COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesEmploi & initiatives / Ketrika sy Kandra

©Louis M. Santos
La production de vin à Ambalavao mobilise une centaine de familles.

La vinification et l’œnologie à Madagascar

Miteraka asa maro ny fanamboarana divay satria mandalo dingana samihafa vao vita anaty tavoahangy izany. Fianakaviana 100 no miasa miaraka ho amin’ny famokarana divay any Maroparasy Ambalavao. Mamboly, manodina voaloboka ho lasa divay ary koa mivarotra izy ireo.

Miankina amin’ny loko tiana omena ny divay ny lanjan’ny voaloboka ampiasaina amin’izany. Ny milina « fouloir égrappoir » no manasaraka ny tahony, ny voaniny sy ny ranony vao miditra amin’ny fanotrehina. Ao aorian’izany vao tehirizina anaty « cuve ». Marihina fa raha sendra mahazo rivotra ny divay dia lasa andatra loatra ka mivadika ho vinaigre. Amin’ny alalan’ny « tireuse » no ampidinana ny divay anaty tavohangy. Ny fanetsemana tavoahangy amin’ny bouchon dia mbola asa hafa ihany koa. Manazava ny tompon’andraikitra ny famokarana, Michel Chan Foui, fa tavoahangy efa nahodina no averin’izy ireo ampiasaina.  

Ho an’i Isabelle Rakotozafy, izay « oenologue » efa ho 20 taona lasa, marefo ny fampianarana « oenologie » ary tsy misy lalàna mifehy ny famokarana divay eto Madagasikara, hoy izy. Misy lalam-piofanana momba izany any Fianarantsoa fa vitsy ny mpampianatra misehatra aminy ankoatra ny tsy fahampian’ny enti-manana amin’ny fitaovana. Tsy manakana azy tsy hitaona ny ankizy hitrandraka sy hikaroka anefa izany. Mila olona hanao mpandimby hoy izy ity sehatra ity hampivoatra ny divay.


 

Studio Sifaka · 2021-08-26 Fandaharana_KETRIKA SY KANDRA - FANAMBOARANA_DIVAY

Le secteur vinicole est générateur d’emplois. A Maroparasy Ambalavao, 100 familles se mobilisent pour produire du vin et le commercialiser. Pour la vinification, les étapes d’usage sont l'égrappage, le pressurage, la macération et la fermentation. Pour ce qui est de la mise en bouteille, le responsable de production de Maroparasy, Michel Chan Foui, précise que comme ils font du recyclage de bouteilles, l’insertion de bouchon se fait de façon manuelle, s’ils se servent de tireuse pour remplir quatre bouteilles par remplissage.

Il n’existe pas de normes de production de vin à Madagascar, ni d’école en œnologie, selon l’œnologue Isabelle Rakotozafy, qui aura bientôt 20 ans d’ancienneté dans l’enseignement de cette discipline. La filière « œnologie » existe à Fianarantsoa, cependant les enseignants dans ce domaine son peu nombreux et l’équipement n’est pas suffisant. La nécessité d’une relève disposée à partager son savoir sur le monde du vin se fait de plus en plus ressentir, raison pour laquelle elle aime partager ses connaissances aux jeunes, dans l’espoir de leur inculquer des valeurs comme l’importance des recherches et du développement se rapportant au vin.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter