Voici quelques conseils si vous prévoyez d’inviter vos proches pendant les fêtes de fin d’année :
- Fixez les règles avec toutes les personnes invitées. Par exemple, évitez les poignées de mains, les embrassades, les accolades. Gardez les masques. Désinfectez-vous les mains toutes les heures. Désignez aussi quelqu’un pour aérer la pièce régulièrement pendant 5 à 10 minutes.
- Si possible, choisissez un espace à l’extérieur, dans le jardin, sur le balcon ou sur la terrasse. A défaut, privilégiez des locaux spacieux.
- Pendant les repas, essayez de repartir les convives sur plusieurs tables. De préférence, placez les membres d’une même famille ou les personnes vivant sous le même toit à une table. Il est conseillé de préparer vos repas en portion individuelle pour limiter la transmission ou de désigner une seule personne pour faire le service.
- Après les fêtes, n’oubliez pas de désinfecter entièrement la maison ou les locaux.
Fetin’ny faran’ny taona sy COVID-19 : ireo fihetsika tsotra tokony ananana
Raha manana eritreritra hanasa fianakaviana na namana ianao mandritra ny fety, dia ireto misy torohevitra vitsivitsy
- Hifanaraho dieny mialoha ny fifampitondrana mandritra izany. Toy ny hoe, tsy mifandray tanana na mifanoroka na mifamihina. Hanaovana hatrany ny arovava orona. Tsy mifampindrana vera na fitaovana hafa. Manasa tanana amin’ny gel na rano sy savony isaky ny adiny 1. Aleo ihany koa manendry olona iray hamoha varavarankely matetika, mba tsy hiangonan’ny tsimokaretina eny amin’ny rivotra.
- Raha azo atao dia ataovy any ivelany ny fiaraha-mifety, any anjaridaina ohatra na eny amin’ny lavarangana raha malalaka izany, na any amin’ny terrasse.
- Rehefa misakafo, tsara raha zarazaraina amina latabatra vitsivitsy ireo olona nasaina. Atao miara-mipetraka ny fianakaviana iray na ireo olona efa mifanerasera isanandro. Ankoatr’izay, ataovy efa sahaza ny olona iray ny fandoarana ny sakafo mba hampihena ny fifampikasohana.
- Rehefa vita ny fety, aza adinoina ny mamendraka fanafody ny trano na ny toerana nampiasaina
Â