La sexualité reste un sujet difficile à aborder dans de nombreuses familles, alors que beaucoup de jeunes se posent des questions sans toujours trouver de réponses adaptées. Entre gêne, peur ou manque d’habitude, certains parents hésitent encore à parler de ces sujets avec leurs enfants. Les témoignages de jeunes et de parents mettent en lumière l’importance du dialogue au sein de la famille. Aurore Raveloson coordonnateur régional du FISA Madagascar antenne régional Antananarivo, apporte des conseils sur la manière d’aborder l’éducation à la sexualité selon l’âge des enfants et rappelle que l’information et l’écoute contribuent à protéger les jeunes et à renforcer la confiance entre parents et enfants.
Mbola sarotra resahina ao amin’ny fianakaviana maro ny momba ny fananahana, nefa betsaka ny tanora manana fanontaniana sy misalasala ka mila valiny mazava. Misy ray aman-dreny mbola menatra na tsy zatra miresaka izany amin’ny zanany. Maro ny fijoroana vavolombelona ataon’ireo tanora sy ray aman-dreny izay maneho fa ilaina ny fifampiresahana eo anivon’ny fianakaviana. Hanazava misimisy kokoa izany I Aurore Raveloson mpandindra rézionaly eo anivon’ny FISA Madagascar eto amin’ny faritra Antananarivo. Asongadiny ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana ao an-tokantrano momba ny fanabeazana ara-pananahana. Hazavaina ihany koa ny fomba hiresahana izany arakaraka ny taonan’ny zaza sy ny maha-zava-dehibe ny fihainoana sy ny fifampitokisana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka.








