COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesQuestions A / Hono ho'a ?

©Lilou Rav
La baisse du niveau des lacs est à vue d’œil à Madagascar.

Reboisement et pluie : interaction et mécanisme

Raha ny faritra atsimo no nalaza ho nijaly rano hatrizay, efa hita amin’ny faritra maro eto amin’ny nosy izany ankehitriny. Atsimo atsinanana, Alaotra Mangoro, Itasy, Haute Matsiatra sy Vakinankaratra izay nalaza ho tananan’ny rano no ahitana ny faharitran’ny rano amin’izao. Ny fambolen-kazo no vahaolana akaiky indrindra hiadiana amin’izany. Fa inona tokoa moa ny ifandraisan’ny hazo sy ny orana ?

Hoy ny tale misahana ny fambolen-kazo sy ny fitantanana ny sahan’ala eo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Razafindrahanta Hanitriniaina hoe "mitazona ny rano, mampitsiaka izany tsikelikely ary mamelom-bolo ny tany ny fakan’ireo hazo ambolena. Ireo hazo mamaly ny filana andavanandro no tokony ho volena maika”. Mandrafitra ny 46%-ny hazo volena izany ankehitriny.

Tsy vahaolana maharitra hoy izy ny fandatsahana orana artifisialy satria mety hanankorontana ny firindran’ny toetrandro voajanahary. Ny fanaraha-maso ireo hazo nambolena no paikady mahomby indrindra hamerenana ireo masoala simba teo aloha ka hampiverina ny rano eo aminy.


Studio Sifaka · 2021-11-15_Fandaharana HONO HO AHO - RANO RITRA

Depuis quelques années, le dessèchement des cours d’eau se fait à une vitesse effrénée à Madagascar. À part le grand Sud, longtemps victime du kere, la région du sud-est, l’Alaotra Mangoro, l’Itasy voire la région de Vakinankaratra subissent aujourd’hui ce fléau.

La directrice du Reboisement et de la Gestion des Paysages et des Forêts auprès du MEDD, Hanitriniaina Razafindrahanta explique que « les racines des arbres et l’humus retiennent l’eau et protègent la terre contre l’érosion. En l’absence des arbres, l’eau de pluie est directement déversée vers la mer et ne descend pas à la nappe phréatique ». C’est urgent, dit-elle, de planter des arbres qui répondent aux besoins quotidiens de la population. Cette demande compose aujourd’hui 46% des reboisements.

La pluie artificielle, poursuit-elle, n’est pas une solution à long terme et peut perturber l’horloge climatique naturelle. Pour faire revenir la pluie, il faut faire un suivi rigoureux des arbres déjà plantés.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter