COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

©Studio Sifaka
Les débatteurs ont parlé de leur vécu en tant qu’étudiants à l’université.

Accepter et exploiter la diversité au sein de la cité universitaire

Miomana amin’ny fidirana amin’ny taompianarana ny eny amin’ny anjerimanontolo ho an’ity taona 2021 ity. Miara-dalàna amin’izay ny fangatahana trano fonenana ho an’ireo mpianatra eny Ankatso 2. Maro ireo mpianatra avy amin’ny faritra ivelan’Antananarivo no monina eny. Tsikaritra anefa fa misy ny fizarazarana amin’ny toerana hipetrahana. Eo ihany koa ireo disadisa matetika amin’ireo mpianatra. Fanontaniana napetraka tao anatin’ny Ndao hilaoeky ny : azo atao ve ny miara-monina ao anatin’ny fahasamihafana ? Maro ny lokanady ao anatin’izany. Nilaza ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra avy any Bongolava, Mara Mahatokiazy, fa mila hampandraisina andraikitra ireo mpianatra, amin’ny alalan’ireo fikambanana mba hahafahan’izy ireo manaramaso ny fizarana ny trano. Antony miteraka ny disadisa sy ny fizarazarana mantsy hoy izy ny trangana kolikoly. Mila mipetraka kosa ny lamina eo anivon’ny fitantanana hoy ny mpandinika ny fiarahamonina ara-kolontsaina, Raoeliarisoa Corinne, mba ho fanajana ny zon’ny rehetra hoy izy. Samy nilaza izy ireo fa tokony hanaiky sy hanaja ny fahasamihafana ireo mpianatra satria eny izy ireo no mianatra ny fiainana. Fahasamihafana izay azo trandrahana amin’ny  fifamenoana sy ny fifampizarana fahalalana.


Studio Sifaka · 2021-10-04 Fandaharana NDAO HILAOEKY - BONNE GOUVERNANCE DANS LES CITES UNIVERSITAIRES

Nous sommes en pleine préparation de la rentrée universitaire pour cette année 2021 et les demandes de logement dans les cités universitaires à Ankatso font partie des préparatifs. Généralement, l’attribution des logements se fait en fonction de l’origine ou de la provenance des étudiants. Mais cette pratique conduit à des différentes querelles entre les occupants. Le président de l’association des étudiants en provenance de Bongolava, Mara Mahatokiazy, affirme qu’il faut donner plus de responsabilités aux étudiants à travers ces associations pour qu’ils puissent contrôler la répartition des cités. En effet, la corruption  dans la distribution fait partie des sources de conflit, indique-t-il. Une organisation bien encadrée au sein de l’administration devrait être mise en place selon l’anthropologue, Corinne Raoeliarisoa. Le but, c’est de respecter le droit de tous, poursuit-elle, dans ses arguments. Les intervenants ont été d’accord sur l’acceptation et le respect de la diversité entre les étudiants.  Les étudiants commencent à expérimenter la vraie vie au sein de cette société. La diversité devrait être exploitée en vue d’une complémentarité et d’une partage de connaissance.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter