COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesEmploi & initiatives / Ketrika sy Kandra

©Mali Maeder
Ambalavao abrite de nombreux vignobles.

La viticulture et le métier de sommelier

Manana ny toe-tany sy toetrandro takiany manokana ny fambolena voaloboka. Tsy dia mila rano be ny tany ambolena azy, mila an’ilay hatsiaka amin’ny ririnina iny ihany koa mba ahafahan’ny taomboaloboka matory na miala sasatra ary tsy ahitana raviny izy amin’izay fotoana izay. Isan’ny mamaly izany fepetra izany  ny faritra Matsiatra Ambony ary isan’ireo toerana  mamokatra voaloboka ny ao Ambalavao sy Alakamisy Ambohimaha. Aorian’ny fiotazana ny voan’ny voaloboka no manomboka ny asa fikarakarana ny tany raha ny nambaran’i Razafimaro André, tantatsaha mpamboly voaloboka ao Alakamisy Ambohimaha. Asiana voly avotra eny anelanelan’ny tanimboaloboka, any amin’ny volana aogositra no manao ny fanetezana, ary any amin’ny voalana janoary na febroary ny fiotazana raha ny fanazavany hatrany. Mampahafantatra ny asan’ny sommelier izay asa mifandraika amin’ny divay kosa i Andrianasaina Tatianah, sommelier avy amina orinasa iray  mpanodina divay ao Fianarantsoa ato anatin’ny fandaharana Ketrika sy Kandra.


Studio Sifaka · 2021-03-16 Fandaharana Ketrika Sy Kandra - MPAMBOLY VOALOBOKA & SOMMELIER

La viticulture a ses propres exigences climatiques. Le sol n'a pas besoin de beaucoup d'eau, il a aussi besoin du froid de l'hiver pour que les vignes puissent se reposer et ne pas contenir de feuilles à ce moment-là. Les conditions climatiques de la région de Haute Matsiatra répondent à ces critères et le district d’Ambalavao et d’Alakamisy Ambohimaha font partie des zones de production. Selon Razafimaro André, un viticulteur à Alakamisy Ambohimaha, l'aménagement de terroir viticole commence après la récolte des raisins, la taille se fait en août, et les vendages en mi-janvier ou en février. La sommelière Tatianah Andrianasaina nous informe sur  le métier d'un sommelier, un travail lié au vin, dans  l'émission Ketrika sy Kandra.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter