La Commission de contrôle du financement de la vie politique a pour mission de contrôler les opérations financières au cours d’un processus électoral. Notamment les dépenses que consacrent les candidats à la présidentielle, législative, sénatoriale ou encore communale. Cette commission a été mise en place depuis 2018 suite au fait que les candidats ont dépensé énormément de fonds pendant l’élection de 2013. Les candidats sont ordonnés par la loi électorale d’avoir un trésorier et rendre compte leur dépense.
Ny vaomiera mpanara-maso ny famatsiam-bola ny fiainana ara-politika dia manara-maso ny fampiasam-bolan’ireo kandidà tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, solombavam-bahoaka, loholona ary ben’ny tanana. Tamin’ny taona 2018 no nananganana azy noho ny fahatsapana fa mihoa-pampana mihotra ny rariny ny vola ampiasain’ny kandida ka mampiahiahy, raha ampitahaina amin’ny isan’ny vato. Didian’ny lalàna hanao tatitra ny fampiasam-bolany ireo kandida. Tsy misy kosa anefa ny sazy na ho an’ny kandidà tsy manao ny tatitra na ho an’ireo izay mampiahiahy ny fampiasam-bolany.
L’ethnie d’Antambahoaka ne peut pas élever des jumeaux. Cela est issu d’une tradition orale. Les parents qui élèvent des jumeaux ne peuvent pas fréquenter le « tranobe » et effectuer les activités qui y sont affiliées. Selon les croyances, si on garde des jumeaux Antambahoaka, les personnes brillantes de la famille mourront. Par contre, si les jumeaux sont élevés par d’autres personnes, ils deviendront brillants à leur tour. Actuellement, l’ethnie Antambahoaka reste flexible par rapport à cette pratique. Selon les explications de Ramose Vivy, notable Antambahoaka, si les parents choisissent de garder les jumeaux, s’il leur arrive des malheurs, ils sont les seuls à être responsables. Il tient aussi à notifier que les Antambahoaka ne tuent pas les jumeaux ni les jettent, ils les mettent dans des maisons d’accueil tout simplement.
Tsy afaka mitaiza kambana ny foko Antambahoaka. Lovan-tsofina no niaingan’ity finoana ity. Tsy afaka mikitikitika ny tranobe sy manao ireo asa rehetra ao ny ray aman-drenin’ny kambana raha nisafidy hitaiza kambana. Araka ny finoana hatrany, raha mitaiza zaza kambana ny ray aman-dreny dia maty tsikelikely ireo olona mamiratra ao amin’ny fianakaviana. Raha taizan’olon-kafa kosa ireo kambana dia ireo farany no lasa mamiratra any aoriana any. Efa tsy dia mandrara be loatra ny fitaizana kambana ny Antambahoaka amin’izao fotoana izao. Araka ny nambaran’i Ramose Vivy, olobe Antambahoaka, raha misafidy ny hitaiza kambana ireo ray aman-dreniny ka misy mahazo azy ireo dia mijanona ho azy ireo ny tsiny. Manamarika ity olobe ity fa tsy mamono zaza kambana ny Antambahoaka na manary azy ireo fa apetrak’izy ireo any amin’ny toby mpitaiza zaza.
Dans la culture malgache, il faut voir chez un astrologue quel est jour meilleur avant de construire une maison. Les saisons et le temps qu’il fait est important. Il faut le faire durant les saisons sèches. Selon les explications de Andrianjatovo Henri, astrologue et président du “Trano Koltoraly Maladasy”. À cette époque, les terrains sont secs, les riz sont prêts à la récolte, les affaires vont bien pour tous. A part cela, l’orientation de la maison est d’autant plus importante. Le soleil doit atteindre l’intérieure de la maison, pour éviter l’humidité et ainsi les occupants de la maison seront en bonne santé. La maison ne doit pas être située dans un endroit où il y a des courants d’air. Ne pas mettre de porte à cet endroit pour que les rafales de la pluie ne pénètrent pas dans la maison. L’astrologie est la même pour les hautes terres et les côtes, selon toujours les explications de Andrianjatovo Henri. Nous avons le même soleil, la même lune et les mêmes étoiles.
Ao anatin’ny fomba malagasy, mila manatona mpanandro alohan’ny hanangànana trano hijerena ny andro tsara hanaovana izany. Zava-dehibe ny mijery vanim-potoana sy ny toetry ny andro amin’izany. Mila atao mandritra ny vanim-potoanan’ny main-tany izany. Araka ny fanazavan’i Andrianjatovo Henri, mpanandro sady filohan’ny Trano Kolotoraly Malagasy, maina ny tany amin’io andro io, vonona ho jinjaina ny vary ary manana ny ampy ny olon-drehetra. Ankoatra izany, zava-dehibe ihany koa ny fitodiky ny trano. Tsara raha hidiran’ny masoandro ny trano iray mba tsy ho lena, mahatonga tsy fahasalamana. Ratsy raha mitodika any amin’ny toerana be rivotra ny trano. Tsy asina varavarana any amin’iny faritra iny manjary hidiran’ny orana. Mitovy ihany ny fanandroana any amin’ny faritra sy ny afovoan-tany hoy hatrany i Andrianjatovo Henri. Masoandro iray, volana iray ary kintana iray ihany no antsika.
Pour suivre une mode éthique et durable, le principe est d’utiliser des matières naturelles comme le coton, le lin ou bien la toile de jute. Selon les explications de Andrianina Rasolomampionona Styliste fondatrice de Landihazo, une marque de vêtement éthique et durable, la matière idéale est le lin. Cette matière est très accessible à Madagascar. Pour Rija Andrianina, styliste et modéliste d’Antsirabe, il veut casser les préjugés selon lesquels la mode responsable n’est pas à la portée de tous les malgaches. Quant à Mickaella Kwan, lauréate du concours mode éthique et durable, elle affirme que suivre la mode éthique et durable est quelque chose de facile pour les malgaches vu que nous produisons presque toutes les matières premières.
Raha te hanaraka lamaody manaja ny tontolo iainana, ny tena tokony atao dia mampiasa ireo akora natoraly toy ny hasy, ny lin na ny gony. Araka ny fanazavan’i Andrianina Rasolomampionona, mpamorona haifitafy sady tompon’ny Landihazo izay manao akanjo manaja ny tontolo iainana izay, ny lin no tena mety indrindra ho an’ny malagasy satria mora hita izy io eto an-toerana. Ho an’i Rija Andrianina kosa, mpanao lamaody avy any Antsirabe, te hanaporofo amin’ny mpanjifa izy fa azo jifain’ny rehetra izany hoe lamaody manaja ny tontolo iainana izany. I Mickaella Kwan, nahazo volohany tamin’ny fifaninana famoronana lamaody manaja ny tontolo iainana, manambara izy fa mora ho an’ny malagasy ny manaraka izany lamaody manaja ny tontolo iainana izany satria mamokatra ireo akora natoraly hanaovana ireo lamba ireo isika.