Avant l’existence des lois écrites et des tribunaux modernes, la société malagasy reposait sur des règles traditionnelles pour maintenir l’ordre et la cohésion sociale qu’on appelle « Dina ». C’est un ensemble de règles établies et acceptées par la communauté pour réguler la vie collective et résoudre les conflits. Et dans ces règles on a mis en place le « Tangena » une pratique ancestrale utilisée lorsque la vérité ne pouvait être établie. Andriantahina Jean Luc Delphin, président national d’AMI Madagasikara ou Antemoro Mizaka Iringiriny, des jeunes gardiens des coutumes Antemoro, nous éclaire sur le déroulement du Tangena, son rôle dans certaines régions et les questionnements actuels liés aux lois modernes et aux droits humains.
Talohan’ny lalà na voasoratra sy ny fitsarana ankehitriny, nanana ny fombany ny sy fitsipika manokana ny fiarahamonina malagasy fahiny : « Ny Dina ». Izy io dia fitsipika napetraky ny fokonolona, nifanarahana sy nankatoavin’ny rehetra, izay nampanjaka ny rariny sy ny fihavanana. Anatin’ireo lalana nifanekena hifehezana ny fiarahamonina ireo ny Tangena, fomba nampiasaina rehefa tsy fantatra mazava ny marina. Hanazava ny fizotran’izany, ny lanjany ara-tantara ary ny fanamby apetrany amin’izao vanim-potoana anjakan’ny lalà na sy ny zon’olombelona izao i Andriantahina Jean Luc Delphin, filoha nasionalin’ny AMI Madagasikara na ny Antemoro Mizaka Iringiriny, fikambanana tanora misehatra sy mitazona ny fomba Antemoro





