COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

©Studio Sifaka
Le niveau d’implication des jeunes des différents districts de Madagascar dans les actions citoyennes est très contrasté.

La politique nationale de la jeunesse doit être mise à jour

Mbola vitsy ny tanora no mirotsaka an-tsehatra amin’ny asan’ny olom-pirenena eto Madagasikara raha ny fandinihan’ny fikambanana sy ny fiaraha-monim-pirenena, na dia miha mitombo isa aza ireo efa misehatra anaty fikambanana tato anatin’ny 5 taona farany. Mazoto ny tanora handray ny andraikiny amin’ny maha-olom-pirenena azy, saingy misy ireo sakatsakana izay mampihemotra azy ireo hoy ireo tanora nifanakalo hevitra tao anatin’ny fandaharana Ndao Hilaoeky. Isan’izany ny tsy fanomezana lanja ny tanora, sy ny fanilikilihana azony avy amin’ireo tompon’andraikitra noho ny tsy fananany traikefa sy fahalalana feno tsara. « Tsy mifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny tanora eto Madagasikara ny politikam-pirenena ho an’ny tanora » hoy i Andriamampiarina Brillant. « Lasa vesatra ho an’ny firenena ny tanora rehefa tsy manana fahalalana », hoy Prennat Daniel, tanora mpitarika avy ao amin’ny distrikan’i Manja.

Betsaka ihany koa anefa ireo tanora kamo sy tsy mahalala ny andraikiny  manoloana ny maha-olom-pirenena azy. Mila tohana sy fampiofanana araka izany izy ireo, raha ny fangatahan’i Rasoamalala Marie Sylvie, mpitarika tanora avy eto Analamanga. Miainga amin’ny paik’ady mazava anefa no tokony hisehoan’ny tohana fa tsy tokony hatao an-tselika isaky ny misy tsy ampy, raha ny fanampim-panazavana avy amin’i Andriamampiarina Brillant.

 


Studio Sifaka · 2021-09-06 Fandaharana NDAO HILAOEKY - PARTICIPATION CITOYENNE DES JEUNES

Très peu de jeunes malgaches s’engagent dans l’exercice du devoir citoyen, bien que le nombre de jeunes impliqués dans la société civile a nettement augmenté ces cinq dernières années. Selon nos jeunes participants, de nombreux facteurs de blocage les intimident. Entre autres, la sous-évaluation de leurs capacités, l’exclusion ou la disqualification des suites du manque d’expériences. Cependant, s’ils n’ont pas l’occasion d’officier, à titre d’observateurs, dans une administration par exemple, ils risquent de tomber dans un cercle vicieux. « Ils deviendront une charge pour la société », soutient Prennat Daniel, jeune leader associatif dans le district de Manja. Andriamampiarina Brillant, président d’association de jeunes universitaires dans le district de Morondava, quant à lui, a avancé que « la politique nationale de la jeunesse n’est plus adaptée à la réalité des jeunes malgaches d’aujourd’hui (…) ». « Les jeunes doivent être formés et équipés d’une façon coordonnée, poursuit-il. Cela devrait se traduire en une stratégie claire, et non en actions ponctuelles et isolées. »

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter