COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesCulture / Sandrify

©Studio Sifaka
Une famille vivant en région Androy.

Le « fisaoram-bady » et le mariage Antandroy

Taloha, tsy refesi-mandidy ny lehilahy ka afaka nisao-bady mbola velona rehefa te hisaraka. Maniraka olona fotsiny izy hiala tsiny ary hisaotra sy hi-tsodrano. Kabary no hifampiresahina ary misaraka tsy misy roiroy fa ny fehin-jazavavy sy ny ampatelon-tanana no omena ny fianakavian’ny razazavavy ary tsy misy fanampiana ankoatr’izay intsony.

Amin’ny fomba Antandroy, roa ny dingana tokony arahina rehefa hiditra amin’ny fanambadiana. Raha ny filazan’ny mpahay fomba Antandroy dia efa fofoina na fandrihana ny zanaka ao an-kibo raha fantatra fa vavikely. Rehefa tonga amin’ny fotoana maha lehibe ilay zaza vao ampafantarina azy hoe ho atolotra ho an’ny fianakaviana iray izy ka tsy afaka manambady olona hafa intsony izy.

Raha toa ka tsy miteraka ny vehivavy iray izay eo amin’ny toeran’ny vady voalohany dia ieran’ny vadiny izy mba hahafahany maka sy miteraka amin’ny vady faharoa. Raha eken’ny vady voalohany izany dia manan-jo io vehivavy io handidy ny vadiny mba hividy zavatra ho azy na hanome vola azy. ny vehivavy. Rehefa tanteraka ny fangatahana ataon’ilay vehivavy vao mahazo maka vady ilay lehilahy. Aorian’izay dia iray tokontany ary mifampitondra toy ny mpirahavavy ny vady voalohany sy faharoa fa fomba fiteny fotsiny ihany ilay hoe « mpirafy » satria misy ny vehivavy tonga hatrany amin’ny mifampifana sy mifanampy.


Studio Sifaka · 2021 - 08 - 10 Fandaharana SANDRIFY FANAMBADIANA ATANDROY

Auparavant, l’homme malgache recourait au « fisaoram-bady » signifiant littéralement « remerciement de sa femme » pour signifier la demande de séparation, si finalement il ressentait que sa moitié ne le convenait pas. Pour ce faire, le concerné doit dépêcher un orateur auprès des membres de sa belle-famille pour leur faire part de sa décision de séparation. Un orateur du côté de la promise répond généralement de façon pacifique pour signifier que la famille accepte la décision de l’homme, l’objectif étant de garder le « fihavanana » et de se souhaiter le meilleur, mutuellement.

Il y a deux types de mariages Antandroy, selon un traditionnaliste Antadroy. Certaines familles Antandroy effectuent leur demande à une femme enceinte pour réserver l’enfant à venir au monde pour leur fils, en particulier s’il s’agit d’une fille. Dans cette optique, l’avenir de ce bébé est scellé et une fois jeune fille, la promise ne pourra plus se marier avec un autre, notamment si les membres des deux familles ont fait un « fomba » pour sceller leur union future.

Toujours selon ce traditionnaliste, la polygamie est courante en Androy. Les femmes le savent et si dans un couple, la femme légitime ne peut avoir d’enfant, le mari a la possibilité de lui demander son accord pour qu’il ait une deuxième femme avec qui il aura un enfant. Il n’y pas de rivalité entre les femmes d’un seul homme car il arrive parfois qu’elles s’occupent l’une de l’autre comme des sœurs.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter