COVID-19 : Tous ensemble face au virus

MagazinesQuestions A / Hono ho'a ?

©Studio Sifaka
Une séance de partage lors de la 10e édition de l’Espace Jeune Entrepreneur

L’Espace Jeune Entrepreneur (EJE) forme les jeunes à lutter contre le chômage

Natao ny 18 sy 19 mars 2022 teo ny “Espace Jeune Entrepreneur » na EJE andiany fahafolo. Sehatra iray ampihaonana ireo tanora mpandraharaha sy ireo mpianatra amin’ny lisea sy oniversite liana amin’ny fandraharana izy io. Tanjona hoy i Andrianirina Lucky, mpikarakara, ny hitadiavan’izy ireo vahaolana maharitra manoloana ny ady amin’ny tsy fananan’asa izay miha-mahazo vahana, taorian’ireny krizy ara-pahasalamana sy krizy ekonomika ireny. Notsipihiny ihany koa fa tsy mahatoky tena ny tanora ka lasa sakana tsy ahafahany manapa-kevitra izany. Maro koa ireo miandry vola vao manao zavatra kanefa azo ampiasaina ny eo an-tanana hoy i Andrianirina Lucky. Tamin’ireo nandray anjara tamin’ny EJE teo aloha, efa maro ireo efa nahatsangana orinasana, misy kosa ireo an-dalam-pikarakarana ny taratasy ho amin’izany ary misy ireo nisafidy ny hiasa amin’ireo orinasa efa misy eto an-toerana.

Studio Sifaka · 2022-03-21_Fandaharana HONO HO AHO - EJE

L’ “Espace Jeune Entrepreneur » ou EJE Xème édition a eu lieu du 18 au 19 mars 2022. C’est un évènement réunissant les jeunes entrepreneurs, d’un côté, et les jeunes lycéens et universitaires, d’un autre. L’objectif, selon le président du Club Entrepreneurs Etudiants, Lucky Andrianirina, est d’encourager les participants à cogiter sur une solution durable pour lutter contre le chômage grandissant causé par la crise sanitaire et économique. Il a observé chez les jeunes le manque de confiance en soi et le manque d’assurance, les empêchant de se lancer dans ne voie et de prendre des risques.  Parmi les anciens participants à l’EJE, certains ont pu monter leur entreprise, d’autres sont en cours de montage. Quelques-uns ont choisi de travailler dans de grandes entreprises locales pour accumuler plus d’expérience.

Pour en savoir plus sur nos activités
M'inscrire à la newsletter