COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesConseils santé / SantéNakà

©Karolina Graboswka
L’orthopédie corrige les déformations des os et des articulations.

Quand faut-il consulter un orthopédiste et un kinésithérapeute ?

Samy mitsabo faritra sy rafitra amin’ny vatana ny kinésithérapie sy ny orthopédie. Saingy ny kinésithérapie no tena manavanana ny ankamaroan’ny olona. Tsy mitovy ireo fomba fitsaboana ireo saingy mifameno kosa. Ny kinésithérapie dia mitsabo faritra iray mazava tsara amin’ny vatana toy ny hoe ny eo amin’ny taovam-pisefoana ho an’ny zazakely, ny périnée ho an’ny vehivavy, ny famerenena amin’ny laoniny ny tanana na tongotra taorian’ny dona mafy nahazo azy. Ny orthopédie kosa dia mandray an-tanana ny rafitra na “système” ankapobeny amin’ny vatana. Izany hoe kitihiny miaraka izany ny rafitra ara-taolana, ny lalan-drà, ary ny hozatra. Mety sahaniny miaraka amin’izany ihany koa ny rafitra amin’ny taova fandevonan-kanina sy ny taovam-pisefoana. Eo ihany koa ny eo anivon’ny loha. 

Manazava ny “kinésithérapeute” Landriana fa ny fameranana amin’ny laoniny faritra iray amin’ny vatana izay niharan’ny dona na nihetsika tamin’ny toerana tokony hisy azy no matetika hanantonana an’io mpitsabo manokana io. Ao anatin’izany ny folaka, ny nirotra sy ny brochiolite ho an’ny zaza. Ankoatr’izany famerenana amin’ny laoniny, dia manome hatsarana indray na “esthétique” ny rafitra iray manontolo amin’ny vatana ny orthopédie. Ohatra amin’izany ny hernie discale, ny scoliose sy ny arthrite rhumatoïde.


Studio Sifaka · 2021-03-16 Fandaharana SANTENAKA - ORTHOPEDIE & KINESITHERAPIE

On entend souvent parler de kinésithérapie pour les traitements de tissus musculaires, nerveux ou articulaires. Cependant, il existe une autre méthode de traitement complémentaire mais qui est différente de la première. Il s’agit de l'orthopédie. La kinésithérapie traite une zone spécifique du corps comme les voies respiratoires pour les bébés, le périnée pour les femmes, la restauration des mains ou des pieds après des blessures sévères. En revanche, l'orthopédie traite des systèmes généraux du corps, mais aussi le système squelettique, les vaisseaux sanguins et les muscles. L'orthopédie agit également à la fois sur les systèmes digestif et respiratoire. 

Landriana, kinésithérapeute souligne qu’il ne faut pas hésiter à consulter un spécialiste en cas de fracture, d’entorse ou de bronchiolite chez les nourrissons. Pour ce qui en est de l’orthopédie, il est important de consulter ce spécialiste en cas d’hernie discale, de scoliose et d’arthrite rhumatoïde. Outre le fait de remettre en place un système entier du corps, cette méthode de soin est également requise pour redonner de l’esthétique à celui-ci.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter