COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesConseils santé / SantéNakà

©Andres Ayrton
L’anorexie mentale touche surtout les jeunes filles qui pensent avoir des problèmes de poids.

L’anorexie et le café

Tsy mihinankanina sao ho ngeza, reraka sy mangatsian-dava ary fanimpanina, mety ho kizitina sy mitokanokana ary mahia sy mety tsy ho ara-dalàna hatramin’ny fitomboana. Tsy ny mpilatro na “top model” ihany no sendran’ny fahahiazana noho ny fidinan’ny taham-pahazotoan-komana. Aretina mety mitranga izy io rehefa tsy mety misakafo ny olona iray na tsy manana fahazotoana hisakafo mandritry ny fotoana maharitraritra. Ny fatahorana hatavy na « anorexie mentale », na ny aretina mitaiza toy ny homamiadana na diabeta no anton’ny « anorexie » matetika, raha ny filazan’ny dokotera Randriamoramanga Naina. Ao ihany koa ny « anorexie » azo avy amina dona ara-pihetsehampo, na koa ny fahaketrahana aratsaina. Marihina fa azo sorohina sy tsaboina amin’ny alalan’ny psychothérapie ny « anorexie » mba hiverenan’ny fahazotoana misakafo amin’ny laoniny. 

Inona ny vokantsoa sy vokan-dratsy aterakin’ny fisotroana kafe ? Raha erakin’ny kaopy iray isan’andro izy dia mampitombo eo amin’ny 12/18% ny andro iainana ny olona iray, raha ny fikarohana nataon’ny manampahaizana any Etazonia. Misoroka aretina maro toy ny Parkinson sy ny Alzheimer ary koa ny aretin-tenda, hoditra,aty sy aretin’ny prostate ny kafe, indrindra raha efa nahazoazo taona ny olona iray. Tandremo fa tsy tokony asiana siramamy na koa ronono ny kafe ary tsy tokony hihoatra ny efatra kopy isan’andro fa mety hanimba vavony izany.


Studio Sifaka · 2021-08-04_Fandaharana SANTENAKA_ANOREXIE_CAFE

Refuser de manger pour maigrir, pour par la suite, souffrir de frissons, de nausées, de vertige et aussi de nervosité. La plupart des personnes souffrant d’anorexie perdent l’appétit jusqu’à ne plus contrôler leur perte de poids. La peur de grossir est rattachée à l’anorexie mentale. Le stress et le choc émotionnel peuvent aussi plonger une personne dans un état anorexique. Cependant, être atteint de cancer ou de diabète peut également favoriser l’anorexie. Selon le docteur Naina Randriamoramanga, il est possible de soigner l’anorexie via des séances de psychothérapie.

Une tasse de café par jour augmenterait l’espérance de vie de 12 à 18%, selon des études effectuées aux Etats-Unis en 2017. Le café préviendrait également les maladies telles que Parkinson et Alzheimer et aurait aussi le pouvoir de protéger le foie, la peau, la gorge mais aussi la prostate, s’il est consommé sans sucre ni lait. Cependant, la surconsommation de café est néfaste pour l’intestin.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter