Résumé VF :
Le mois de janvier est un temps fort à Madagascar, marqué par les visites familiales, les échanges de vœux et le renforcement du fihavanana. Dans cette édition l’émission Sandrify met en lumière les pratiques du Nouvel An dans l’Imerina, avec l’éclairage de Ranjatohery Harilala, chercheur en histoire.
Dans le Sud-Est, chez les Antemoro d’Ambaive, la désignation d’un nouveau roi ou « Havatse » est une tradition ancestrale qui occupe encore une place importante. Barthelemy, enseignant et gardien des traditions, explique le déroulement de ce rituel et la place encore vivante de l’autorité traditionnelle à Madagascar.
Résumé VM :
Fotoana manan-danja ho an’ny Malagasy ny volana janoary, satria anatanterahana ny fitsidihana sy fifampiarahabana ho  fanamafisana hatrany ny fihavanana. Manana ny fombany sy ny fanao mahazatra azy rehefa taona vaovao ny eto Imerina izay hazavain’i Ranjatohery Harilala, mpandalina tantara amintsika.
Mbola manana anjara toerana goavana ny fanendrena mpanjaka vaovao na « Havatse » any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, any Ambaive, ao amin’ireo Antemoro. Hazavan’i Barthelemy, mpampianatra sady mpitazona ny fomban-drazana, ny fizotran’izany sy ny lanjan’ny fahefana nentin-drazana eo amin’ny fiarahamonina.





