COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesCulture / Sandrify

©Lucas Pezeta
Le bagazz est un mélange de ba gasy et de jazz.

Le bagazz et le slam

Mampifangaro ny ba gasy sy ny jazz ny gadon-kira atao hoe Bagazz. Anisan’ny miangaly izany i Andriamanoro Samy. Raha ny heviny dia « azo omena fanahy jazz ny hira gasy ». manamafy izy fa akaiky ny fony ary mifanandrify amin’ny talentany ny jazz, ankoatra ny fitiavany ba gasy. Mivelatra amin’ny karazana gadona malagasy maro ny jazz, ary azo ampifangaroana tsara. Ohatra amin’izany ny vakojazz, izay mampifangaro ny vakodrazana sy ny jazz.

Raha niforona tamin’ny 1990 tany Etazonia ny slam dia tamin’ny taona 2005 no niditra teto Madagasikara izany ary nanomboka novoizin’ireo tanora. Raha ny filazan’i Raminoarisedra Manoa, izay manana anaran-tsehatra hoe Feu Follet, ny slam dia 3.10 minitra ana mpanao slam iray, tsy misy mozika manaingo fa hainteny no mandravaka ny sehatra ary mahasolo ny tokony ho mozika izany. Aminy manokana dia fitiavana mamoaka izay ao anatiny no nahatonga azy ho lasa miangaly slam. Rehefa tonga ny fotoana tokony hamoronana, dia mihataka izy rehefa tonga ny « inspiraka » na aingam-panahy.


Studio Sifaka · 2021-09-16 Fandaharana SANDRIFY_BAGAZZ_SLAM

Lorsque le ba gasy rencontre le jazz en musique, cela donne naissance au « Bagazz ». Le musicien Samy Andriamanoro apprécie particulièrement ce mix musical dans lequel il peut allier son amour pour le ba gasy au jazz, style musical qui lui vaut son talent.

Découvrez également le jeune Manoa Raminoarisedra, plus connu sous son nom de scène Feu Follet, dans le monde du slam. Il nous explique qu’un slameur ne doit pas excéder 3.10 minutes sur scène et que son inspiration, il la retrouve dans l’isolement, au point que quand il se retrouve en groupe, il prend le temps de se retirer seul pour composer.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter