Résumé VM
Fandaharan’asa mikendry ny fanatsarana ny fari-piainan’ny tovovavy sy ny vehivavy ny « Asa mamokatra ». Manolotra fanohanana amin’ireo dingana samihafa amin’ny fidirana eo amin’ny sehatry ny asa, famatsiam-bola ho an’ny tetikasa fandraharahana ataon’ny vehivavy, ary fanampiana ireo vehivavy efa mirotsaka amin’ny sehatry ny fandraharahana no atao amin’izy ity. Natokana ho an’ireo vehivavy 18 ka hatramin’ny 35 taona, amin’ny faritra 11 eto Madagasikara izy io. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa EAGER – Empowering Adolescent Girls in East and Southern Africa Region ny fanatanterahana azy. Manazava bebe kokoa momba ity fandaharan’asa natokana hanamafisana ny fahaleovantenan’ny tovovavy sy ny vehivavy ity i Hobisoa Rasolonirina lehiben’ny sampana fampanana asa sy fandraharahana ao amin’ny EAGER.
Résumé VF :
« Asa mamokatra » est un programme visant à améliorer les conditions de vie des filles et des femmes. Il propose un accompagnement dans les différentes étapes de leur insertion professionnelle, un financement pour leurs projets entrepreneuriaux, ainsi qu’un soutien aux femmes déjà engagées dans l’entrepreneuriat.
Destiné aux femmes âgées de 18 à 35 ans, le programme est déployé dans 11 régions de la Grande Île. Il est mis en œuvre dans le cadre du projet EAGER-Empowering Adolescent Girls in East and Southern Africa Region. Hobisoa Rasolonirina, responsable employabilité et entrepreneuriat au sein du projet EAGER nous présente ce programme dédié à l’autonomisation des filles et des femmes.








