Efa ekena ho taranja ara-panatanjahantena feno mihitsy ny e-sport na ireny jeux vidéo ireny amin’izao. Miandahy miambavy ireo mpilalao matihanina amin’izy ity. Efa maro ihany koa ny tanora Malagasy no matihanina amin’izany. Ny tontolon’ny filalaovana jeux video no ho resahina ato amin’ity fandaharana Ketrika sy Kandra ity. Ry zareo avy ao amin’ny Tekken Madagascar no hiaraka amintsika. Resahin’i Rasamizafy Christiana, na Chris, mpilalao jeux video, manokana ny tombontsoa azo avy amin’ny fidirana ao anatin’ny vondrona, ao amin’ny tapany voalohany amin’ny fandaharana.
Hiaraka amin’i Rakotondrafara Ny Avo, na i Nioh, mpilalao jeux vidéo isika ao amin’ny tapany faharoa. Ny e-sport no nanokatra ny lalany handray anjara tamin’ny Africa Forward Summit tany Nairobi, Kenya ny 11 sy 12 mai. Hizara ny traikefany, ireo fihaonana nanamarika azy sy ireo lesona noraisiny nandritra io fihaonambe iraisam-pirenena natokana hanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’i Afrika sy Frantsa io izy.
Très populaire chez les jeunes, la pratique compétitive des jeux vidéo est maintenant reconnue comme une discipline sportive à part entière. Dénommée e-sport, la discipline regorge des joueurs et des joueuses professionnels. Madagascar n’échappe pas à cette réalité. Cette émission met en lumière l’univers du jeu vidéo compétitif à Madagascar à travers l’exemple de la communauté Tekken Madagascar. Rasamizafy Christiana, aka Chris, parle notamment des avantages d’intégrer une communauté dans la première partie de l’émission.
L’émission revient également sur le parcours de Rakotondrafara Ny Avo, alias Nioh, dont l’engagement dans l’e-sport lui a ouvert les portes de l’Africa Forward Summit, à Nairobi -Kenya. Elle partage ses expériences, ses rencontres et les enseignements tirés de cette participation à un rendez-vous international consacré au renforcement des relations économiques entre l’Afrique et la France, dans la deuxième partie de l’émission.







