Na dia efa misy ary ny ezaka amin’ny fametrahana ny rafitra mifehy sy manara-maso, mbola ao anatin’ny firenena ahitana trangana kolikoly betsaka indrindra i Madagasikara. Napetraka ny fanontaniana tao anatin’ny Ndao hilaoeky hoe « Ny fahantrana no miteraka ny kolikoly sa ny kolikoly no miteraka ny fahantrana ? ». Nanazava ny mpandinika ny fiarahamonina, Andriamanantena Tolotra Mathieu fa vokatry ny tsy fahampian’ny enti-manana no mitarika ny olona hitady vola mora azo haingana ka mahatonga ny kolikoly. « Kolikoly kely » fanao eny anivon’ny fiarahamonina eny no aterak’izay hoy ny solontena avy ao amin’ny, Transparency International Initiative Madagascar, Rakotonarivo Vatsy. Misy karazany maro ny kolikoly hoy izy ary samy raran’ny lalà na avokoa. Indrindra ny kolikoly lehibe izay hahazoan’ny olona iray tombontsoa manokana fa saingy kosa manembatsembana ny tombontsoan’ny besinimaro, ohatra ny sakana eo amin’ny ny fandrosoan’ny seha-pihariana. Vahaolana natolotr’izy ireo ny fampiharana ny lalà na, ny fanohizana ny fanentanana, ny finiavana hametraka ny fangaharahana, tamberin’andraikitra ary ny fandehanana amin’ny là lana mahitsy eo anivon’ny rafitra. Fa miara-dalana ihany koa izay amin’ny fanarenana ny toe-karena.
Malgré les efforts de mise en place d’un système de lutte contre la corruption, Madagascar est classé parmi les pays où l’on détecte le plus grand nombre de cas de corruption. « Est-ce la pauvreté qui engendre la corruption ou est-ce la corruption qui engendre la pauvreté ? », telle est la question posée dans Ndao hilaoeky. Le sociologue, Tolotra Mathieu Andriamanantena a expliqué que c'est le manque de moyens et de ressources qui amène les gens à être à l’affût de l'argent facile. Ils empruntent ainsi des moyens plus rapides, les menant vers la corruption. Selon le représentant de Transparency International Initiative Madagascar, Vatsy Rakotonarivo, les pratiques de la corruption commencent par « ces petites habitudes » devenues banales dans la communauté. Mais il existe aussi d’autres types de corruption et tous sont interdits par la loi. La corruption peut également survenir à une échelle plus grande, quand un individu s’accapare d’un avantage personnel au détriment de l'intérêt public et le développement économique du pays. Les invités ont insisté sur l'application de la loi, la sensibilisation, ainsi que la volonté de l’Etat à adopter la transparence, la redevabilité et l’intégrité dans leur structure. Mais cela va de pair avec le développement des projets de relance économique.