La communauté Zafimaniry est reconnue pour la richesse de sa culture, son artisanat du bois et son lien étroit avec la nature. À travers une exposition et des échanges avec des passionnés de cette culture, ce sujet met en lumière leur mode de vie, leurs traditions et la transmission de leur savoir-faire.
Le travail du bois, notamment la sculpture et l’architecture traditionnelle, constitue un patrimoine culturel immatériel reconnu. Toutefois, cette richesse fait face à plusieurs défis, notamment la raréfaction des ressources forestières. Malgré ces difficultés, les Zafimaniry poursuivent leurs efforts pour préserver et transmettre leur héritage aux générations futures.
Manankarena kolontsaina sy fomban-drazana ny Zafimaniry, indrindra eo amin’ny asa tanana sy ny fifandraisany akaiky amin’ny natiora. Asongadina amin’ny alalan’ny fampirantiana sy ny fifampizarana traikefa ny fomba fiainany sy ny ezaka ataony hitazonana ny maha-izy azy.
Anisan’ny mampiavaka azy ireo ny sokitra sy ny asa hazo izay efa voasokajy ho vakoka ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana an’izao tontolo izao. Na izany aza, miatrika fanamby maro izy ireo, izay noho ny fahasimban’ny ala amin’ny ankapobeny. Miezaka hatrany anefa ny Zafimaniry mitahiry sy mampita izany harena izany amin’ny taranaka manaraka.







