COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesEmploi & initiatives / Ketrika sy Kandra

©Studio Sifaka
Quelques stands durant le salon du cuir à Antaninarenina.

La filière "cuir" à Madagascar et les nouvelles créations qui émergent

Asan-tanana vita amin’ny hoditra, be mpankafy na eto Madagasikara na any ivelany. Nandritra ny hetsika manokana momba ny hoditra natao tao Antaninarenina ny 7 sy 8 Oktobra lasa teo no nihaonan’ireo mpisehatra amin’izany. Maro karazana ireo akora misy eto Madagasikara : hoditra omby, ondry, hodi-boay, bibilava ary efa misy aza moa ny hoditra avy amin’ny trondro. Samy manana ny mampiavaka azy izy ireo, ny hoditra omby ohatra no tena be mpampiasa noho izy mateza ary ny hoditra voay sy bibilava kosa no lafo indrindra. Olana sendrain’ireo mpisehatra ny famerana amin’ny fanondranana sy ny tsy fahampian’ny akora hafa eto antoerana izay ampiarahana amin’ny hoditra hoy ireo mpikambana ao amin’ny Gasy Skin, Razanakolona Raphael sy Ravaonirina Edouardine. Mivoatra kosa anefa ny famoronana, anisan’izany ny orinasan’i Nasoloniaina Herminina Elysée Niriana, izay manafangaro ny hoditra amin’ny akora tsy ampiasaina intsony.


Studio Sifaka · 2021-10-19_Fandaharana KETRIKA SY KANDRA - SECTEUR CUIR & START UP DANS LE CUIR

Le cuir est une matière qui attire les acheteurs, tant à Madagascar qu’à l'étranger. Les acteurs de ce  domaine se sont donné rendez-vous lors du salon du cuir organisé à Antaninarenina, les 7 et 8 octobre derniers. De nombreux types de cuir sont disponibles à Madagascar : cuir de vache, cuir de mouton, cuir de crocodile, cuir de serpent, et même le cuir de poisson. Ils ont chacun leurs propres caractéristiques, le cuir de vache étant le plus utilisé grâce à sa durabilité et le cuir de crocodile et de serpent étant le plus cher. Cependant, la restriction de l’exportation et l’insuffisance d’accessoires locaux représentent une difficulté pour les artisans, ont déclaré les maroquiniers de Gasy Skin, Razanakolona Raphael et Ravaonirina Edouardine. Malgré tout, la création de nouveau design évolue, notamment l’atelier de la jeune Nasoloniaina Herminina Elysée Niriana, qui mélange le cuir avec les produits recyclés.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter