Le « koba », une sorte de gâteau à base de cacahuètes, suit une recette typiquement malgache. Le « koba » de Faravohitra, un quartier de la Haute Ville d’Antananarivo est l’un des plus prisés par ceux qui envoie des portions à l’étranger ou ceux qui commandent des parts pour les faire entrer dans le menu durant des cérémonies tels que des mariages. Edmond Rabenandrasana, propriétaire et détenteur de la recette nous explique que cette préparation est dans sa famille depuis toujours. Le « koba » est en forme de petit canon, c’est pour cela qu’on l’appelle « koba tafondro ». L’un mesure 86 cm, pèse à peu près 13 kg. Et c’est à 60.000 ariary l’unité.
Manaraka fomba fahandro malagasy tanteraka ny fomba fikarakarana ny koba. Ny koban’i Faravohitra dia an’isan’ireo fakan’ny olona mpandefa any an-dafy na mpikarakara lanonana toy ny mariazy ohatra. Manazava i Edmond Rabenandrasana, tompon’ny koban’i Faravohitra, fa efa tao amin’ny fianakaviany hatrizay ity fomba fikarakarana ny koba ity. « koba tafondro » no fiantsotsika azy. Mirefy 86 sm ny iray, milanja 13 kilao ary 60.000 ariary ny vidiny.
Reportage :
Situé à 6km de la ville de Foulpointe, la réserve d’Analalava fait partie des 125 aires protégées de Madagascar. Elle est classée dans la catégorie réserve spéciale depuis 2006. Avec une vaste superficie de 229 ha, la visite peut prendre jusqu’à deux heures de temps. On y trouve des centaines d’espèces de faunes et flores, dont la majorité est endémique. Des plantes médicinales de toutes sortes sont surtout parmi les merveilles de ce lieu, à l’exemple du « tongo-borona » pour la guérison des maux de ventre.
Interview :
Nous sommes actuellement en période de compagne électorale. Parlant des programmes présidentiels, la politique environnementale est un volet non négligeable. D’après la 10è promesse présidentielle du précédant gouvernement, « Couvrir Madagascar en vert » était l’une des objectifs, atteint à 80%. Néanmoins, les moyens restent limités pour ce secteur, selon Nalimanitra Ravoson, de l’ONG Code Menabe. En tant qu’acteur environnemental, elle attend que le futur gouvernement ait une vision claire sur la politique du développement durable.
Reportage :
6 kilometatra miala ny tampo-tanànan’ny Foulpointe no misy ny réserve d’Analalava. Efa hatramin’ny taona 2006 no naha tahirin-javaboahary manokana azy ity, ary iray amin’ireo faritra arovana 125 eto Madagasikara. Ala midadasika hatrany amin’ny 229 ha izy ity, ary mahatratra adiny roa any ny fitsidihana manontolo ny toerana. Zavamanan’aina an-jatony ihany koa no hita ao, izay ahiana ho lany tamingana ny ankamaroany. Isany mampiavaka ity toerana ity ny fananany karazan-java-maniry fanao fanafody maro isan-karazany. Toy izany izao ny “tongo-borona”, ravin-kazo fampiasa amin’ny aretin-kibo.
Interview :
Ao anatin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra isika izao. Tsy azo hodian-tsy hita ny politika ara-tontolo hiainana rehefa miresaka ireo fandaharan’asa ny kandida. Ho an’ny fitondrana teo aloha, ny fandrakofana ala an’i Madagasikara aloha hatreto no hita fa tanteraka teo amin’ny 80%, araka ny tombana navoakan’ny ministera. Hita ho tsy ampy tohana sy enti-manana kosa anefa ity sehatra ity, hoy i Nalimanitra Ravoson avy amin’ny ONG Code Menabe. Amin’ny maha mpisehatra ara-tontolo iainana azy, isany andrasany amin’ny fitondrana ho avy eo ny fametrahana vina mazava momba ilay hoe “fampandrosoana lovain-jafy”.
En mois d’octobre dernier, après Toliara, l’équipe du Studio Sifaka était à Fianarantsoa. 22 femmes journalistes de la province de Fianarantsoa ont organisé un débat public sur le thème : « La situation sociopolitique actuelle face aux défis d’une élection libre, inclusive et acceptée par tous » dans le cadre de pratique de formation sur la couverture journalistique des élections et la réalisation d’un débat radiophonique.
Ramaroson Harisy, coordonnatrice régionale KMFCNOE Haute Matsiatra, ANDRIAMAHAINGO Marie Simon Joseph, membre de la plateforme régionale des organisations des société civile Haute Matsiatra, RAZAFINDRAMANANA Jean Marc, président Jeune TGV Fianarantsoa, RASOLOFOFENOMANANA Elysée, vice-président du parti Tiako i Madagasikara Fianarantsoa en étaient leurs invités.
Cette formation rentre dans le cadre du projet MANDA : « Projet d’Appui à la lutte contre les violences et le harcèlement sexuel envers les femmes journalistes à Madagascar », mise en œuvre par Studio Sifaka, en partenariat avec l’Ordre des Journalistes de Madagascar et soutenue par l’UNESCO à travers le Programme International pour le Développement de la Communication.
Tamin’ny volana oktobra teo, tao aorian’ny tany Toliara dia nikarakara ady hevitra ankalamanjana ireo vehivavy mpanao gazety avy ao amin’ny faritan’i Fianarantsoa, tao aorian’ny fiofanana nomena azy ireo mahakasika ny fikirakirana vaovao momban’ny fifidianana sy ny fanaovana ady hevitra amin’ny onjampeo.
« Azo heverina ve ny hisiana fifidianana madio, mampiaty sy eken’ny rehetra manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao » no lohahevitra tamin’izany. Ramaroson Harisy, mpandrindram-paritry ny KMFCNOE Matsiatra Ambony, ANDRIAMAHAINGO Marie Simon Joseph, mpikambana ao amin’ny Plateforme régionale des organisations des société civile Matsiatra Ambony, RAZAFINDRAMANANA Jena Marc, filohan’ny Jeune TGV Fianarantsoa sy RASOLOFOFENOMANANA Elysée, filoha lefitry ny antoko Tiako i Madagasikara Fianarantsoa no vahinin’izy ireo tamin’izany.
Ity fiofanana ity dia fanatanterahana ny tetik’asa MANDA, hiarovana ireo vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara amin’ny fanararaotana sy herisetra ara-nofo, tontosain’ny Studio SIFAKA, miaraka amin’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara izay tohanan’ny UNESCO amin’ny alalan’ny fandaharan’asa iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny serasera.
Les femmes journalistes de province de Toliara ont organisé un débat public sur le thème : « La participation des femmes dans la vie politique à Madagascar » dans le cadre pratique de la formation sur la couverture journalistique des élections et la réalisation d’un débat radiophonique.
Patrick RAMAROSON, défenseur de droit de l’homme, Armandine RAKOTOZAFY, enseignante et Perline RAZANAKOTO, femme journaliste étaient leurs intervenants.
Cette formation rentre dans le cadre du projet MANDA : « Projet d’Appui à la lutte contre les violences et le harcèlement sexuel envers les femmes journalistes à Madagascar », mise en œuvre par Studio Sifaka, en partenariat avec l’Ordre des Journalistes de Madagascar et soutenue par l’UNESCO à travers le Programme International pour le Développement de la Communication.
Nikarakara ady hevitra ireo vehivavy mpanao gazety avy ao amin’ny faritan’i Toliara, tao aorian’ny fiofanana nomena azy ireo mahakasika ny fikirakirana vaovao momban’ny fifidianana sy ny fanaovana ady hevitra amin’ny onjam-peo. « Ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny raharaha politika eto Madagasikara » no lohahevitra tamin’izany.
RAMAROSON Patrick, mpiaro ny zon’olombelona, RAKOTOZAFY Armandine, mpampianatra ary RAZANAKOTO Perline, vehivavy mpanao gazety no niara-niady hevitra tamin’izany.
Ity fiofanana ity dia fanatanterahana ny tetik’asa MANDA, hiarovana ireo vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara amin’ny fanararaotana sy herisetra ara-nofo, tontosain’ny Studio SIFAKA, miaraka amin’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara izay tohanan’ny UNESCO amin’ny alalan’ny fandaharan’asa iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny serasera.
La sous-alimentation peut être un empêchement important pour un enfant de rejoindre l’école. Actuellement, ils sont 1 200 000 à bénéficier de la cantine scolaire dans tout Madagascar, justement pour remédier à ce problème. En effet le ministère de l’éducation nationale a mis ce projet en place depuis 2021, notamment dans les écoles publiques. Le riz, les légumes et la viande sont les principales nourritures à distribuer.
Ny tsy fahampian-tsakafo dia mety ho sakana lehibe amin'ny fahafahan'ny ankizy mandeha mianatra any an-tsekoly. Amin’izao fotoana izao dia mahatratra 1 200 000 ny ankizy misitraka tohana ara-tsakafo any an-tsekoly manerana an’i Madagasikara, mba hamahana izany olana izany indrindra. Nanomboka ny taona 2021 no nampiharan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena io tetikasa io, indrindra ho an’ny sekolim-panjakana. Vary sy legioma ary hena no zaraina amin’izany.
Dans tous les bureaux de vote, on mentionne dans le PV les éléments suivants :
Inona avy no tokony ho hita anatin’ny fitanana an-tsoratra aorian’ny fifidianana ?
Ho an’ireo biraom-pifidianana rehetra, tsy maintsy raketina an-tsoratra