COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesEnvironnement / hiakan’ny tontolo

©Geralt
L’épidémie de COVID-19 fait partie des conséquences de la dégradation de l'environnement et du changement climatique.

Changement climatique : le lien avec la COVID-19 et la capacité d’adaptation de la population locale

Fanadihadiana :

-Misy hifandraisany amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ny fipoiran’ny karazana valanaretina. Simba ireo toeram-ponenan’ny biby noho ny fahasimban’ny tontolo iainana, eo ihany koa ny fihafanan’ny tany. Lasa mifindra monina ireo biby ka lasa mifanakaiky amin’ny olombelona ny toeram-ponenany, antony mampifindra ireo aretina. Eo ihany koa ny fivoaran’ny toe-batan’ny zavamanan’aina araka ny fiovan’ny tontolo mandodidina azy. Manazava ny mpandrindra ny birao nasionaly misahana ny fiovaovan’ny toetrandrao sy ny REDD+, ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Ravelomanana Lovakanto sy ny mpitsabo, Ranaivoarison Dinah.

-Manana ireo fomba sy fahalalana izay ampihariny ireo mponina eny ifotony hiatrehana fiovaovan’ny toetrandro. Ohatra ny resaka fambolena hazo sy ahitra mitahiry rano. Mizara izany ny filoha lefitra Tafomihaavo, Andriananoro Toky sy ny filoha lefitra ao amin’ny fikambanana Famari, na fatidran’ny alamaiky sy ny rihaky, Rakotomanantsoa Vernet.

Vaovao :

-Mankalaza ny herinandro natokana ho an’ny toetrandro ny herinandron’ny 27 Septambra teo ny eto Afrika. Nanome anjara fitenenana manokana ny solontena avy amin’ny Fandaharanasa iraisampirenena momba ny fanjariantsakafo, Alice Rahmoun, ny UN Climate Change tao amin’ny Pejy Facebook-ny. Niresaka momba ny fifandraisana misy eo amin’ny krizy ara-tsakafo sy ny fiovaovan’ny toetrandro izy tamin’izany.

 


Studio Sifaka · 2021-10-06 Fandaharana HIAKAN'NY TONTOLO - CHANGEMENT CLIMATIQUE & COVID -19

Reportages :

-L’apparition des  épidémies comme la COVID-19 a un lien avec le changement climatique. Les habitats des animaux sauvages sont détruits à cause de la dégradation de l'environnement, s’y ajoute le réchauffement climatique. Les animaux migrent et vivent à proximité des humains, facilitant la transmission des maladies. Mais il y a également l’adaptation des êtres vivants par rapport au changement de leur environnement. Le coordinateur du Bureau National du changement climatique et de la REDD+, au ministère de l'Environnement et du Développement Durable, Lovakanto Ravelomanana et le docteur Dina Ranaivoarison expliquent. 

-Les populations locales ont leurs méthodes et des connaissances qu'elles appliquent pour faire face  et s’adapter au changement climatique. Par exemple, en plantant des arbres et des herbes pouvant stocker de l'eau. Le vice-président de Tafomihaavo, Toky Andriananoro et le vice-président de l'association Famari de la région du Sud-Est, Vernet Rakotomanantsoa en témoignent.

ACTUS :

-La semaine du 27 septembre a été célébrée la semaine africaine du climat. La représentante du Programme Alimentaire Mondial, Alice Rahmoun, est intervenue sur la page Facebook de UN Climate Change. Elle a évoqué le lien entre la crise alimentaire et le changement climatique.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter