La Haute Cour Constitutionnelle statue sur les contentieux des opérations de référendum, de l’élection du Président de la République et des élections des Députés et Sénateurs. Si elle s’estime insuffisamment informée, elle peut rendre des arrêts ordonnant une enquête ou un supplément d’informations. Si elle déclare la requête recevable par la forme, elle examine par la suite le fond. Elle procède selon le cas : soit au rejet de la requête, soit à la réformation des résultats, soit à l’annulation des opérations des bureaux de vote concernés s’il a été prouvé que les faits ou les opérations contestées ont altéré la sincérité du scrutin et modifié le sens du vote émis par les électeurs. Ou encore, s’il y a eu violation flagrante des dispositions législatives ou réglementaires ou des prescriptions d’ordre public.
Toy ny ahoana ny fitsaran’ny HCC ireo fitoriana manodidina ny fifidianana ?
Ny fitoriana mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka ary ny loholona no tsaran’ny Fitsarana Avo momba ny lalà m-panorenana sy amoahany didy. Raha hitan’ny HCC fa tsy feno ny porofo omena azy ireo dia afaka mamoaka didy hanaovana fanadihadiana misimisy kokoa izy ireo. Rehefa hitany fa azo raisina ny fitoriana, izany hoe mifanandrify amin’ny andraikiny dia miroso amin’ny fandinihana ny votoatiny amin’izay izy ireo. Misy didy maromaro azony raisina arakarak’ilay tranga. Toy ny hoe tsy mitombina ilay fitoriana, raha mitombina indray dia azony atao ny miroso amin’ny fanitsiana ny voka-pifidianana, na fanafoanana ny voka-pifidianana ao amin’ny birao fandatsaham-bato voaporofo fa manohintohina ny fahadiovan’ilay fifidianana na manova ny vokatra marina na mifanohitra amin’ny tokony ho izy ilay tranga.
Tout électeur qui a voté peut contester la manière dont la campagne électorale s’est déroulée dans sa région, ou remettre en cause le déroulement des opérations de vote dans le bureau de vote où il a voté. Les candidats, les listes de candidats, les représentants d’options et les délégués peuvent aussi exercer ce droit. Les contestations peuvent concerner l’irrégularité du processus électoral. Les observateurs nationaux ont le même droit de contester que les électeurs et les candidats dans les bureaux de vote pour lesquels ils sont mandatés.
Iza avy no afaka mametraka fitarainana momba ny fizotry ny fifidianana ?
Izay olom-pirenena ao anaty lisitry ny mpifidy ka nandeha nifidy dia afaka mametraka fitarainana mikasika ny fomba nanaovana ny fampielezan-kevitra tao amin’ny faritra misy azy, na momba ny andron’ny fifidianana tao amin’ny birao nandatsahany vato. Manan-jo hanao izany ihany koa ny kandià , ny lisitry ny kandidà ary ny solontenan’ny safidy iray amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka, mikasika ny fahamarinan’ny zotram-pifidianana. Zon’ny mpanara-maso nasiônaly ihany koa izany, mikasika ny birao fandatsaham-bato nametrahana azy ireo.