COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesCulture / Sandrify

©Roseliane
Roseliane a une préférence particulière pour le salegy.

Roseliane se reprend en main

Rétablie de la covid-19, Vavy Roseliane compte réaliser de nombreux projets artistiques, dont la sortie d’un nouvel album pour bientôt. Chanteuse, auteure-compositrice et danseuse, elle affirme, depuis quelques années, sa forte personnalité en poursuivant une belle carrière indépendante, bien qu’elle soit la fille aînée du célèbre roi du salegy Jaojoby. Le salegy reste son rythme de prédilection même si Roseliane enregistre des chansons sous d’autres rythmes.


 

Nahoraka be tany anaty tambazotra maro samy hafa fa hoe voan’ny corona i Roseliane mpanakanto malagasy monina any frantsa any, izay zanaka vavin’i Jaojoby voalohany. Raha ny fantatra moa dia efa salama tsara izy ankehitriny. Ankoatran’ireo fandaharan’asa maro manodidina ny zava-kanto izay horesahiny amintsika anio dia hitantara ny niainan’ny tamin’izany fiatrehana ny valan’aretina covid19 ity ihany koa izy,mandrindra ny fotoana handalovany eto @ studio sifaka.

Tsiahivina fa Roseliane dia anarana entiny mian-tsehatra, izay noraisina tamin’ny tena anarany hoe Vavy Roseliane. Izy dia zanak’i Jaojoby mpanjakan’ny salegy vavimatoa avy any amin’iny ilany avaratry ny Nosy iny. Mpandihy sady mpihira feo lafika tao amin’ny tarika Jaojoby no nahafantarana azy, fa ny taona 2009 izy no nanomboka nandeha irery, izay taona namoahany ihany koa ny raki-kira voalohany nitondra ny lohateny hoe Gasikara. Monina any ivelany izy, ary raha ny fanazavany hatrany dia isan’ireo artista mivoy gadona maro izy, fa saingy ny salegy no manavanana azy. Tsara ho fantatra moa sady mpihira no mpamorona ary mpandihy i Roseliane. Mikasa ny hamoaka raki-tsary vaovao moa izy aorian’izao hamehana ara-pahasalamana izao.

Studio Sifaka · 2020 - 07 - 26 Fanadihadiana - ARTISTE - ROSELIANE
Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter