Aujourd’hui, la forme du kabary a évolué. Si auparavant il était sérieux et très structuré, aujourd’hui, les Mpikabary, les orateurs, insèrent des petits jeux de mots pour faire rire son public. Selon les explications de Julliard, un jeune Mpikabary, cela est dû aux demandes des publics. Ce public demande des discours qui attirent et qui n’ennuie pas. Toujours selon ses explications, le structure du Kabary reste le même mais ces jeux de mots drôles ne sont que des « assaisonnements » durant le discours. Le Kabary est toujours présent dans la vie des Malgaches selon les explications de Souleman Mpikabary. Le Kabary n’est pas qu’une question de prise de parole, il englobe toute la culture malgache puisque dès la naissance jusqu’à la mort, le Kabary est là . Et en même temps, le Mpikabary ne doit pas simplement savoir parler, il doit posséder une posture particulière. Le Kabary figure parmi la liste des patrimoines culturels immatériels de l’UNESCO depuis 2021.
Â
Niova ny endriky ny kabary ankehitriny. Raha matotra sy nirindra tsara izy taloha, lasa misy mahatsikaiky kosa izany amin’izao fotoana izao. Araka ny fanazavan’I Julliard, tanora mpikabary, dia ireo olona mihitsy no mangataka hoe aza atao mahamonamonaina ny kabary. Ireny mahatsikaiky ireny anefa tsy hoe ireny no tena atao hoe kabary fa na misy aza izy ireny dia manana ny rafiny foana ny kabary ary tsy miova io rafitra io. Hita foana ny kabary ao amin’ny fiainan’ny Malagasy araka ny fanazavan’I Souleman Mpikabary. Tsy fahaizana miteny sy mandaha-tena ihany ny kabary fa mirakitra ny kolontsaina Malagasy manontolo hoy izy satria manomboka amin’ny fahaterahana mandrapaha-aty dia eo foana izany kabary izany. Manaraka izany ny toetra tsy maintsy ananan’ny mpikabary manokana. Ao anatin’ny lisitry ny vakoka ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana an’ny UNESCO ny kabary nanomboka ny taona 2021.





