Les règles restent encore un sujet entouré de gêne et de tabous dans plusieurs communautés Malagasy. Pourtant, de nombreuses jeunes filles rencontrent des difficultés importantes lorsqu’elles n’ont pas accès à des protections hygiéniques adaptées, à de l’eau propre ou à des informations fiables. Ornella Assimini, directrice de la santé reproductive et de la protection des jeunes au sein du ministère de la Jeunesse et des Sports, met en lumière les conséquences de la précarité menstruelle sur la scolarité, la confiance en soi et la santé des adolescentes. L’éducation est important mais aussi l’accès à des protections abordables et d’un meilleur accompagnement des jeunes filles.
Mbola misy henatra sy fahasarotana hatrany ny resaka fadimbolana eo amin’ny fiarahamonina malagasy sasany. Maro ireo tovovavy miatrika olana rehefa tsy afaka mahazo salaka ara-pahasalamana, rano madio na fanazavana marina momba izany. Manazava mahakasiia an’izany i Ornella Assimini, talen’ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fiarovana ny tanora eo anivon’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Asongadiny ao ny vokatry ny fahasahiranana ara-pananahana isam-bolana amin’ny fianarana, ny fahatokisan-tena ary ny fahasalaman’ny tovovavy amin’ny ankapobeny. Zava-dehibe moa ny fanabeazana sy ny fahazoana fiarovana ara-pahasalamana mora vidy.








