Mampionona Rabety, jeune membre du parti politique PSD, Miadana Fabien Privat de l'ONG Tolotsoa, et Alexandre Denis Lahiniriko, analyste de l'histoire politique de Madagascar, échange sur ce sujet.
Les jeunes ne s'intéressent pas à la politique, et même les citoyens en général. Cependant, il semble que les jeunes prennent des responsabilités dans la société et au sein des sociétés civiles. En d’autres termes, ils sont intéressés à suivre de près les services publics, à surveiller, à faire des commentaires… Nous sommes par exemple de plus en plus habitués à exiger sans se rebeller. Qu'est-ce qui peut expliquer cela ?
Manao ahoana ny fandraisana anjaran’ny tanora anatin’ny tontolo politika eto madagasikara ?
Tonga niady hevitra mahakasika an’io lohahevitra io i Mampionona Rabety tanora mpikambana amina antoko politika PSD, Miadana Fabien Privat avy ao amin’ny ONG Tolotsoa, ary Alexandre Denis Lahiniriko, mpandinika ny tantara ara-politika eto Madagasikara.
Tsy dia mahaliana ny tanora ny politika. Ny olom-pirenena amin’ny ankapobeny mihitsy aza. Raha ny hita anefa ankehitriny dia mitombo ny tanora mandray andraikitra eo amin’ny fiarahamonina any anatin’ireny firaisamonim-pirenena ireny. Izany hoe kinga sy liana amin’ny fijirihana ny asam-panjakana, fanaraha-maso, fanehoan-kevitra… Efa miha haintsika ihany koa izao ilay mitaky tsy mikomy ohatra. Inona no mety fanazavana an'izany?








