ORION Astro Lab est un projet qui va former des jeunes malgaches et sénégalais sur les compétences nécessaires afin de répandre cette discipline dans leur communauté d’origine. Les jeunes passionnés de cette discipline pourront ainsi avoir des compétences pour leader des associations ou des communautés en lien avec l’astronomie. L’inscription à la formation se terminera le 30 avril. Les détails avec Andoniaina Rajaonarivelo, porte-parole du projet et président de l’association Hainkintana.
Tetik’asa iray entina hanofanana tanora ho mpitarika amin’ny sehatry ny astronomia ny Orion AstroLab. Ao anatin’izay dia hisy atrik’asa hanomezana fahalalana mikasika ny astronomia hoan’ireo tanora liana amin’izany ary ireto farany indray no hampita ireo fahalalana ireo amin’ny fikambanana na vondrona misy azy any amin’izay nihaviany. Hatramin’ny 30 aprily izao ny fisoratana anarana mikasika amin’io atrik’asa io. Manazava mikasika izany i Andoniaina Rajaonarivelo, mpitondra tenin’ny tetik’asa sady filohan’ny fikambanana Hainkintana.