COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

©Studio Sifaka
Le nombre de vendeurs ambulants à Antananarivo a quadruplé depuis une dizaine d’année.

Exode massif vers Antananarivo : plus qu’un défi urbain

« En seulement 20 ans, j’ai vu la détérioration de la qualité de vie dans notre quartier. Les migrants ont emmené leurs problèmes. Résultat : Il y a plus d’insécurité, de désordres et moins d’espace. Les petits boulots se font de plus en plus rares car il a plus de concurrence. Pour moi, les vrais solutions réside entre les mains des responsables étatiques » se plaint Faly Andriamizaka, natif de la capitale.

« Tant que le problème d’insécurité et l’absence d’infrastructures dans les milieux ruraux persiste, l’exode urbain ne pourra être maîtrisé. Comme solution durable, il faut déconcentrer et décentraliser tout ce pouvoir qui s’accumule dans la capitale » selon Tata Majelo, migrant.

« 70 milliards d’Ariary par an sont utilisés par la Commune Urbaine d’Antananarivo. En tant que conseillers municipaux, nous avons proposé à ce que l’on utilise une partie de cet argent pour créer des emplois. Parallèlement, des communes voisines collaborent déjà autour d’un projet commun. Par ce projet, nous attirons une partie de la population à investir et à rester dans les milieux ruraux et les périphéries. La délocalisation des bureaux administratifs ou des entreprises est donc de mise » termine Rado Randrianarijaona, conseiller municipal auprès de la CUA. 

Antananarivo reçoit plus de 100.000 migrants par an, dont 80% issus de la région d’Analamanga et 20% des autres régions de la Grande île, selon la directrice des Arts, de la culture et de la vie communautaire au sein de la CUA, Elia Ravelomanantsoa.

Studio Sifaka · 2022-04-06_Fandaharana NDAO HILAOEKY - EXODE VERS LA CAPITALE

Miteraka tsy fandriam-pahalemana, loto, fananganana trano tsy ara-dalàna, làlana tery sy ny maro hafa ny hamaroan’ny mponina be loatra eto an-drenivohitra. Inona no mahatonga izany ho tsy voafehy ary inona no vahaolana?

« Tato anatin’ny 20 taona, nihatery sy nikorontana ny fokontany misy anay noho ny fitombon’ny mponina be loatra sy ireo mpila ravin’ahitra mitoby ao. Lasa sarotra ny mitady vola satria maro koa no manao izany. Na mifanantona mikaro-bahaolana ary izahay, ny manam-pahefana ihany no tompon’ny teny farany, afaka mamaha ireo olana fototra » hoy i Faly Andriamizaka , mponina teraka teto Antananarivo renivohitra. « Raha tsy vahana aloha ireo olana misy any ambaniohitra toy ny tsy fandriam-pahalemana sy ny tsy fananana fotodrafitrasa, tsy hivaha io olan’ny fifindra-monina  eto an-drenivohitra io. Mivangongo eto Antananarivo avokoa ny hery, ny vola sy ny foto-drafitrasa rehetra ka lasa aty ny olona no mila ravin’ahitra. Tsy afaka mihary ny any ambanivohitra noho izany rehetra izany » hoy i Tata Majelo, mpila ravin’ahitra eto Antananarivo. « 70 miliara ariary ny teti-bolan’ny kaominina Antananarivo isan-taona. Nisarika ny sain’ireo mpanatanteraka izahay hampiasa ny ampahany amin’io ho entina mamorona asa. Ankilany, Miara-miasa ireo kamoninina manodidina ny renivohitra ankehitriny, ary mivondrona amin’ny tetikasa iray mahakasika ny fandrindrana ny mponina sy ny fivelomany » hoy kosa i Rado Randrianarijaona, mpanolo-tsaina eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. 

Manodidina ny 100 000 isan-taona ny olona mifindra monina eto an-drenivohitra. Ny 80% amin’ireo dia avy amin’ny faritra Analamanga ihany, ny 20% kosa avy amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara hoy ny tomponandraikitra misahana ny fiarahamonina eo anivon'ny kaominina Antananarivo, Ravelomanantsoa Elia.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter