La dépression chez les jeunes et les adolescents est une réalité souvent silencieuse mais bien présente. À travers des témoignages, ce sujet met en lumière les difficultés émotionnelles vécues par de nombreux jeunes, leurs tentatives pour faire face à la souffrance et l’importance de ne pas rester seul face à la détresse psychologique.
Le harcèlement scolaire constitue également une menace sérieuse pour la santé mentale. Un spécialiste Docteur RAZAFINDRALAMBO Kiady Rivo Médecin Psychiatre, explique les différentes formes de violence à l’école, leurs conséquences sur le bien-être psychologique des enfants et des adolescents, ainsi que les actions à mettre en place pour prévenir, accompagner et protéger les victimes comme les auteurs.
Misy tokoa ny fahaketrahana ara-tsaina lalina iainan’ny tanora sy ny adolantsento, na dia tsy resahina matetika aza izany. Ao ireo sahy milaza sy mitantara ny iainany an’izany sy  maneho ny fahasahiranana atrehin’izy ireo. Resahana anatin’ny fandaharana ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fitadiavana olona azo hatokisana, afaka mihaino sy manampy.
Ny herisetra eny an-tsekoly ihany koa dia misy fiantraikany lehibe amin’ny fahasalaman’ny saina ary miseho amin’ny endrika maro. Hazavain’ny manam-pahaizana Docteur RAZAFINDRALAMBO Kiady Rivo Médecin Psychiatre ny vokany, ireo fomba hiatrehana sy hisorohana izany, ho fiarovana ny ankizy sy ny tanora.







