COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

Andrea Razafi

Andrea Razafi

jeudi, 12 octobre 2023 07:59

Infos vues par les jeunes

Tafita, Safidy et Miora, tous des universitaires, se sont exprimés lors de l’émission « infos vues par les jeunes » de Studio Sifaka. Ils ont notamment discuté des raisons pour lesquelles les citoyens des milieux ruraux se désintéressent de la vie politique. Ils se sont également étalés sur comment distinguer les vraies et les fausses informations dans les réseaux sociaux, ainsi que les mesures à prendre pour réduire les risques liés aux catastrophes naturelles.

Tafita, safidy ary Miora, samy mpianatra any amin’ny anjery manontolo no naneho hevitra nandritra ny fandaharana ndao hilaoeky tato amin’ny Studio Sifaka. Niresahina tao ny antony tsy mampiraika ireo mponina any ambanivohitra amin’ny raraha politika ankehitriny. Niady hevitra momba ny fomba hamantarana ny vaovao marina sy diso any amin’ny tambazotran-tserasera, ary ny fepetra tokony horaisina mba hampihenana ireo voka-dratsy ateraky ny loza voajanahary.

jeudi, 12 octobre 2023 07:33

Infos vues par les jeunes

Nos invités de l’émission « infos vues par les jeunes » ont partagé leurs avis sur trois grandes lignes des actualités marquantes sur lesquels ils se sentent concernés : la difficulté des jeunes universitaires à trouver des logements dans la capitale, les jeunes observateurs de l’élection et des riziculteurs qui décident d’arrêter la cultivation de riz.

Vaovao telo lehibe nanamarika teto amin’ny Studio Sifaka indray no nitondran’ireo tanora ny fanehoan-keviny nandritra ny fandaharana ndao hilaoeky. Ny fahasahiranan’ireo tanora hanohy fiarana eto andrenivohitra mitady trano hofaina, ireo tanora mirotsaka an-tsehatra amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana, ary ireo tantsaha misafidy ny tsy hamboly vary intsony.

mercredi, 11 octobre 2023 11:51

Le conflit électoral, on en parle ?

Le conflit avant l’élection est dû à la divergence d’interprétation des lois. Il y a des articles qui manquent de précision. Après l’élection, le conflit se tourne autour de non acceptation des résultats de vote ainsi que le non confiance de la CENI. Explication de Anjara Ratsimbason, coordinatrice du projet OBS MADA. 

Manodidina ny fahazoana ireo lalàna mifehy ny fifidianana matetika no miteraka disadisa mialohan’ny fifidianana. Misy mety mandika izany araka izay ahazoany azy noho ny fiheverana ho tsy manohitra ny lalàna. Ny tsy fanekena ny voka-pifidianana sy tsy fahatokisana ny CENI kosa matetika no fototry ny disadisa rehefa ao aorian’ny fifidianana. Manazava izany ny mpandrindra ny tetikasa OBS MADA, Ratsimbason Anjara.

Le projet IRF Tanora consiste à impliquer les jeunes au niveau des Fokontany dans la mise en place et la consolidation de la paix. 14 jeunes volontaires ont été sélectionnés pour collaborer avec des jeunes leaders, issus de chaque arrondissement, pour sensibiliser leurs pairs à cette fin. Ces jeunes sont motivés par la volonté d’apporter une contribution pour leurs quartiers respectifs. IRF Tanora est un projet mis en œuvre par l’Unicef, Pnud et  Fnuap et est financé par le Fonds des Nations Unis pour la consolidation de la paix.  

Ny Tetikasa IRF Tanora dia miompana amin’ny fampandraisana andraikitra ny tanora eny ifotony amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana eto Antananarivo. Misy tanora  14 nosivanina manerana ny boriboritany ho mpirotsaka an-tsitrapo hanatanteraka izany. Miara-miasa amina tanora mpitarika indray izy ireo izay hanentana ny tanora namany eny anivon’ny fokotany. Izy ireo izay mahafantatra tsara ny zava-misy iainan’ny tanora eny an-toerana. Tetikasa PBF vola izy ity na ny Fonds des Nations Unis pour la consolidation de la Paix ary iarahan’ny UNICEF, ny FNUAP ary ny PNUD manatanteraka.

Entreprendre ou travailler pour une entreprise ? Ça reste encore un problématique pour les jeunes après leurs études. A Madagascar, les travailleurs sont encore plus nombreux que les entrepreneurs ; selon les chiffres de l’OIT. TODISOA Tania, jeune ; RAMAHAVALISOA Thonny, entrepreneur ; et Dera Valisoa, salarié se débattent et expliquent leurs choix sur ces deux options. 

Handraharaha sa hiasa amin’ny orinasa ? Isan’ny fanontaniana manahirana ny tanora vao nahavita fianarana foana izany.  Eto Madagasikara dia betsaka kokoa ny miasa amin’ny orinasa noho ny mandraharaha raha ny tarehimariky ny fikambanana iraisam-pirenena momban’ny asa. Adihevitra mahakasika izay niarahana tamin’i TODISOA Tania, tanora ; RAMAHAVALISOA Thonny, mpandraharaha ary Dera Valisoa, mpiasa amina orinasa.

L’élection du Président de la République est reportée à une nouvelle date si un des candidats décède avant un tour de scrutin. Ou encore si un autre cas de force majeur est constaté par la Haute Cour Constitutionnelle, comme un empêchement par exemple. Dans ces cas, la HCC saisit le gouvernement à prendre dans les quarante-huit heures, un décret pour le report de la date. La HCC demande au parti politique, à la coalition de partis ou aux élus ayant investi ou parrainé le candidat décédé ou empêché de procéder à son emplacement. Ils ont un délai de 15 jours pour le faire. Dans le deuxième tour, c’est le candidat arrivé en troisième position qui remplace le candidat décédé ou empêché. La date de report d’une élection présidentielle ne peut pas excéder trente jours après la  date de constatation du cas.

Rehefa inona no mila ahemotra ny datim-pifidianana filoham-pirenena ?

Ahemotra amina daty hafa ny fifidianana filoham-pirenena rehefa misy kanidà iray maty mandritra ny fihodinana voaloha na faharoa amin’ny fifidianana. Na ihany koa misy tranga goavana ankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana hanemorana izany toy ny tsy fahafahan’ny kandidà iray mifaninana ohatra. Raha mitranga ireo dia mibaiko ny goveremanta hamoaka didy hanemotra izany ny HCC ao anatin’ny 48 ora. Manana 15 andro kosa ny antoko politika na vondron’olona nanohana ilay kandida hanolotra kandidà ho solony. Raha mitranga ao anatin’ny fihodinana faharoa kosa ilay fahafatesana na tsy fahafahan’ny kandidà iray dia ilay kandidà nahazo ny laharana fahatelo no mandimby azy ho fidiana. Tsy mahazo mihoatra ny telopolo andro taorian’ny didy fanemorana azy ny fifidianana.

 

 

mardi, 10 octobre 2023 13:27

Le Journal du 10 Octobre 2023

  • Le président du Sénat a reçu des menaces de mort afin qu’il renonce à l’intérim du Chef de l’Etat, selon son témoignage sur la chaine France 24
  • Campagne électorale : désintéressement du côté des électeurs
  • Haifidy de TI-MG : pour une élection raisonnée et éclairée
  • Contrainte et adaptation des bibliothèques face à l’ère numérique

  • Nanambara ny filohan’ny antenimieran-doholona, Herimanana Razafimahefa, fa nahazo fandrahonana izy mba handà tsy handray ny fitantanana ny firenena
  • Fampielezan-kevitra : tsy mahaliana ny vahoaka
  • Haifidy : manampy ny olom-pirenena hanana safidy marim-pototra mandritra ny fifidianana
  • Miezaka miditra amin’ny tontolo nomerika ny tranomboky

  • Hausse de vague : alerte rouge depuis Morombe jusqu’à Farafangana
  • Le district de Miandrivazo produit 100 kg d’or par mois
  • La toute première fois pour Mananara Avaratra : « Festival Masaka Jirofo »

  • Fisiana alondrano : nahazo fampitandremana miloko mena manomboka eo Maintirano hatrany Morombe ary eo Morombe hatrany Farafangana
  • Manodidina ny 100 kilao isam-bola ny volamena mivoaka ao amin’ny distrikan’i Miandrivazo
  • Sambany ho an’ny Distrikan’ny Mananara Avaratra : "Festival Masaka Jirôfo"
lundi, 09 octobre 2023 14:01

Le Journal du 09 Octobre 2023

  • Début de campagne mouvementé à Madagascar
  • Elections : les manifestations sont libres pendant la campagne électorale
  • Les jeunes s’impliquent dans le programme de notre futur président
  • Luis Herald Rasolondrainy à la tête du Hip Hop Works Madagascar

  • Fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena : manomboka anaty korontana
  • Fifidianana : malalaka ny fanaovana fihetsiketsehana mandritra ny fampielezan-kevitra
  • Milaza ny andrasany amin’ny filoham-pirenena vaovao ireo tanora
  • Voatery hitarika ny « Hip Hop Words Madagascar » i Louis Herald Rasolondrainy

  • Région Androy : nombreuses sont les richesses non encore exploitées
  • Toliara I : le travail des mineurs est toujours d’actualité
  • Nosy Be : les opérateurs du tourisme recevront des formations pour renforcement de compétence

  • Faritra androy : maro ireo harena tsy mbola voatrandraka
  • Toliara I : fampiasana zaza tsy ampy taona
  • Nosy Be : hahazo fanamafisana fahaiza-manao ny mpisehatra eo amin’ny fizahan-tany
lundi, 09 octobre 2023 10:29

Le Journal du 05 Octobre 2023

  • Les bulletins de vote attendus vers cette fin de semaine
  • Campagne électorale : l’agenda des candidats est encore flou
  • Faire la différence entre medias professionnels en ligne et simples blogs

  • Ho avy amin’ny faran’ny herinandro ny bileta natonta tany Afrika Atsimo
  • Fampielezan-kevitra : efa vonona ny fitaovana na dia tsy mbola mazava ary ny programan’ireo kandida sasany
  • Tokony ahay hanavaka ireo vaovao marina sy diso amin’ny tranokala ireo olom-pirenena
  • Ambany ny vidim-bokatra any Analamary distrika ny betroka ka mitaraina ireo tantsaha

  • Toliara : l’insécurité reste un problème pour les enseignants
  • Sambava: un nouveau centre d'Incubation Tosik'Art SAVA pour les jeunes
  • Cisco Toamasina 1 : 500 élèves ne disposent pas d’un acte de naissance

  • Toliara : olana sedrain’ny mpampianatra ny tsy fandriam-pahalemana
  • Sambava : nahazo ivon-toerana fikotrehana vina ny tanora
  • CISCO Toamasina I : ankizy 500 tsy manana kopian’ny soram-piankohonana

Reportage :

L’équipe de Studio Sifaka a effectué une mission à Tuléar. C’est la seule ville qui possède un musée de recyclage à Madagascar. Nous allons parler de ce dernier dans la première partie de l’émission. Depuis son inauguration en 2019, on constate une diminution des ordures éparpillées dans la ville. C’est WHH qui a mis en place ce projet.

Interview :

Dans la deuxième partie, nous parlerons du Zetra, un ensemble d’environnement qui fait la particularité d’Alaotra. Le Zetra a une place importante dans la protection des espèces qui y vivent, fourni des poissons aux habitants et contribue à l’équilibre écologique.

Astuces :

Astuces pour soigner et entretenir les plantes chez soi

Reportage :

Nivahiny tao Toliara ny ekipan’ny Studio Sifaka. Ao irery ihany no misy mozea mombamomban’ny fako : fako nahodina, fako namboarina mba ho lasa zavatra ilaina amin’ny fiainana andavan’andro. Mahakasika izay no resahintsika ao amin’ny tapany voalohan’ny fandaharana. Atramin’ny nijoroany ny taona 2019, nahitana fihenana ny fako miparitaka ao Toliara. Ny WHH moa no namorina io tetik’asa io. I Heriniaina Violette moa no itondrantsika hitsidika ity mozea ity.

Interview :

Ao amin’ny tapany faharoa kosa isika dia hiresaka ny atao oe Zetra. Tangoron-javamaniry afantarana iny faritra Alaotra iny. Hiankinan’ny zava-manan’aina maro ao, ny mponina ary ny tontolo iainana any an-toerana mo aizy io. Fanampim-panazavana entin’i Ndriana, iray amin’ireo mpanara-maso ny valan-javaboary ao Andreba Gara.

Astuces :

Fitsaboana sy fikolokoloina ny zava-maniry ao an-trano

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter