Cela fait 14 ans, le 31 juillet 2023, que Madagascar inscrit ses « archives royales » dans les registres internationales « Mémoire du Monde » de l'UNESCO. Ces archives comprennent des documents historiques et de photos anciennes ayant une importance historique pour Madagascar. Lors de la célébration, le comité malgache du patrimoine au sein de l'UNESCO a annoncé qu'il soumettra une nouvelle candidature pour l’année 2024-2025. Inclure nos documents historiques dans ce registre permettra de faire connaitre nos trésors au monde entier et nous permettra de mieux les préserver et les protéger a déclaré la directrice des archives nationales, Andriamihamina Sahondra Sylvie.
Feno 14 taona tamin’ny 31 jolay 2023 teo ny nampidirantsika ireo « tantaram-panjakana sy tantaran’ireo mpanjaka malagasy fahiny » ho vakoka iraisam-pirenena eo anivon’ny UNESCO. Tahirin-kevitra an-tsoratra nanan-danja ara-tantara tamin’ny andron’ny mpanjaka ary sary tranainy moa izy ireo. Nandritra ny fankalazana, nanambara ny komity malagasy momba ny vakoka eo anivon’ny UNESCO fa hampiditra tahirin-kevitra vaovao indray amin’ny 2024-2025. Hanampy betsaka antsika hampahafantatra ny tantaran’i Madagasikara sy hiaro ireo vakoka ary haren-tsaintsika ny fampidirana ireo tahirin-kevitra ao amin’ny « Mémoire du Monde » na raki-kevitra iombonan’izao tontolo izao hoy ny talen’ny arisivam-pirenena, Andriamihamina Sahondra Sylvie.