COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesCulture / Sandrify

©TJ RAHERINIRAINY
Le point situé au centre du front symboliserait la reconnaissance au soleil.

Sandrify : L’Androy et ses danses traditionnelles époustouflantes

Le groupe Bloco Malagasy fait partie du projet Casem ou Centre d'accueil socio-éducatif et musical de l'ONG Bel Avenir, sis à Tuléar. Le projet en question vise, selon Sitraka Nomenjanahary Ralaiarinony, coordonnatrice du projet, la promotion des droits de l'enfant, des jeunes femmes et des femmes, mais lutte également contre la délinquance juvénile, la grossesse précoce ainsi que la prostitution, devenus des faits courants dans la ville de Tuléar. Ainsi, la Bloco Malagasy, un groupe d’actuellement 225 femmes percussionnistes, regroupe des jeunes filles issues de milieux défavorisés.

A part la Bloco Malagasy, l'ONG Bel Avenir alimente également le Cirque, le Géant de Tuléar, la Capoeira et la Philharmonie.

Par ailleurs, le groupe Mihaja I Androy nous fait plonger dans les danses traditionnelles Antandroy, notamment, celles qu'on utilise dans les moments de joie et de malheur. Tous les éléments comme les cris, les mains hissées, les pieds rythmés, la tenue traditionnelle ont chacun leur signification.



Mba hialana amin’ny fivarotan-tena sy ny vohoka aloha loatra izay mpahazo ny tovovavy ao Toliara dia namorona ny tarika Bloco Malagasy ny ONG Bel Avenir. Ny tarika Bloco Malagasy moa dia tarika vehivavy mpively ampongabe avy ao Toliara.

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Casem na Centre d’accueil socio-éducatif et musical ny ONG Bel Avenir ny Bloco Malagasy izay ahitana mpikambana miisa 225 amin’izao fotoana izao. Raha ny nambaran’i Ralaiarinony Sitraka Nomenjanahary mpandrindra io Casem io dia miady ho amin’ny zon’ny vehivavy sy ny tovovavy koa ny Casem ary indrindra amin’ny herisetra hatao amin’ny ankizy.

Ankoatra ny Bloco Malagasy izay tsy misy afa-tsy tovovavy, misy ihany koa ny Cirques, ny Géants de Tuléar, ny Capoeira sy ny Philharmonie izay natokana hoan’ny tanora rehetra ao Toliara hataon’ny ONG Bel Avenir.

Mbola eo amin'izay resaka kanto izay hatrany dia entin'i tarika Mihaja i Androy mitety ireo karazana fitsinjaka avy any Androy isika. Ao ny hatao rehefa misy fahoriana, ao koa ireo hatao rehefa misy fifaliana. Ankoatra izay, misy dikany avokoa ireo tanana mandihy toy ny hitsikitsika, ny tongotra mitsatoka amin'ny tany, ny horakoraka ary ny lamba soga tafiana mandritra ilay dihy.

Studio Sifaka · 2020 - 09 - 25 Fandaharana SANDRIFY BLOCO MALAGASY- DIHY TANDROY