COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesEmploi & initiatives / Ketrika sy Kandra

©Ralphs
Chien de Berger race.

Élevage de chien, une passion avant tout

Joelle et Fanilo sont des vendeurs de journaux. Tous les jours, à 5h du matin ils  récupèrent les journaux à Ankorondrano puis se rendent à leur place habituelle et des fois livrent les journaux directement aux chauffeurs de taxi be ou à des entreprises. Ils gagnent environ 70ar par journal vendu, qui est directement influencée par la Une des journaux. A la fin de la journée, ils arrivent à écouler à peu près 80% des journaux.

Fanomezantsoa est éleveur et vendeur de chiens de races.  Il utilise essentiellement les réseaux sociaux pour communiquer avec les autres passionnés, partager des nouvelles et vendre ses chiots. Il vend les chiots à partir de 1 million 400 mille ariary, avec une dépense mensuelle d’environ 300 mille ariary pour les nourritures. D’autres dépenses s’ajoutent à cela, comme les primo-vaccins et les visites régulière chez le vétérinaire.

Studio Sifaka · 2022-04-12 Fandaharana KSK_VENTE GAZETTE & CHIEN DE RACE

Misy karazany ny asan’ireo mpivarotra gazety ary samy manana ny lalany izy ireo. Ny mahazatra dia ireo mpivarotra efa manana ny toerana fivarotany isan’andro, fa misy koa ireo mandehandeha eny amin’ny arabe, any anaty orinasa, eny amin’ny fiara fitateram-bahoaka na mandefa gazety any amin’ny faritra. Miainga eny Ankorondrano avokoa ireo gazety alaina, ary samy mparitaka izy ireo avy eo. Niresaka tamin’i Fanilo sy Joelle izahay, izay samy manana ny fahazarany avy. Eo amin’ny 70ar eo no tombony azo amin’ny fivarotana gazety , ary miankina amin’ny anaran’ilay gazety izany sy ny lohateny lehibe isan’andro. Mahalafo eo amin’ny 80% amin’ny gazety alainy izy ireo. Mahalafo kokoa ny mandehandeha nohon’ny mijanona amin’ny toerana iray araka ny nambaran’i Fanilo.

Fitaovana iray hahafahana mivarotra ny tambazotran-tserasera, raha ho an’i Fanomezantsoa izay mpiompy sy mpivarotra an’ireny chien de race ireny. Mpiompy alika tsotra ihany izy tany am-boalohany fa rehefa nihabetsaka ny zanak’alika dia lasa voatery mivarotra satria tsy araka ny sakafony sy ny fikarakarana azy hoy izy.  Manomboka amin’ny 1 tapitrisa ariary ny hivarotany an’ireo zanaka alikany ireo, raha eo amin’ny sakafo indray dia mandany eo amin’ny 3 hetsy ariary eo izy isam-bolana ankoatran’ny vakisiny sy ny fanaraha-maso ataon’ny mpitsabo.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter