L’éducation complète à la sexualité joue un rôle essentiel dans la protection de la santé des jeunes. Elle permet de mieux comprendre les risques liés aux infections sexuellement transmissibles, aux grossesses précoces et aux violences, tout en aidant à faire des choix éclairés et responsables.
On peut aussi choisir d’être protéger tout en ayant les connaissances nécessaires pour prendre une décision. Madagascar a choisi d’intégrer le vaccin contre le papillomavirus humain (HPV), qui protège contre le cancer du col de l’utérus. Des explications sont apportées pour répondre aux préoccupations fréquentes des parents et mieux comprendre les conditions de vaccination, son importance et ses bénéfices pour la santé.
Zava-dehibe amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny tanora ny fanabeazana ara-pananahana feno. Manampy amin’ny fahafantarana ireo loza mety hitranga toy ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, ny vohoka aloha loatra ary ny herisetra izany, sady manampy ny tanora handray fanapahan-kevitra.
Afaka misafidy ny ho voaaro ihany koa isika ary manana zo hahafantatra ny torohay rehetra hahafahana manapakevitra. Niafidy ny hampiditra ny vaksiny miaro amin’ny papillomavirus (HPV), izay misoroka ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza i Madagasikara. Ahoana ny valin’ireo fanontaniana izay matetika apetraky ny ray aman-dreny sy ny maha-zava-dehibe ny fanaovana vaksiny.








