Les troubles alimentaires touchent aussi bien les adolescents que les adultes et peuvent avoir des conséquences sur la santé physique et mentale. Ils se manifestent de différentes manières : excès de nourriture, perte d’appétit ou comportements alimentaires difficiles à contrôler.
Avec Ainamalala Razakandrainy, psychologue clinicienne, on met en lumière les causes possibles de ces troubles, notamment le mal-être, les difficultés relationnelles ou les traumatismes psychologiques. Elle explique également l’importance d’un accompagnement adapté pour aider les personnes concernées à retrouver un équilibre.
Mety hisy fiantraikany amin’ny vatana sy ny toe-tsaina ny fikorontanan’ny fomba fisakafoanana. Miseho amin’ny endrika samihafa izy io : fihinanana tafahoatra, tsy fahazotoan-komana na fahasarotana mifehy ny fomba fisakafoanana.
Asongadina eto ireo antony mety mahatonga izany, toy ny olana ara-tsaina, ny fahasahiranana eo amin’ny fifandraisana na ny dona ara-pihetseham-po. Hazavaina ihany koa ny mpahay toetr’olona iray Ainamalala Razakandrainy ny maha-zava-dehibe ny fanohanana sy ny fitsaboana sahaza.








