka-tsoa ho an’ny fahasalamana ny fihinanana azy ireny fa mila fitandremana ihany koa ny fikirakirana azy mba ho ara-pahasalamana hatrany.
Connu pour la suppression temporaire de la douleur durant une intervention chirurgicale. L’anesthésie facilite la procédure médicale. Mirana Ravallison, anesthésiste nous partage ce qu’il faut savoir sur l’anesthésie dans notre émission Santénakà.
Fanalana fanaitainana matetika no fahafantaran’ireo mararay ny anesthésie. Misy olona tsy handairana anesthésie ve ? Inona avy ireo tsara ho fantatra momba ny toem-pahasalaman’ny olona iray mialoha ny ampiasana ny anesthésie. Ireo tsara ho fantatra mahakasika ny anesthésie sy ny fampiasana azy ary ny fitandremana tokony atao amin’ny fahasalamana no resahintsika ato anaty fandaharana Santénakà.
Malgré les progrès, la tradition reste importante pour nous, Malgaches. Les Malgaches se sentent malheureux et tristes s'ils ne peuvent pas faire leur devoir envers les ancêtres, s’ils ne peuvent pas faire le « Famadihana » ou y assister. C'est un moment de joie et les larmes sont interdites.
« Sao-drazana » c’est l’argent qu’on donne en cadeaux à la famille lors du Famadihana. « Lapa » c’est le nom du lieu clôturé en Bâche installé pour la cérémonie, et "Afa-boady sy Nahefa Adidy" sont ceux qui ont accompli le Famadihana et c'est pourquoi ils sont félicités.
Na eo aza ny fandrosoana dia mbola manan-danja amintsika Malagasy ny famadihana.
Mahatsiaro ho ory sy malahelo ny Malagasy raha toa ka tsy mba afaka manao ny adidiny amin’ireo efa lasan-ko razana na tsy mba afaka mandeha amin’ny Famadihana. Fa inona avy ireo atao hoe Famadihana ? Fotoam-pifaliana izy io ka fady ny mandatsa-dranomaso.
Sao-drazana no fiantso ny vola tso-drano atolotra rehefa famadihana, lapa no anaran’ny toerana voafefy jiafotsy na labasy atsangana hanaovana ny lanonana, ary “Afa-boady sy nahefa Adidy” ireo nahatontosa ny famadihana ka izay no iarahabana azy.
Le « Lebaleba » qui consiste à ne pas pleurer la mort des personnes âgées, est une coutume propre à l’ethnie Antambahoaka. Selon Tody Velo Vincent, spécialiste en sorabe dans cette ethnie, ses personnes ont achevé leur devoir dans ce monde, lorsqu’ils ont atteint un certain âge, notamment à partir de 80 ans. Ça devrait donc être une réjouissance plutôt qu’un malheur.
Le « Sambatra » est une forme de circoncision pratiquée dans cette même ethnie. Celui-ci n’a lieu que tous les 7 ans. Parmi ses spécificités, tout garçon non circoncis doit passer à cette phase, peu importe son âge.
Hafa kely ny fomba atao rehefa misy ray aman-drenibe maty ho an’ny foko Antambahoaka. Atao “Lebaleba” hoy ny fiantson’izy ireo azy. Araka ny fanazavan’i Tody Velo Vincent, mpahay sorabe, mpahay fomba sady katibon’ny foko Antambahoaka dia tsy hitomaniana ny fatin’ireto farany, tsy andrasana toy ny atao amin’ireny fiandrasam-paty mahazatra ireny ihany koa fa tokony heverina ho zavatra tsara sy tokony hahafaly izany satria nahavita be izy manomboka eo amin’ny faha 80 taonany eo.
Endrika famorana manana ny maha izy azy any Mananjary ny Sambatra. Isaky ny fito taona no hanaovana azy io ary tsy ny zazalahy irery ihany no voakasika fa ireo rehetra mbola tsy voafora, eny fa na efa lehibe aza. Ny taona 2021 no nisy Sambatra farany ary tsy hiverina izany raha tsy ny taona 2028 indray.
Reportage
Un million de jeunes plants, c’est ce que produit la pépinière d’Analamanga chaque année, d’où son nom pépinière géante. Avec plus de 40 espèces d’arbres, cette dernière contient surtout des arbres à croissance rapide comme le frêne. L’objectif étant de combler les besoins aux bois d’énergie. Un entretien régulier se fait sur les lieux et la plantation des pépinières suit des étapes bien définies pour arriver à une telle quantité de production.
Interview
La 28ème conférence des nations unies sur le climat ou COP28 a eu lieu du 30 novembre au 12 décembre dernier à Dubaï. Elle a regroupé plus de 100 000 délégations venant de plus de 100 pays, dont Madagascar. Lors de cette édition, la plateforme Aika a relevé comme défit l’envoie des jeunes délégués venant de plusieurs régions différentes, qui n’y ont jamais participé. Ces jeunes ont eu une opportunité de formation en guise de préparation à cet événement, une chance que les anciens délégués n’ont pas pu avoir, selon Kathia Mahery Rakotonirina, coordonnatrice de la plateforme.
DIY
Sachez que les capsules sont aussi bien recyclables que les bouteilles en plastiques. Une bonne idée est d’en faire des jouets, comme des petites chenilles, pour ceux qui ont des petits chez eux.
Reportage
Zanan-kazo iray tapitrisa eo no vokarin’ny tanin-janakazon’Analamanga isan-taona, izay nahatonga ny anarany ho tanin-janakazo goavana. Karazan-kazo 40 no vokarina ao, isany tena betsaka ao ny hazo maniry haingana toy ny “frêne”. Tanjona ny hamenoana ny filan’ny olona ireo hazo mamokatra angovo. Mila asa fikarakarana isan’andro ity toerana ity, ary manaraka dingana maro ny fambolena ireo zanan-kazo mba hanatrarana ny tanjona amin’ny famokarana.
Interview
Ny 30 novambra hatramin’ny 12 desambra no niatrehan’ireo firenena an-jatony, hivondronan’ny delegasiona maherin’ny 100 000 any Dubaï, ny zaikabe faha 28n’ny firenena mikambana momba ny fiovaovan’ny toetr’andro na COP 28. Ezaka napetraky ny vovonana ara-tontolo iainana AIKA ny fandefasana tanora malagasy mbola tsy nanatrika COP mihitsy amin’ity andiany ity. Nahazo fiofanana manokana ho fanomanana izany ireto farany, tombony lehibe izay tsy nananan’ireo andiany teo aloha, hoy i Kathia Mahery Rakotonirina, mpandrindra ny vovonana.
DIY
Fantaro fa toy ny vatany ihany, dia tsy voatery ariana foana ireny sarona tavoangy ireny fa azo angonina tsara ary hanamboarana kilalao maro isan-karazany ho an’ny ankizy. Sary fanday kely na chenille izao ohatra iray.
Le premier tour à l’élection présidentielle malgache aura lieu le 16 novembre 2023. Les candidats auront l’occasion de présenter leur programme un mois à l’avance. Comment est-ce que les débats présidentiels peuvent influencer le vote des citoyens ? Selon l’avis du politologue Durlin Retoniagne, la campagne électorale à Madagascar est encore loin de suivre les normes, et les débats entre candidats s’avèrent rares. Pour le coordonnateur de Youth an Citizens for Integrity (YCI) Mickael Rakotomalala, nous devons apprendre à voter un candidats en se basant sur ses idéologies, non sur les côtés matériels.
Ny 16 novambra 2023 ny fifidianana ho filoham-pirenena Malagasy. Manana fahafahana hanao fampielezan-kevitra mandritra ny iray volana ireo kandida talohan’izay. Endrika iray amin’izany ny fanehoan-kevitra amin’ny alalan’ny fanaovana ady hevitra. Misy fiantraikany amin’ny safidin’ireo olom-pirenena ve izy ireny? Niresaka mikasika izay tato anatin’ny ndao hilaoeky ny mpahay politika Durlin Retoniagne sy ny mpandrindra ny fikambanana YCI Madagascar Rakotomalala Mickael.
Le Collectif des jeunes engagés des OSC’s des jeunes engagés Atsimo Andrefana ou COJEAA organise le concours « Voice for Nature ». Il s’agit d’un plaidoyer environnemental qui se décline en une courte vidéo ou un podcast d’une durée de trois à cinq minutes pour convaincre les dirigeants de l’importance de l’environnement.
Il s'adresse à tous les jeunes de 18 à 35 ans sur tout Madagascar amoureux de l'environnement et de la nature. En raison de la forte demande et du désir des jeunes qui ont envoyé de nombreux messages privés sur la page, le concours a été reporté au 7 janvier.
Mahatao Jean Fidison, président du Collectif des OSC’s des jeunes engagés Atsimo Andrefana ou COJEAA, nous explique la compétition dans l’émission Hono ho aho.
Mikarakara fifaninanana haitaky ny Collectif des OSC’s des jeunes engagés Atsimo Andrefana na ilay hoe COJEAA. « Voice for Nature » no anaran’io fifaninanana io. Haitaky ara-tontolo iainana izy io izay atao anaty horonan-tsary fohy na Podcast maharitra telo hatramin’ny dimy minitra handresena lahatra ireo mpitondra amin'ny maha zava-dehibe ny tontolo iainana.
Natao ho an'ny tanora rehetra manerana an'i Madagasikara 18 hatramin’ny 35 taona izay tia ny tontolo iainana sy natiora izy io. Nohon'ny fangatahan'ny be sy ny maro sy ny hetahetan’ireo tanora izay nandefa hafatra miafina marobe tao amin'ny pejy dia nahemotra hatramin’ny 7 janoary ny fifaninanana.
Mahatao Jean Fidison filohan’ny Collectif des OSC’s des jeunes engagés Atsimo Andrefana na COJEAA no manazava ny fifaninanana anatin’ny Hono ho aho antsika.