COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

©congerdesign
03 Mai, journée mondiale de la liberté de la presse

L’accessibilité des journalistes aux sources d’informations : un combat permanent vers la liberté de la presse

Na dia tsy tokony hisaraka amin’ny asa fanaovan-gazety aza ny fanaovana fanadihadiana lalina dia mbola sarotra ny manatanteraka izany amin’izao satria mbola maro ireo loharanom-baovao mikatona amin’ny mpanao gazety, na eo anivon’ny rafitra miankina amin’ny fanjakana, na amina olon-tsotra na amina sehatra tsy miankina. Inona no antony ? Raha ny nambaran’i Riana Raymond, mpanao gazety mpanao fanadihadiana lalina dia ny tsy fahatomombanan’ny sata mifehy sy miaro ny mpanao gazety sy ny haino aman-jery no isan’ny mahatonga izay fikatonana izay. Ao ihany koa ny fatahoran’ny mpiara-monina ny mpanao gazety satria heverin’izy ireo fa mety hamatotra azy ny fanambarany na marina aza ny teneniny. Ahiana tsinona ny mety hisian’ny arakaraka sy ny valifaty satria mety manohitohina ny olona ny vaovao ho zarainy, raha ny hevitr’i Miarisoa Rojo Ravaka, mpanao gazety amina fahitalavitra. Tsy avy amin’ny loharanom-baovao ihany hoy kosa i Anny Andrianaivonirina, mpanao gazety ara-panatanjahatena, no mampikatona an’izy ireo fa ao ihany koa ny fahaizan’ny mpanao gazety indrindra raha hita ny tsy fahafehezan’izy ireo ny vaovao ho kirakirainy. Manampy izany rehetra izany, hoy i Yves Samoelijaona, mpanao gazety mpanao fanadihadihana lalina, ny firehana ara-politika an’ny ankabeazan’ny orinasa fanaovan-gazety.

Studio Sifaka · 2021 - 05 - 03 Fandaharana NDAO - HILAOEKY - Liberté De La Presse

Si l’investigation ne doit pas se détacher du journalisme, il est encore difficile, aujourd’hui, d’en réaliser en toute liberté à Madagascar. En effet, généralement, les sources d’informations sont encore difficiles d’accès. Pourquoi ? Selon, la journaliste investigatrice, Riana Raymond, les défaillances dans l'ordre déontologique du journalisme figurent parmi les raisons de cet accès difficile. Également, pour Rojo Ravaka Miarisoa, journaliste télévisée, il y a la peur des représailles des acteurs concernés par les informations diffusées. Toutefois, Anny Andrianaivonirina affirme que le problème ne vient pas forcément des sources. Les compétences et les savoir-faire du journaliste jouent aussi un rôle. Enfin, pour Yves Samoelijaona, dans le lot figure la couleur politique de l’organe de presse.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter