Les significations du mot « boto » évoluent. Au début, ce mot signifiait « serviteurs ». Mais après, comme il y avait des serviteurs de tous âges, y compris des petits garçons, il ne désigne alors que le « petit garçon ». C’est sa signification actuelle. Dans le mot « jiolahim-boto », délinquant, il y a l’assemblage du mot « jiolahy » et « boto ». Ici « jiolahy » désigne une personne faisant des actions à l’encontre des règles de conduites dans la société.
Nivoatra noho ny tamin’ny voalohany ny hevitry ny teny hoe boto. Tamim-boalohany izy midika hoe mpanompo na mpiasa. Avy eo, niova io dikany io ary lasa hoe zazalahy kely satria nisy ireo mpanompo zaza lahy kely. Izay no fampiasa azy ankehitriny. Ny ifandraisan’io teny io amin’io hoe jiolahim-boto dia ny jiolahy moa midika ireo manao zavatra tsy mendrika eo amin’ny fiaraha monina. Raha ilay heviny taloha no raisina dia ireo boto, ireo mpanompo izany, izay mirenireny eny fa tsy miasa sady manao asa ratsy.