Les changements du corps pendant l’adolescence peuvent parfois provoquer des odeurs gênantes et devenir une source de malaise ou de manque de confiance en soi. Pourtant, ces transformations sont naturelles et concernent de nombreux jeunes. Des bonnes habitudes d’hygiène au quotidien sont donc important. N’écartons pas aussi le rôle des parents et des professionnels de santé dans l’accompagnement des adolescents, ainsi que les précautions à prendre avec certains produits utilisés contre les mauvaises odeurs.
Misy fiovana maro mitranga amin’ny vatana rehefa miditra amin’ny maha adolantsento, ary mety hiteraka fofona manelingelina izany. Mety hahatonga henatra sy tsy fahatokisan-tena amin’ny tanora anefa izany, nefa fiovana voajanahary ihany. Zava-dehibe noho izany ny fahadiovana isan’andro, ny anjara asan’ny ray aman-dreny sy ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fanoroana ny tanora, ary ny fitandremana amin’ny fampiasana vokatra samihafa hiadiana amin’ny fofona ratsy.








