Pour étudier ou travailler dans un pays ou une organisation anglophone, il faut remplir certaines conditions. Parmi ces conditions figurent souvent la maîtrise de la langue. L’examen TOEFL (Test Of English as a Foreign Language) est un examen nécessaire et parfois requis pour prouver la maîtrise de la langue anglaise. Comment bien se préparer et à quoi s’attendre ? Que faut-il savoir sur cet examen ? Nous allons répondre à toutes ces questions dans cette émission Ketrika Sy Kandra.
Mba ahafahana mianatra na miasa any amin’ny firenena na rafitra mampiasa ny teny anglisy, dia misy fepetra maromaro tsy maintsy fenoina. Anisan’ireo fepetra ireo ny fifehezana an’io teny io. Ny fitsapam-pahaizana TOEFL (Test Of English as a Foreign Language) dia ilaina na takiana matetika mba ho porofo fa voafehy tokoa ny teny anglisy. Ahoana no atao mba ho vonona tsara ary inona ireo adina miandry anao ao ? Inona avy no tsara ho fantatra mikasika io fanadinana io ? Ato amin’ny fandaharana Ketrika Sy Kandra ny valin’ireo fanontaniana ireo.
Avec la rentrée, c’est fini avec les grasses matinées et les temps libres. Ce n’est pas toujours facile de retrouver le rythme des jours de classe. De nouveau, il faut se réveiller tôt, veiller tard, apprendre ses leçons. Alors, quelles habitudes adopter pour bien passer sa rentrée ? Et pour maintenir le bon rythme tout au long de l’année scolaire ? Dans l’émission Ketrika Sy Kandra, vous suivrez les témoignages de quelques élèves, et les conseils d’un professeur.
Rehefa tonga ny fidiran’ny mpianatra, dia vita hatreo koa ny fatoriana maraina sy ireo fotoana malalaka be diabe. Tsy voatery ho mora anefa no miverina amin’ny rotoroton’ny andro fianarana indray. Mila miverina mifoha maraina indray, miari-tory, mianatra lesona. Inona avy ireo fahazarana tsara tokony ananana rehefa miverina any an-tsekoly ? Ary ahoana no hitazomana izany mandritra ny taom-pianarana ? Ato amin’ny fandaharana Ketrika Sy Kandra dia hihaino mpianatra vitsivitsy mitantara ny fomba iainany ny fidirana isika, ary hihaino ny torohevitra omen’ny mpampianatra iray.
Pourquoi apprendre la langue japonaise ? Dans cette émission Ketrika Sy Kandra, une jeune femme qui travaille dans le secteur du tourisme nous explique ses raisons : amour de la culture nippone, opportunités de carrière. Ensuite, le responsable d’un centre d’apprentissage du japonais nous dévoilera tout ce qu’il y a à gagner dans la maîtrise du japonais, que ce soit en termes d’emploi, d’études ou d’échanges culturels.
Inona no vokatsoa azo avy amin’ny fianarana ny teny japonais ? Ato amin’ity fandaharana Ketrika Sy Kandra ity, dia manazava ny antony nianarany an’io teny io ny tanora iray izay miasa eo amin’ny sehatry ny fizahantany : fitiavana ny kolontsaina japonais, ireo soa fanararaotra eo amin’ny asa. Avy eo dia hanoro antsika ireo tombotsoa rehetra azo avy amin’ny fifehezana teny japonais ny tompon’andraikitry ny ivom-pihofanana iray, na eo amin’ny fahazahoana asa na eo amin’ny fifanakalozana ara-kolontsaina.
A part les cours réguliers, les étudiants peuvent aussi faire d’autres activités. Ce sont les activités parascolaires. Dans la plupart des cas, ce sont des cours de langue, des activités artistiques ou sportives. Quels avantages les élèves peuvent-ils en tirer ? Et comment gérer son temps quand on pratique une activité parascolaire à côté des cours ? Ecoutons une élève qui a suivi des cours de guitare, et un professeur responsable de l’english club dans son lycée.
Ankoatran’ny fianarana mahazatra ao an-dakilasy, dia afaka mianatra zavatra hafa ihany koa ny mpianatra. Izany no atao hoe « activités parascolaires ». Matetika izy ireny dia fianarana teny vahiny, fanaovana zavakanto na fantanjahantena. Inona no tombotsoa azon’ireo mpianatra manao azy ireny ? Ary ahoana no fomba handaminana fotoana rehefa manao activités parascolaires ankoatran’ny fianarana ? Hihaino mpianatra iray izay nianatra gitara isika, ary mpampianatra misahana ny english club ao amin’ny lisea ampianarany.
Le mois d’Octobre est un mois de sensibilisation pour la santé mentale. Madagascar n’a pas encore de centre de réhabilitation psychosociale pour prendre en charge les personnes présentant des troubles mentaux. L’association psykôzy Madagascar a pris comme initiative la tenue d’un atelier consacré à cette dernière le 7 novembre 2023.
Natokana ho an’ny fanentanana momba ny fahasalamana ara-tsaina ny volana oktobra. Mbola tsy manana ivotoerana natokana hikarakarana ireo olona iharan’ny fikorontanan-tsaina eto Madagasikara hatreto. Tsy ampy ihany koa ireo mpitsabo manokana misehatra amin’izany. Ho fanombohana azy dia manomana atrik’asa momba azy io ny fikambanana psykôzy Madagascar ny 7 novambra 2023.
La culture malgache ne considère par le deuil périnatal comme un deuil mais comme un tabou. Certaines pratiques malgaches n’enterrent pas ces bébés mort-nés ou issus d’une fausse couche dans le tombeau familiale. Selon la psychologue Stacy Rakotondrazanany, la société minimise la souffrance des parents face à cette perte. Le comportement adéquat est d’être empathique avec les parents, accepter qu’ils aient eu cette perte et aussi qu’ils peuvent en souffrir.
Tsy ataon’ny kolontsaina malagasy ho toy ny fisaonana ny alahelo rehefa maty ny zazarano. Tsy halevina am-pasandrazana ireny zaza rano ireny any amin’ny faritra sasany. Araka ny fanazavan’ny mpahay toetr’olona Rakotondrazanany Stacy, tsy rarahian’ny fiaraha-monina ny halahelon’ny ray aman-dreny very zaza rano. Ny fihetsika tokony harahana nefa dia ny manaiky fa malahelo ireo ray aman-dreny ary mety maharary izy ireo.
L’espace a contribué au développement de l’homme à travers la science et la technologie. Selo Andoniaina Rajaonarivelo, président de l’association Haikintana, ça peut contribuer dans le monde de l'environnement pour voir où se passe les feux de brousse, pour voir aussi où sont les différents points d'eau que l'on pourrait utiliser pour éteindre ces feux de brousse là . Et grâce à l'espace, on peut déterminer différents points où les criquets peuvent arriver à pondre. Androniaina Rajaonarivelo évoque que des jeunes malgaches possèdent du potentiel pour contribuer à l’évolution du spatial dans notre pays.
Isan’ny nanampy tamin’ny fandrosoan’olombelona tamin’ny alalan’ny siansa sy ny teknolojia ny habaka tsy taka-maso. Araka ny fanazavan’i Andoniaina Rajaonarivelo afaka manara-maso ny avy eny ambony eny, ny fandehan'ny tany, hoe misy rano ve amin'ny faritra iray sa tsy misy, ahitana ihany koa hoe misy vokatra ve ao amin'ny toerana iray, ahitana ilay hoe rendement. Ambaran’i Andoniaina Rajaonarivelo fa misy ireo tanora malagasy izay manam-pahaizana amam-pahalalà na ka afaka manampy amin’ny fivoaran’ny tontolon’ny habaka tsy taka-maso eto amin’ny firenena.
Selon le code électoral en vigueur à Madagascar, le second tour d'un scrutin présidentiel a lieu si aucun candidat n'obtient la majorité absolue des votes exprimés au premier tour. C’est-à -dire 50% des voix. Les deux candidats ayant obtenu le plus grand nombre de voix sont admis au second tour.
Exceptionnellement, si l’un des deux candidats décède ou fait face à un cas de force majeure avant la date du second tour, c’est le candidat qui se trouve en troisième position à l'issue du premier tour qui le remplace. Et en cas d'égalité de voix entre les deux candidats au second tour, il est impératif d’organiser un nouveau scrutin selon toujours le code électoral.
Le second tour doit être organisé dans les 60 jours à partir de la proclamation des résultats du premier tour. Généralement, les deux candidats ont 7 jours pour faire leur campagne au second tour, contre 30 jours pour le premier tour du scrutin présidentiel.
Mandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena : rehefa inona no manao fiodinana faharoa ?
Araka ny lalà m-pifidianana manankery eto Madagasikara, tsy maintsy irosoana ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena raha tsy misy kandidà mahazo ny antsamanilan’ny vato, izany hoe 50% ireo kandida rehetra nifaninana. Ireo roa voalohany mahazo vato be indrindra noho izany no miatrika ny fihodinana faharoa.
Raha sendra maty na tratran’ny tsy azo anoharana kosa ny iray amin’ireo kandidà mifaninana amin’ny fiodinana faharoa dia ilay mità na ny laharana fahatelo no miakatra manolo azy. Ary raha mitovy tanteraka indray ny vato azon’ny andaniny sy ny ankilany dia tsy maintsy manao latsa-bato vaovao araka ny lalà m-pifidianana.
Tsy maintsy atao anatin’ny 60 andro aorian’ny fanambarana ny voka-pifidianana fiodinana voalohany ny fifidianana fiodinana faharoa. Amin’ny ankapobeny, manana 7 andro ireo kandidà amin’ny fihodinana faharoa hanaovana fampielezan-kevitra raha 30 andro izany ho an’ny fihodinana voalohany.
Pendant la période de la campagne électorale, c’est la CENI qui met à la disposition des candidats, des listes de candidats ou des entités en faveur d’une option, des emplacements destinés exclusivement à recevoir des affiches électorales. C’est interdit d’y placarder des affiches qui ne concernent pas la propagande électorale. Ces emplacements doivent être situés dans des endroits fréquentés habituellement par les électeurs, et doivent être éloignés des bureaux de vote. Sur ces emplacements, une surface égale est attribuée à chaque candidat, ou listes de candidats, ou options.
Inona no fitsipika mifehy ny takelaka mandritra ny fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana ?
Mandritra ny fotoana fampielezan-kevitra, dia omen’ny CENI toerana voatokana hametahana takelaka ny kandidà , lisitra kandidà na safidy iray. Voarara ny mametraka afisy tsy misy ifandraisany amin’ny fampielezan-kevitra eo. Eo amin’ny toerana ivezivezen’ny mpifidy matetika no tokony hisy azy, ary tokony hanalavitra ny birao fandatsaham-bato. Eo amin’ireo takelaka ireo ihany koa dia tokony hitovy ny velarana ananan’ny kandidà tsirariray avy, na lisitra kandidà na safidy iray.