COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

©Studio Sifaka
De gauche à droite : Jose Randrianasolo, Rasoatsiangizina Eudoxie, Geraldo Dokalahy

Orientation d’emploi : fonctionnaire ou salarié du secteur privé ?

Tsy ny tanora rehetra no misafidy ny hirotsaka anatin’ny sehatry ny fandraharahana. Misy ireo misafidy ny hisehatra amin’ny asam-panjakana. Misy kosa ireo izay misafidy ny hivoatra anaty ny sehatra tsy miankina. Mari-toerana kokoa ny mpiasam-panjakana hoy i Rasoatsiangizina Eudoxie,  tale jerenely ny fampiroboroboana ny fampananan’asa eo anivon’ny ministera ny asa sy ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny asa sosialy. Na izany aza anefa dia mety ho kely karama izy. Mifanohitra amin’izay tanteraka ny miasa amin’ny sehatra tsy miankina satria mora voaroaka kokoa raha toa ka tsy mahatratra ny tanjona napetraky ny mpampiasa, hoy i Jose Randrianasolo – Sekretera jeneraly ny FISEMA -  Firaisan’ny Sendikan’ny Mpiasa Eto  Madagasikara. Matetika anefa dia matoky tena loatra ny mpiasam-panjakana ka lasa manao tsizarizary ny asa indraindray hoy i Geraldo Dokalahy , mpandalina ny toe-karena. Na izany aza, ny sehatra tsy miankina hoy izy no mamokatra indrindra hoan’ny arikarena faobe ka io no tokony hampitomboina. Ankehitriny, manodidina ny 848.000 ny isan’ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina ary 400.000 eo ho eo kosa ny mpiasam-panjakana. Tsy ho tafiditra mpiasa-panjakana avokoa ny tanora rehetra ka mifantoka amin’ny famporisihana ny tanora hamorona asa ny tanjon’ny ministeran’ny asa amin’izao fotoana.

Studio Sifaka · 2022-03-30_Fandaharana NDAO HILAOEKY - FONCTION PUBLIQUE VS SECTEUR PRIVE

Arrivés à leurs fins d’études, deux choix s’offrent aux jeunes : travailler dans la fonction publique ou faire carrière dans le secteur privé. Rasoatsiangizina Eudoxie, directeur général de la promotion de l’emploi auprès du ministère tutelle, affirme que le fonctionnariat est un emploi des plus stables mais avec un salaire moins attractif. Contrairement à cela, l’emploi dans le secteur privé évoque plus d’instabilité et zéro assurance pour la retraite. Néanmoins, le salaire y est plus alléchante, dixit Jose Randrianasolo, secrétaire générale du FISEMA. Geraldo Dokalahy, économiste explique qu’il faudrait augmenter la part du secteur privé pour son apport colossal dans le PIB. Actuellement,  le nombre des travailleurs du secteur privé s’environne autour de 848.000, ce qui représente le double du nombre de fonctionnaires publiques dans le pays. Tous les jeunes ne peuvent pas tous être fonctionnaires, dès lors, le ministère de l’emploi incite les jeunes à créer leur propre emploi.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter