COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesCulture / Sandrify

©Sarangib
Le zébu est signe de richesse à Madagascar.

Le tolon’omby à Fianarantsoa

Ara-tantara, nitondra anarana hafa i Fianarantsoa taloha ka “Hivoneha” no niantsoana azy tamin’izany. Manazava izany ny Docteur Ratsimbazafy Ignace, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa, fa azo niefenana ny faritra noho izy feno ala tamin’izany fotoana izany. Ny mpanjaka Ranavalona no nanome ny anarana hoe Fianarantsoa azy satria aminy dia toerana hianarana ny soa any avaratra izy io.

Anisan’ny mampiavaka ny faritanin’i Fianarantsoa ihany koa ny kolontsain’ny tolon’omby. Ho an’i Andriamalaza Ony, filohan’ny fikambanana zava-karagnagny, mivoy ny fomba amam-panao malagasy, kilalao na sangy atao amin’ny omby ny tolon’omby. Manaraka fitsipika ny tolon’omby, ary ny fomba amam-panao rehetra na ankaratsiana na amin’ny fifaliana ahitana azy. Noheverina fa harena malagasy ny omby ka notolomina ho mariky ny firariantsoa satria toy ny mitolona harena izany.

Noho io kilalao io mahery setra, dia manao akanjo jiafotsy mba tsy laitran’ny tandrok’omby ny mpilalao, ary nampiasa ny ody tandroka ny mpisehatra mba tsy haratra fa rehefa amin’izao andron’ny fivoarana izao dia mampiasa “plastron” izy ireo hiarovany ny tenany amin’ny tandrok’omby. Mahazo mitolona omby daholo ny olon-drehetra na ankizy, na tanora, na vehivavy, na lahy antitra fa sokajiana ny herin’ny omby izay ho lalaovina. Ireo malefaka no omena ny ampela. Mila fiofanana ny fitolomana omby ka ireo mpanolona na mpilalao no misitraka izany farafakeliny herinandro mialohan’ny tolona.


Studio Sifaka · 2021-10-07 Fandaharana_SANDRIFY -TOLON'OMBY

La ville de Fianarantsoa était autrefois appelée « Hivoneha ». Selon l’enseignant-chercheur à l’université de Fianarantsoa, le docteur Ignace Ratsimbazafy, « Hivohena » était l’endroit parfait pour se cacher car la ville était surpeuplée d’arbres. Par la suite, c’est au passage de la Reine Ranavalona que Fianarantsoa a pris son nom car pour elle c’est la région où le « soa » ou le bien s’apprend.

Fianarantsoa est également réputée pour le tolon’omby, similaire à la tauromachie mais avec des zébus. C’est lors de grands événements que ce jeu se pratique pour rappeler la bénédiction dans la mesure où le zébu est signe de richesse. Jouer avec le zébu signifie jouer avec la richesse, en Haute Matsiatra.

Comme cette activité est très physique et demande beaucoup de force et d’adresse, auparavant, il était d’usage d’utiliser le ody tandroka, un charme pour ne pas ressentir la douleur suite aux attaques du zébu par les cornes. Au fil du temps, cela a laissé place au plastron et au port du jiafotsy ou d’une tenue en rabane. Les enfants, les jeunes, les femmes et même les vieux peuvent le pratiquer sur un zébu peu vigoureux. D’autant que ce jeu ne peut s’exécuter qu’après une formation qui dure au moins une semaine.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter