COVID-19 : Tous ensemble face au virus

Débat des jeunes

©Pexels.com
« Les utilisateurs de réseaux sociaux ne sont pas des journalistes ! »

Il est encore difficile d’accéder à des informations fiables à Madagascar malgré les avancées technologiques

Ny 3 may no ankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. « Ny asa fanaovan-gazety eo ambany ziogan’ny teknolojia vaovao », izay no lohahevitra ho an’ny taona 2022. Mihazakazaka ny fampitam-baovao amin’ireo fitaovan-tserasera nomerika ka sarotra ny mifehy, ny misivana ary manamarina azy ireny ara-potoana. « Ny fanaraha-maso sy ny fanatevenana ireo sampana mpanao izany no tokony hatao, ary mandray anjara betsaka amin’izany ny mpitandro ny filaminana. Ilaina ny fikoloana ny olom-pirenena tsirairay mba hahay handanjalanja ny vaovao avoakany satria tsy mpanao gazety velively ny mpampiasa « facebook » sy ny  mpampiasa aterineto. Mahavoasazy ny famoahana vaovao tsy marina sy miteraka korontana » hoy i Faly Rabemanantsoa, mpanao gazety ao amin’ny 2424.mg. Na eo ary izany, azo lazaina ho hery amin’ny fikaroham-baovao ny fampiasana ireo teknolojia vaovao satria manampy amin’ny fikarohana sy manafaingana izany, fa indrindra manampy amin’ny fanapariaham-baovao. « Ao amin’ny haino aman-jery iasako ohatra, mampiasa tambazotran-tserasera foana izahay anapariahana mialoha ny vaovao sy ireo fandaharana handeha, izay mampitombo ny isan’ny mpanaraka izany » hoy i Ony Nasaina, mpanao gazety avy ao amin’ny kolo tv-fm.

Hatreto, ireo mpanao politika sy ireo mpandraharaha ara-toekarena no mitàna ny 90%-n’ny haino, vaky, jery eto amintsika. Mamparefo ny asa fanaovan-gazety anefa izany. Very laharana 41 ihany koa i Madagasikara eo amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Raha faha-57 izany teo aloha, lasa faha-98 ankehitriny raha ny tatitra navoakan’ny Reporters Sans Frontières.

Studio Sifaka · 2022-05-03 Fandaharana NDAO HILAOEKY_PRESSE FACE AU NUMERIQUE

La journée mondiale de la liberté de presse est célébrée le 3 mai. « Le journalisme sous l’emprise du numérique », tel est le thème abordé cette année. Face à la rapidité des technologies numériques, il est difficile de filtrer et  de vérifier ces informations à temps. « Renforcer la modération et la surveillance au niveau des cellules anti-cybercriminalité seraient une solution pour mieux gérer la situation. J’insiste de dire que les utilisateurs de réseaux sociaux ne sont pas des journalistes  » souligne Faly Rabemanantsoa, journaliste en ligne à 2424.mg. Cependant, le numérique ne constitue pas toujours un problème pour le journalisme. Utilisé à bon escient, il peut être un outil efficace pour les recherches, les recoupements d’information et la publication. « A la station où je travaille, nous diffusons en simultanée le journal sur les réseaux sociaux. Cela nous aide à avoir plus d’audimat et ainsi étendre nos supports de publication » poursuit Ony Nasaina, journaliste à kolo tv-fm.

Aujourd’hui, plus de 90% des stations radio, des télévisions et des médias en ligne appartiennent à des hommes politiques et à des hommes d’affaires. Cette situation empêche le journalisme d’être neutre et indépendant. Madagascar a reculé de 41 places dans le classement mondial de la liberté de la presse selon Reporters sans frontières et passe de la 57ème place à la 98ème place.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter