COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

Andrea Razafi

Andrea Razafi

7 février 2009 - 7 février 2020, 11 ans de la tuerie d'Ambohitsirohitra.

Un journaliste a été tué lors de cet évènement. Il est mort en faisant son travail. Tous les mystères autour de cette tuerie ne sont pas encore résolus. Mais ce qui nous interesse c'est la situation du journaliste face à des cas comme celui-là. Les limites des risques qu'il peut prendre ? Et quels sont les bons reflexes à adopter dans la cohue.



7 febroary 2009 – 7 febroary 2020, feno 11 taona androany ilay hetsika nahafatesana olona teny Ambohitsirohitra.

Isan’ny namoy ny ainy tamin’izay savorovoro izay ny namana mpanao gazety iray. Lavo teo am-panaovana ny asany tokoa ny tovolahy satria teo am-pitaterana ny vaovao izy no voatifitry ny bala.

Tahaka ny tranga rehetra tamin’io fotoana io dia mbola mijanona mistery ny nahazo ity namana ity. Tsy hamoha fota-mandry akory fa miezaka manontany izahay ankehitriny hoe ahoana tokoa izany asan’ny mpanao gazety indrindra rehefa ao anatin’ny toe-javatra mafana tahaka ireny ? Hatraiza ny risika ho an’ny mpanao gazety eo am-panaovana ny asany ary inona ny fihetsika tokony hatao rehefa miatrika savorovoro.

Le SECES font des grèves incessantes. Mais est-ce qu'il existe des lois qui dictent la grève des syndicats ? Les limites des ces grèves ? Puisque cela peut avoir des impacts sur le quotidien de la population en générale. 



Efa ela ihany ireo sendikan’ ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra  eny amin’ ny oniversitean’ Antananarivo na ny SECES no nitokona. Vao tamin’ ny fiandohan’ ity volana febroary ity no nanaiky hiverina hampianatra ry zareo avy ao @  SECES. Ny fanontaniana mipetraka eto dia hoe misy lalàna ve ny fitokonana sendikaly ? Hatraiza ny fahafahana mitokona ? Satria misy fiantraikany amin’ ny fiainam-pirenena daholo ny fihetsika toy izany.

En 2018, Foodwise, l’entreprise sociale qui lutte contre le gaspillage alimentaire à Madagascar a récupéré 17 tonnes  de nourriture. Pourtant ce sont des plats et des aliments encore consommables mais qui sont destinées à être jetées par les restaurateurs.



Rehefa natambatra ny sakafo ariantsika eto Madagasikara, satria saika simba ho azy na tsy lany akory, dia mahatratra 17 taonina mahery, tamin’ny taona 2018 fotsiny. Ny « Foodwise Madagascar » dia mandray sy manangona an’ireny sakafo ireny no ataony ary mizara azy any amin’ny ankizy tsy manana sakafo avy eo. 

Un étranger doit attendre 10 ans pour obtenir la nationalité malgache avant de pouvoir acheter du terrain à Madagascar. D'autres conditions sont requises pour le cas d'un entrepreneur. Vous pouvez entendre les détails avec Andrianasolo Leon, un juriste, qui a répondu à nos questions.



Mila miandry folo taona ny vahiny iray vao nahazo zom-pirenena malagasy vao afaka mividy tany eto Madagasikara.  Raha mpandraharaha kosa izy dia misy fepetra hafa tokony harahiny. Arahinao ao anatin’ny fanadaharana hono ho aho ny andinindininy momba izay miaraka amin’i Andrimatoa Andrianasolo Leon Mpahay lalàna.

vendredi, 14 février 2020 08:50

Hono ho'aho du 04 février 2020 : Grève SECES

Le SECES a donné un mois pour le Ministère de l'Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique pour répondre à leur demande. En attendant, les cours ont repris mais si la requette n'obtient pas de réponse satisfaisante, le SECES va prendre des mesures plus strictes. 



Iray volana no fe-potoana nomen’ ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra mikambana ao amin’ ny SECES ho an’ ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Siantifika hamaliana ny valin’ny fitakian’izy ireo. Niverina ny fampianarana eny amin’ ny anjerimanontolo  ary ao anatin’ izay fotoana izay dia miandry izy ireo  fa raha tsy mivaly ny fitakiana dia hiditra amin’ ny sehatra ambonimbony kokoa ny SECES.

vendredi, 14 février 2020 08:36

Sifflet du 12 février 2020

Football : Les Barea de Madagascar U20 ont été convié au championnat de football U20 en Arabie Saoudite le 17 février au 5 mars prochain.

Bodybuilding : La formation des techniciens, coach et arbitre pour tous les clubs de Madagascar se tiendront le 27 et 28 février 2020.

Art Martial : Madagascar aura 9 représentants pour le K1 et le pancrace qui se tiendra à La Réunion le 29 février prochain.

Rugby : Les entraineurs ont reçu un certificat pour entraîneur de 3 ème catégorie après la formation donnée par Adama et Olivier Maigne du World Rugby.



Baolina kitra : Voaasa @ fiadiana ny  amboaran’ireo tany Arabo latsaky ny 20 taona ny Barean’i Madagasikara, izay atao any Arabie Saoudite ny 17 Febroary h@ 5 martsa ho avy izao.

Bodybulding : Hisy ny fiofanana ho teknisianina, ho mpitantana ary ho mpitsara izay hatrehan’ireo klioba manerana an’i Madagasikara ny 27 sy 28 febroary 2020.

Tontolon’ny haiady :

Hanana solontena 9 mianandahy ny ekipa Malagasy handeha hiatrika ny K1 sy ny Pancrace , izay atao any La Reunion ny 29 febroary ho avy izao .

Baolina lavalava : Nahazo mari-pahaizana amin’ny mapanazatra sokajy faha 3 azy ireo ny mpiofana taorian’ny tombana nataon’i ADAMA sy Olivier Maigne  izay mpampiofana avy World Rugby.

vendredi, 14 février 2020 08:05

Sifflet du 4 février 2020

Lutte : Les lutteurs malgaches peuvent participer au championnat d’Afrique en Alger. Mais seuls 3 d’entre eux peuvent participer.

Rugby : La première étape de la sélection des entraineurs professionnels pour l’équipe nationale malgache est enclenchée. Ces entraîneurs doivent maîtriser les règles du rugby et doivent avoir le diplôme de niveau 3 délivré par l’une des Fédérations Internationales des Entraîneurs d’équipe nationale.



Taranja tolona : afaka miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Afrika any Alger ihany ny taranja tolona saingy raha tokony ho nanana mpilalao maromaro dia 3 ihany no afaka milalao

Taranja baolina lavalava : Miditra amin’ny dingana voalohany hisafidianana izay ho mpanazatra matihanina ho an’ny ekipam-pirenena ny « Malagasy Rugby ». Mila mahafehy ny taranja rugby sy manana mari-pahaizana « niveau 3 » avy amin’ ny federasiona iraisam-pirenena ny mpanazatra iray raha te ho lasa mpanazatran’ ny ekipam-pirenena.

vendredi, 14 février 2020 07:42

Sifflet du 05 février 2020

Faneva Ima Andriatsima : L’ancien capitaine du club de foot national malgache, les Barea de Madagascar a fait une déclaration dans sa page facebook lundi dernier sur son entente avec FC Abha.

Baolina Kitra : Arnaud Andrianantenaina, membre des Barea issu du Cnaps Sport qui a failli intégrer le Club Grenoble Foot 38 en France, est de retour au pays depuis hier.

Pétanque : La Fédération Sport Boule de Madagascar doit procéder à une nomination pour que le président soit désormais un président élu.  



Faneva Ima Andriatsima : Nanao fanambarana izy teo amin’ny pejy facebook-ny tamin’ny Alatsinainy teo hoe nifanaraka izy sy ny FC Abha fa handao ny klioba eo no eo.

Baolona kitra : Tafody omaly i Arnaud Andrianantenaina, mpilalaon’ny Barea avy tao amin’ny klioba Cnaps Sport, izay saika hifindra any amin’ny Klioba Grenoble Foot 38 any Frantsa.

Tsipy kanetibe : Tsy maintsy miroso amin’ny fifidianana ny eo anivon’ny Fédération Sport Boule de Madagascar, mba ho olom-boafidy amin’izay no hitantana ny federasiona fa tsy olom-boatendry tahaka ny amin’izao fotoana intsony.

vendredi, 14 février 2020 07:33

Journal des régions du 4 février 2020

Manakara : mitokona sy mitondra sorabaventy hatramin’ny omaly ireo mpiasan’ny fari-piadidiam-pampianarana na CISCO ao Manakara satria tsy eken’izy ireo ny lehibe vaovao ao an-toerana.

Sakaraha : Rehefa nande naka rano tamina lava-drano ivelan’ny tanàna ny tovolahy iray 17 taona dia nifanehitra tamin’ny daholo saika handroba tanàna iray.

Maroantsetra : Nisy lakam-by  iray rendrika teo anelanelan’ny Vinanin’Ankandimbazaha sy Antsiranan’i Seta, ny alahady lasa teo.

Morondava : hitarina tokoa ny fonja any Morondava satria misedra olana  ireo voafonja noho ny haterin’ny toerana.



Manakara : Les employés de la circonscription scolaire (CISCO) de Manakara sont en grèves depuis hier.

Sakaraha : un jeune homme de 17 ans a été kidnappé. Il est allé chercher de l’eau dans un puit en dehors de son village.

Maroantsetra : Dimanche dernier, une pirogue qui transportait 6 personnes d’Ambatofotsy, commune d’Ambanitelo, a coulé entre Vinanin’Ankandimbazaha et Antsiranan’i Seta.

Morondava : La prison de Morondava sera rénovée et agrandie vu qu’il y a une surpopulation carcérale dans cette prison.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter