Reportage :
La pollution de l'air envahit  la capitale Antananarivo et ses environs depuis le début du mois de novembre. Elle a dépassé dix fois la norme établie par l'OMS pendant le mois de novembre, selon la Responsable des Opérations d’INDRI, une association qui inspecte la pollution de l'air de la capitale depuis 3 ans, Rova Andriamananjara. L'air est pollué à cause des feux de brousse aux alentours d'Antananarivo, en plus de la fumée des ordures brûlées à Andralanitra et de la fumée des voitures de la capitale. A cela s’ajoutent, les fumées dégagées par les pots d’échappement de vieilles voitures circulant à Antananarivo. Au niveau de la visite technique,  la Direction Générale de la Sécurité Routière a constaté une hausse du nombre de voitures recalées, pour des raisons de fumées excessives, selon le directeur des opérations routière de la DGSR, le colonel Ranedison Celin. Lorsque le ministère de l'Environnement et la DGSR ont effectué une descente en pleine rue, pour effectuer un constat, face à la pollution de l'air dans la capitale, des dizaines de véhicules ont été appréhendés pour excès de fumée.
Interview :
L'« Accord de Paris » a souvent été évoqué pendant la participation de Madagascar à la COP 26 pour la lutte contre le changement climatique. De quoi s’agit-il exactement ? La directrice de programme du CRADOI à Madagascar, Volahery Andriamanantenasoa nous donne des détails sur « l’Accord Paris » et ses applications.
Â
Fanadihadiana :
Miharihary ny fahalotoan’ny rivotra teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ary efa tafiakatra avo folo heny amin’ny fenitra napetraky ny OMS ny singan’ny loto anatin’ny rivotra tamin’ity volana novambra ity hoy ny tompon’andraikitry ny INDRI, izay vondrona manao ny fanarahamaso ny fahaloton’ny rivotra eto andrenivohitra efa telo taona izay, Andriamananjara Rova. Vokatry ny doro ala sy ny doro tanety manodidina an’Antananarivo, miampy ny setroky ny fako dorana eny Andralanitra sy ny setroka fiarakodia mivezivezy eto no tena mampaloto ny rivotra. Etsy ankilany, efa hita tany amin’ny fitsarana fiara ny fiakaran’ny fiara tsy vita vizity noho ny setroka be hoy ny talen’ny asa amin’ny fifamoivoizana ao amin’ny DGSR, ny kolonely Ranedison Celin. Rehefa nanao filatsahana eny an’arabe ho fitsirihana noho izay fahalotoan’ny rivotra izay ihany koa ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny teo anivon’ny fandrindrana ny fifamoivoizana dia nanasazy fiara manetroka tafahoatra amam-polony teto andrenivohitra.
Interview :
Voaresaka foana ny « Accord de Paris » tao anatin’ny fandraisan’anjaran’ny Madagasikara tamin’ny COP 26 eo amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Manazava an’izay « Accord Paris » izay sy ny fanatanterahana azy ny talen’ny ny fandaharan’asan’ny CRADOI eto Madagasikara, Andriamanantenasoa Volahery.